Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Arabia Saodita : Miala any ny printsy Naif

Saodiana nampakatra sarin'ilay Printsy Naif niaraka tamin'ny fitanisana izay naneho ny fanoherany ny fitondram-behivavy : "Nolazaiko tany amin'ny Filan-kevitry ny Shura, Ny vehivavy dia tsy hitondra fiara mihitsy raha mbola velona koa aho."

Minitra vitsy monja ny famoahan'ny mpisera Saodiana tao amin'ny Twitter ny fitaintainan'izy ireo tao aorian'ny fahafatesan'ilay Printsy mpandimby Sultan Bin Abdul Aziz Al Saud.  Mitovy fanontaniana ny maro amin'izy ireo momba izay Printsy mpandova manaraka ao mandrapahatongan'ny vaovao avy amin'ny Lapan'ny Mpanjaka ny sasak'alin'ny  27 Oktobra fotoana nanendrena ny Printsy  Naif Bin Abdul Aziz Al Saud, ilay minisitry ny filaminana anatiny ao amin'ny Fanjakana hatramin'ny taona  1978 sady Praiministra Lefitra faharoa, ho laharana manaraka handray ny satro-boninahitra. 

Tahaka ny tsy nampoizin'ny Saodiana ny fahatongavan'ny tranga. Na dia izany aza, nisy ihany ny faniriana fa hanendry olon-kafa Mpanjaka Abdullah. Ankehitriny, nivoaka ny fanambaràna ofisialy manendry an'i Naif ho eo amin'ny toeran'ny Printsy mpandimby,  izay mbola hiandraikitra ny Minisiteran'ny Atitany, efa miandry ny fanohanana matanjaka ho an'ny mpitondra fivavahana ambony sy ny polisy,  sy fihateren'ny fahalalahana sy ny fisiana fisamborana bebe kokoa. Malaza amin'izany karazana hetsika izany i Naif hatramin'ny nitantanany ny minisiteran'ny atitany.

Domberina an-tserasera

Mpisiokantsera  Ali J. Al-Dawood (@abu_jafar) nanao fanamarihana maneso tamin'ilay vaovao, nilaza fa  mety hitondra ny Saodiana rehetra any am-ponja ny vanim-potoana vaovao :

والله عندي إحساس ان الشعب السعودي كله راح يتهشتق

@abu_jafar : Manana  fahatsapana aho izay miteny amiko hoe  ny Saodiana dia ho tratra avokoa.

Waleed Al-Khodhairi (@i_Waleed) koa dia nilaza  mikasika ny fisamborana teo amin'ny fitondran'i  Printsy Naif  :

اللهم موّت الشعب في يوم واحد ويصحى بعدها الزعيم ما يلاقي حد يسجنه

@i_Waleed :  Andriamanitra mba miangavy, ataovy maty indray andro ny olona  manerana ny  firenena ,  koa rehefa mifoha ireo [mpitarika],  amin'izay tsy ahita olona hogadraina intsony izy.

Mpanao gazety Saodiana  Ebtihal Mubarak (@EbtihalMubarak) nandrohy tao amin'ny vondrona Facebook iray telo andro lasa izay :

@EbtihalMubarak : pejy  FB Saodiana : “Tsia ho an'ny  Printsy  Naif ho eo amin'ny toeran'ny Printsy” لا للأمير نايف ولياً للعهد on.fb.me/nlsiGH

Ary tao aorian'ny fivoahan'ilay vaovao ofisialy,  nalefany ireto sioka roa manaraka ireto :

@EbtihalMubarak :  Teny fanevan'ny Saodiana anio alina  “Ilay horera, ilay horera” http://bit.ly/cSjlpq #NaifHalloween

@EbtihalMubarak :  Tsy toy ny hoe miaina demokrasia teo ambany fitantanan'i Abdullah kanefa mamafa ny fandalovany ho amin'ny famaranana ny andro iray ho izy rehetra.

Vehivavy Saodiana mpandefa bitsika antsoina hoe Norah (@Hit_Zero )niainga tamin'ny fahalalahana hiteny amin'izao fahatongavan'ny Printsy Naif izao:

تويتر في الطريق للحجب .. حفلة وداعية لجميع حديث العقل.. واقبال متوالي لشراء الطيران

@Hit_Zero :  Twitter dia eo andalam-panakatonana.  Andao hatsipy any ny fety ho an'ny ady hevitra mendrika, ary manomboka mividy ny tapakilam-piaramanidina
Khaled Hothaly (@k_hothaly) dia nitondra ny resaka fisamborana :

إعدام أعمار البشر في المعتقلات كإعدام الأجساد بالرصاص .. لا فرق

@k_hothaly : Ny fandefana olona ho any am-ponja dia toy ny mamono ny vatan'olona amin'ny bala . Tsy misy maha samy hafa azy .

Ankizy Saodiana iray  15 taona mianatra any amin'ny Lisea  Saud Bin Khaled (@SaudBinKhaled) niresaka tamin'ny Printsy Naif nilaza hoe :

يجب على الامير نايف .. ان يلتزم بالدين لا بالعُرف ، و أن يعترف بالحوار

@SaudBinKhaled  : Ny Printsy Naif dia tokony hirona amin'ny Fivavahana, fa tsy Fomban-drazana, ary tokony hanaiky ny fisian'ny fifanakalozan-kevitra .

Mpianatra Saodiana hafa iray(@reefaa_) nandefa bitsika fatahorana  ny andro ho avy :

الله يطول بعمر ابو متعب اعتقد ايامه راح تكون ايام دلع ب النسبه لنا عقب مايصير نايف ملك اللهم اعطنا خيره وأكفنا شره

@reefaa_: Enga anie ka ho ataon'Andriamanitra ho ela velona  ny Mpanjaka; Mino aho fa ny androny dia ho tsara kokoa raha oharina amin'ny  andron'ny  Naif rehefa lasa mpanjaka . Enga anie ka omen'Andriamanitra antsika ny tsara amin'i  Naif ary hiaro antsika amin'ny fanahy ratsy.

Mbola nisy mpianatra iray (@AwthahAbs) niainga tamin'ny famoretana ara-pahalalahana miteny teo ambany fitondran'i Naif :

إلحمدلله اني وقفت توترة عن بعض المواضيع تجهزا لهاليوم المبارك:$

@AwthahAbs : Misaotra an'Andriamanitra fa nijanona tsy nandefa bitsika mikasika zavatra maro intsony aho, satria miomana amin'ny androny [masina].

Mpandefa bitsika avy ao Kuweit  Saad Alajmi (@alajmi_saad) niainga amin'ny fomba amin'ny fitondran'i  Naif izay tsy ahazoan'ny vehivavy rariny amin'ny fangatahana izay ataony :

كان يا ما كان، كان فيه نساء حلوين يحلموا يقودوا السيارات

@alajmi_saad : Indray andro hono, nisy vehivavy mahafatifaty maro nanonofy ny mba hitondra fiara  !

من منطلق استراتيجي مرحلي، ادعو المرأة السعودية للمطالبة بحق قيادة المرأة “للدراجة الهوائية”! أما السيارة ففي الجنة ان شاالله

@alajmi_saad : Avy amin'ny lojika iray, miantso ny vehivavy Saodiana aho hitondra bisikleta ary angamba any an-danitra ianareo mety avela hitondra fiara!

Haneen Alhawas (@haneen_alhawas)niainga tamin'ny resaka mitovy an'io ihany momba ny zon'ny vehivavy   :

اقول جميع نساء المملكة انسي انك تسوقين سيكل بحوشكم

@haneen_alhawas  :  Miteny amin'ny vehivavy rehetra avy ao amin'ny fanjakana [saodita] aho ,  aza manonofy na dia ny hoe hitondra moto eo an-tokotaninao aza !

Bilaogera Saodiana  Fouad Al-Farhan (@alfarhan) hatramin'izay dia niainga tamin'ny  fanjakana Saodiana izay eo ambany fitantanan'i  printsy Naif  ho toa an'i Korea Avaratra ary ankehitriny voarainy ilay vaovao tamin'ny alalàn'ny fandefana ny hiram-pirenenan'i  Korea Avaratra, tamim-panesoana tsara tokoa :

النشيد الوطني لـ كوريا الشمالية http://bit.ly/vR3n77

@alfarhan :  Ilay hiram-pirenen'i Korea Avaratra http://bit.ly/vR3n77

Ali Al-Amer (@_3amr)  nanoratra bitsika  mikasika ny resaka fisamborana :

كل مواطن الآن زادت نسبة احتمالية دخوله السجن ثلاثة أضعاف

@_3amr : Ny mponina tsirairay dia mety hiditra am-ponja avo telo heny .

Abdullah AbdulRahman (@3badi8) dia nampiseho ny tahony amin'ny polisy :

جيب الشرطة البني صار مرعب أكثر من قبل

@3badi8 :  Ilay fiaraben'ny polisy volontany dia tena lasa mampitahotra be tsy misy ohatra izany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.