Tantara tamin'ny 11 Oktobra 2011
Polonina: Hetsika Facebook Manindry Ny Mpanao Politika
Nandritra ireo roa volana lasa, nisy hetsika iray tao amin'ny Facebook nantsoina hoe “Appeal to parliamentarians” [pl], na "Antso ho an'ireo Parlemantera", izay nanana mpanjohy maherin'ny 60.000, nanangona vaovao avy eny ifotony mba hanatsaràna ny tontolon'ny lalàna Polone. Aty alohan'ny 9 Oktobra 2011, fifidianana izay ho parlemantera, nanolo-kevitra an'ireo antoko politika ireo mpikarakara ary nanome toky fa hanampy ireo izay manohana ny hevitra lanin'ny betsaka amin'ireo mpiondana aterineto.
Però: Mick Jagger Nitsidika an'i Lima
Nanomboka niely ny tsaho tamin'ny Asabotsy atoandro 8 oktobra lasa teo fa nitsidika an'i Lima i Mick Jagger. Nanomboka izany tsaho izany ny fandefasana sary manjavozavo nalefan'ny Mpisionkatserasera César Bejarano (@Cesar_Bejarano)...
Panama Nanokatra ny Lalao Fiadiana Ho Tompondaka Eran-tany Amin'ny Baseball
Nosokafana tamin'ny Asabotsy 1 Oktobra, ny fiadiana ho tompondaka erantany faha-39 ny Baseball (IBAF). Nahazo voninahitra hampiantrano azy ity i Panama tamin'ny volana Novambra farany ary sambany no nampiantrano hetsika goavana...