Nanomboka niely ny tsaho tamin'ny Asabotsy atoandro 8 oktobra lasa teo fa nitsidika an'i Lima i Mick Jagger.
Nanomboka izany tsaho izany ny fandefasana sary manjavozavo nalefan'ny Mpisionkatserasera César Bejarano (@Cesar_Bejarano) izay navoakan'ny gazety Perú 21 kinova an-tserasera ao an-toerana ihany koa. Ahitantsika olona mitovy amin'ilay mpanankato Anglisy fanta-daza ny ao anatin'izany. Tamin'ny Alahady 9 Oktobra lasa teo, gazety hafa indray no nanamafy ny vaovao ary indrindra koa ny horonantsary nipoitra tao amin'ny YouTube, nalefan'ny olona mpisera ny fmphotos, mampiseho an'i Mick Jagger ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Jorge Chavez ao Lima:
http://www.youtube.com/watch?v=mbzvVXged1o&feature=player_embedded
Bilaogera avy ao Però sy mpisiokantserasera niady hevitra momba ny fitsidihana tsy nampoizina:
Ny bilaogy Mejor hablar de ciertas cosas [es] namoaka toy izao indray:
De acuerdo al exconductor de “TV Rock”, Cucho Peñaloza, el vocalista de Rolling Stones, Mick Jagger, llegó a nuestro país para recorrer Lima y Puerto Maldonado. La única imagen difundida hasta el momento es esta difusa toma que una cuenta de Twitter mostró desde el interior del Hotel Country Club de San Isidro.
Tao amin'ny Twitter, ny teny fototra #mickjagger sy #mickjaggerenlima no nifampiresahan'ny tontolon'ny Twitter.
Araka ny hevitr'i William Amaya (@dkden77e), efa nahazoazo taona ireo mpanankato:
@DJPaulBsAs: #MickJagger confesó q pasa + tiempo en Facebook que tocando una guitarra // le llegó la vejez, no?
I Mucho Vicio (@muchovicio) kosa nananihany ny amin'ny zavatra tena ankafiziny dia ny vehivavy somary tsy dia antitra:
Tomando el té con Mick Jagger. Luego al bingo y quizás, si la noche es propicia, charadas con las groupies. Y a la camita.
Daniel Morales (@dasang) nanontany hoe:
#MickJaggerEnLima porfavor hagan que diga #calata #huachafo o una de esas palabras q son graciosas cuando las dicen los gringos!
‘Calato’, teny manondro ny lahy amin'ny teny mpamaritra ‘calata’, izay midika hoe miboridana na raha hitarina dia hoe olona tsy manam-bola, ary ‘huachafo’ kosa dia afaka hadika hoe fadiranovana.
Helena (@HeleNa_Sz_) te ahafantatra izay toerana mety misy an'i Mick Jagger:
Y en este momento en qué parte del Perú se encuentra #MickJagger ?
Oswaldo Azk (@azk1610) nizara rohy misy ny tetikasa an'i Mick Jagger amin'ity fitsidihana ataony ao Però ity:
#MickJagger se aloja en hotel de Lima y viajaría a Puerto Maldonado periodismoenlinea.org/desde-peru/15/…
Puerto Maldonado, tanàna ao Atsimon'i Però, renivohi-paritany ao Madre de Dios, ao amin'ny faritra Amazon ao Però.
Maro ireo mpisiokantserasera naneho hevitra amin'ny fiteny vazivazy tamin'ny zava-niseho efa maherin'ny 20 taona lasa: Monique Pardo, mpanankato Peroviana, nifankahita tamin'i Mick Jagger tao Iquitos. Ny bilaogy Doctor Monique [es] nitantara taminay momba ny fihaonany:
Dice que se acercó a tomarle una fotografía con una Nikon gris casera que le había arrebatado a su novio, quien permanecía callado durante toda la escena como si fuera un extra, y que pidió a su ídolo que posara como si estuviera leyendo. Mick abrió un libro de bolsillo que llevaba consigo y ensayó algo de poesía amanerada en sus movimientos. La Pardo recuerda haber sentido como si un ratón se alborotara de miedo en su estómago. Al fin disparó la cámara como pudo, en un intento inútil por hacerlo suyo aunque fuese un instante. Jagger se puso de pie y los tres guardaron silencio. Monique, compadeciéndose de su novio, se despidió de Mick.
Amin'izany fomba fisainana izany, Gonzalo Alarcón (@Gonzaloalarco) nivazivazy momba ny fitsidihana nataon'i Jagger:
Joder #MickJagger in Lima y nadie enterado? Será que #MoniquePardo lo habrá secuestrado?