Ejipta: Fiantsoana Revolisiona Indray Taorian'ny Didim-Pitsarana Momba ny Raharaha Namonoana An'i Khaled Said

Voaheloka higadra fito taona any am-ponja ny polisy roa noho ny daroka niteraka ny fahafatesan'i Khaled Said, zatovolahy novonoina tany Alexandria nampirehitra ny revolisiona Ejipsiana. Tezitra ny mpisera amin'izay lazain-dry zareo fa didim-pitsarana mohaka sy tehamaina amin'ny revolisiona sy ny antsony isian'ny rariny.

Said, novonoina teo am-pelatanan'ny polisy tamin'ny Jona 2010, no lasa olomangan'ny revolisiona Ejipsiana. Niteraka tsy fahafaliana teo amin'ny tanora ejipsiana nandritra ny herinandro maromaro nialoha ny revolisiona ny nahitana ny sariny feno ratra izay lasa nalaza vetivety.

Niteraka antso ho amina revolisiona vaovao teo amin'ny samy tanora ao Ejipta indray ny nandrenesana ny didim-pitsarana.

Manontany ao amin'ny Twitter i Ahmed Aggour asks [ar]:

أُمّال فين الإعلام الحر؟ فين إستقلال القضاء؟ فين المحاكمات؟ فين تطهير الداخلية؟ فين أمن الدولة؟

@Psypherize: Ka aiza moa ny gazety malalaka? Ary ny fitsarana mahaleo tena? Ary ny fitsarana ara-drariny? Ary ny fanadiovana ny Minisiteran'ny Atitany? Ary ny Fitandroam-pilaminan'ny Fanjakana?

Mikiaka ny The Big Pharaoh:

@TheBigPharaoh: WHAT?? The killers of #khaledsaid were sentenced to only 7 yrs?? That's a message to us: even your revolution's symbol doesn't count anymore

AHOANA? migadra 7 taona fotsiny ny mpamono an'i Khaled Said? Hafatra ho antsika izany: na ny mariky ny revolisiona aza dia tsy misy dikany intsony.

Manantena i Rania Samir [ar]:

يارب خالد سعيد يبقي الشرارة اللي تطلق الثورة التانية زي ما كان سبب في الأولي

@Rania1_: Manantena aho fa i Khaled Said no ho pitik'afo handrehitra ny revolisiona faharoa tahaka ny naha-izy no antony nahateraka ny voalohany

Nanampy i Tamer Fakahany:

@TamerFakahany: #Egypt activists condemn light sentence for #KhaledSaid death, revolution said to be not sweeping away endemic corruption & injustice.

Miampanga ny fanamelohana maivana tamin'ny fahafatesan'i Khaled Said ny mpikatroka Ejipsiana, nolazaina tsy hanifika ny kolikoly sy ny tsy rariny raiki-tapisaka ny revolisiona

Ary Baraka18 nanatsonga ny tenin'ny dadatoan'i Khaled Said hoe:

@Baraka18: Ali Qassem (Khaled's uncle): “The response to the verdict will be on the street and not inside the court”

Ali Qassem (Dadatoan'i Khaled): “ny setrin'ny didim-pitsarnaa dia eny an'arabe fa tsy ao amin'ny efitranom-pitsarana

Mampahatsiahy antsika ny namoanoana an'i Said ny mpanao gazety ejipsiana Aya el Batrawy.

@ayaelb: #KhaledSaid is #Egypt's Mohammed Bouazizi. Said died when 2 plainclothes police dragged him out of an Internet cafe and beat him to death.

KhaledSaid no Mohammed Bouazizi an'i Ejipta. Maty i Said raha nisintona azy nivoaka ny cybercafe ny polisy manao fanamiana sivily 2 ary namono nahafaty azy.

ary notohizany:

@ayaelb: Police claim #KhaledSaid choked on packet of drugs he swallowed, but forensic reports showed it was forced after death

Nilaza ny polisy fa ny fanafody maro nateliny no nanempotra azy, saingy ny fandidiam-paty no nitatitra fa nasesika ireo rehefa maty izy

Nanonona ny anaran'ny polisy tompon'nadraikitra tamin'ny fahafatesan'i Said i Ayman Farag:


@aymanscribbler
: Mahmoud Salah Mahmoud and Awad Ismael Soliman, the policemen who murdered Khaled Said, get 7 years. #jan25

Nihinana 7 taona i Mahmoud Salah Mahmoud sy i Awad Ismael Solimani, ireo polisy namono an'i Khaled Said

Maneso ny mpanao gazety Evan Hill:

@evanchill: So you can beat someone until death in egypt and get 7 years. Just don't “murder” them. #khaledsaid

Izany hoe mahazo mamono mahafaty ianao any Ejipta dia mihinana 7 taona. Aza “mamono” azy ireo fotsiny.

Tezitra i Sarrah Abdelrahman:

@sarrahsworld: No! I will not let this depress me. I will let it ANGER ME!!!!!!! Time for the revolution!!! Bring it on ya 3askar (military)!!

Tsia! tsy hanaiky io aho hahakivy ahy. Fa avelako HAHATEZITRA ahy! Fotoanan'ny revolisiona ! Lazao any amin'ny  ya 3askar (miaramila)

Miantso fiovana ny mpamaham-bolongana Amr Gharbeia [ar]:

خالد سعيد حقه مش أن اثنين يدانوا بضرب والا بقتل. حقه أن ما يحصلش ثاني أبدا. أن البوليس والمحاكم وكل نظام العدالة الجنائية يتغير

@gharbeia: Ny zon'i Khaled Said tsy hoe fiampangana ny anankiroa ho namono azy. Ny zony dia mba tsy hisy intsony mandrakizay ny famonoan'olona tahaka ireny, ary miova ny rafi-pitsarana manontolo 

Ary toy ny mandrabiraby ilay Ejipsiana Abo Ghal [ar]:

بعد هذا الحكم الرائع يجب علينا ان نستعد بماذا سنفعل عند براءة كل من المظاليم (حسني مبارك,جمال مبارك,علاء مبارك,صفوت الشريف,نظيف)
@AboGahl1: Taorian'ity didim-pitsarana mahafinaritra ity, mila miomana isika ain'izay hatao rehefa ambara ho tsy meloka ireto mbola voafonja manaraka ireto Hosni Mubarak, Jamal Mubarak, Alaa Mubarak, Safwat Al Shareef ary i Nazeef.

Mananihany i Hana Zuhair:


@Hana_Zuhair
: At this rate, #Mubarak will receive money in compensation for disturbing his sleep on the stretcher by taking him to court. #KhaledSaid

Raha mitohy izao, hahazo vola ho sandan'ny fanelingelenana tamin'ny torimasony avy amin'ireo mpibata azy nankany amin'ny Fitsarana i Mubarak

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.