Panama Nanokatra ny Lalao Fiadiana Ho Tompondaka Eran-tany Amin'ny Baseball

Nosokafana tamin'ny Asabotsy 1 Oktobra, ny fiadiana ho tompondaka erantany faha-39 ny Baseball (IBAF). Nahazo voninahitra hampiantrano azy ity i Panama tamin'ny volana Novambra farany ary sambany no nampiantrano hetsika goavana tahaka izao ity firenena malaza amin'ny fankafizana baolina fandaka ity.

Tsy ho eo amin'ny resaka fanatanjahantena ihany no hiavaka ity lanonana ity, fa hanana ny lanjany ihany koa eo amin'ny sehatry ny toekarena, araka ny lazain'ny filohan'ny Sekolim-Pirenena Ambony momba Fanatanjahantena, Ruben Cardenas, azy ao amin'ny La Prensa [es]: “Hisy fiantraikany mahafinaritra eo amin'ny toe-karem-pirenena ity fiadiana ho tompondaka mondialy ity, satria ho maro ny olona hipetraka manakaiky ny kianjabe efatra. Manantena isika hahazo mpizaha 3 arivo”.

Ignauguración

Fidiran'ny ekipa mpandray anjara. Sary: Ana Rut Moreno, used with permission.

Nahatonga ny ankamaroan'ny Panameana ho liana amin'ny lanonana ny Fiadiana ho Tompondaka erantany eo amin'ny Baseball, feno sainakely ny arabe sy irony fahatsiarovana “Ato aminay Izao Tontolo Izao” (eo amin'ny baseball, ny “base” no itorahan'ny mpialalao ny baolina ary faritra tratrarina hahatongavana voalohany mba hahazoana isa dia antsoina hoe “home plate”).

Ahitana taratra izany fientanentanana ateraky ny lanonana izany ihany koa ny valantserasera. Ny Filoha Ricardo Martinelli (@rmartinelli) manoratra ao amin'ny kaontiny ao amin'ny Twitter:

El Mundial de Béisbol contagia de alegría las calles de nuestro país, ya está listo el Metrobus para ir al estadio y ver a nuestro equipo

Niteraka hafaliana eraky ny lalana ny Lalao Fiadiana ho Tompondaka Erantany amin'ny Baseball, efa vonona ny Metrobus hitatitra anay any amin'ny kianja ary hahita ireo ekipanay

Ny Minisitrin'ny fiadidian'ny Filoha, Jimmy Papadimitriu (@JDPapadimitriu), naneho hevitra andro vitsy alohan'ny fisokafan'ny lalao:

Todo listo, este sábado inauguración en el Estadio Rod Carew del Mundial de Beisbol por primera vez en Panamá 16 naciones por el título mayor

Vonona avokoa ny zavatra rehetra. Vao voalohany no hitranga ao Panama ny lanonana fanokafana ny Lalao Fiadiana ho Tompondaka Eran-tany amin'ny Baseball ao amin'ny kianjan'ny Rod Carew amin'ny Asabotsy izao. firenena 16 ho amin'ny fandresena.

Ny tranokalan'ny Lalao Fiadiana Ho Tompondaka Eran-tany amin'ny Baseball Panama taona 2011 nilaza hoe:

El estadio Rod Carew se vistió de gala, con fuegos pirotécnicos que llenaban de colores el cielo, mientras en el terreno, se presentaban muestras del folclor panameño, con bailes auténticos de los indígenas panameñas, al igual que de las bellas empolleradas y montunos. También hubo muestras de danza moderna, todo ante un esplendoroso despliegue multicolores.

Nahitana seho mahafinaritra niaraka tamin'ny afomanga nanelatrelatra teny an-danitra ny Kianja Rod Carew, raha toa kosa nisy fampisehoana hiragasy Panamaniana ny tao amin'ny efitrano, nahitana dihy indizeny Panamaniana tena izy, empolleradas sy montunos mahafinaritra. Nisy ihany koa ny fampisehoana dihy navaozina, tao anatin'ny fety maroloko mahafinaritra .

Tao amin'izay nantenain'ny rehetra ny lanonam-panokafana. Niarahaba ny ekipa mpanomana ny lanonana tamin'ny alalan'ny kaontiny Twitter i Giovanni Sanchez (@GiovaniAntonio):

Anoche panama se lucio fue una apertura muy emocionante y colorida felicidades@MundialPanama11@EdwinECabreraU

Nahavita zava-mahafinaritra i Panama halina. Fanokafana nampihorokoraka ravahin'ny loko isan-karazany. Arahabaina. @MundialPanama11 @EdwinECabreraU

Nanoratra ihany koa i Juan Carlos R. (JCRODNYY):

Orgulloso de la inauguracion… Clase de presentacion sentia q estaba en otro Pais.. Orgullosamente era made in panama@MundialPanama11

Mirehareha tamin'ilay lanonam-panokafana. Rehefa nahita ny fampisehoana aho dia tahaka ny mahatsapa ho any amin'ny firenen-kafa. Vita tamim-pireharehana teto Panama izany @MundialPanama11

Panama nandresy an'i Greeka tamin'ny isa 8 sy 3 nanditra ny fisokafan'ny lalao. Sary: Ana Rut Moreno, nahazoan-dalana ny sary.

Nitohy tamin'ny filalaovan'ny ekipa mampiantrano voalohany ny lanonana, ka nandreseny an'i Gresy 8-3. Nanoratra ny momba ny fandresen'i Panama i Dorita Jaen (@Dorita_Isabel):

@MundialPanama11 felicidades al equipo panameno….arriba mi bello Panama

@MundialPanama11 Arahabaina ny ekipako Panameanina. Alefa ry ekipako Panama mahafatifaty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.