Global Voices Podcast : Fivoriana Fahatelon'ireo Bilaogera Arabo – Andiany faha2

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Arahaba daholo.!

Ho fanampin'ny “podcast” isam-bolana fanaonay, dia manana raki-peo manokana ho anao koa izahay  avy amin'ilay vaovao  vao nivoaka  farany  momba ilay Fivoriana fahatelon'ireo  Bilaogera Arabo tao Tonizia.

Efa manakaiky ny  100 ireo bilaogera avy amin'ny firenena Arabo nivondrona tao  Tunis ny  3-6 Oktobra  2011 tao amin'ilay fivoriana nampiatranoan'ny Global Voices,  Nawaat sy ny  Heinrich Böll Foundation mba hiresaka ny mikasika ny fampitam-baovaon'olo-tsotra,  ny fahazoana antoka anaty aterineto , hevitra taorian'ny revolisiona , ary mazava ho azy ny fifanatrehan'ny  rehetra tava – ny sasany teo mihitsy vao nifankahita .  Ao amin'ny fanadihadiana  12 tao amin'ireo  ” podcasts” roa ireo  (Jereo ny  Ampahany 1) ho henonao ao ny mikasika ny  tsy fitenenana anarana anaty aterineto  mampiasa  Tor,  revolisiona amin'ny foto-kevitra manan-tantara ,  amin'ny fifidianana efa ho avy any amin'ny firenena Arabo,  ny fandrindrana ny horonan-tsary,  ny fandefàna bilaogy ary ny fanantenana.  Ary ny maro hafa, maro be.

Fivorian'ny Bilaogera Arabo, 2011: Andiany 2

Ejipta, Tonizia, Libya, Syria, Yemen, Bahrain ary ireo firenena maro hafa dia manana mponina miaina manaraka ny fiovan'ny fotoana sy ny fivadiky ny zava-misy. Ny vaovaonay anaty aterineto tato ho ato dia lasa haingana sy mitratrevatreva rehefa tonga eo amin'ny famoahana ny zava-miseho isa-minitra, kanefa ahoana no ahafahana mahita foto-kevitra amin'ny fotoanan'ny revolisiona ?

Zeynep Tufekci  dia mpampianatra mpanampy ao amin'ny Oniversite an'i Carolina Chapel Hill Avaratra ary miara-miasa amin'ny Berkman Center for Internet and Society  na ivon-toerana Berkman amin'ny resaka aterineto sy fiarahamonina ao Harvard. Nanao kabary nahafinaritra izy tao amin'ilay vela-kevitra mikasika ny hasarobidin'ny revolisiona ao anatinà foto-kevitra manan-tantara.

Ny ampahany amin'ny filazàna ilay tantaran'ny fotoanan'ny revolisiona amin'ny andron'ny elektronika dia mila lahatsary. Ny rakitsary ao amin'ny YouTube dia manome sary lehibe nalainà olon-tsotra, kanefa dia manan-danja koa ny manaraka ny fitantaràna mba ahafahana mahazo tsara.  Alexandra Sandels  dia mpanao gazety Soedoà sy tale mpanampy ary mpamokatra fanadihadiana antsoina hoe Zero Silence na tsy misy Fahanginana izay mahakasika ireo tanora mampiasa aterineto ho amin'ny fiovana. Io no nahabaribary ny andro voalohany tamin'ilay Fivorian'ireo bilaogera Arabo.

Saika ny bilaogera rehetra avy amin'ny firenena Arabo no tonga tao nanatrika ilay fivoriana mba handray lesona avy amin'ny tsirairay mikasika ny filazam-baovaon'ny mponina sy ny fizotrany. Hayder Hamzoz dia bilaogera avy ao Baghdad, Iràka” .  Niresaka momba ny zava-misy anaty aterineto izahay ary ny fomba nanehoan'ilay vohikala Iraqi Streets tamin'ny endriny hafa tao aminà lohatenim-baovaon'ilay fandaharana tselatra tokana izay.


Ny loza vokatry ny fahafanarana sy ny fisamborana eny amin'ny hetsi-panoherana sy ny hetsika anaty aterineto dia maro ary indraindray mampivarahontsana.  Misy fomba hijanonana ho mahazo antoka maro izay afaka ataon'ny olona, ary misy koa rindram-baiko afaka manampy. Roger Dingledine dia miasa aminà fitaovana manafina na miodidina antsoina hoe  Tor.  Noresahanay ny fomba fampiasana azy io.

Izay no azonay ambara amin'ity lahatsoratra manokana mikasika ny Global Voices podcast ity izay tao amin'ny Fivoriana fahatelon'ireo bilaogera Arabo !

Group photo from Arab Bloggers Meeting, Tunis 2011

Sary faobe avy ao amin'ilay Fivorian'ny bilaogera Arabo, Tunis 2011 Ibtihel Zaatouri (CC-BY)

 

 Misaotra an'ireo rehetra izay nahafoy fotoana niresaka tamiko, ireo mpikarakara tamin'ny famolavolana ny “forum” mahafinaritra tahaka itony,  ao koa i  Mark Cotton  izay nampifandray ny lohahevitry ny Global Voices ho amin'io ampaham-potoana miavaka io .

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.