Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Jolay, 2011

Tantara tamin'ny Jolay, 2011

29 Jolay 2011

Arabia Saodita: Lalàna Vaovao Enti-manohitra ny Fampihorohoroana Hamotehana ny Fihetsiketsehana

Andro vitsivitsy lasa izay, nasehon'ny Amnesty International ilay volavolan-dalàna Saodiana tafavoaka mikasika ny Lalàna vaovao  enti-miady amin'ny fampihorohoroana, nofaritan'ny fikambanana tao anatin'ny fanambarana nataony fa toy ny “lalàna manome alalana ny fitondrana hangenja ny mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana amin'ny fanomezana sazy henjana tahaka ny heloka fampihorohoroana”, ary nampiany koa fa afa-manasazy hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina farafahakeliny...

Goatemalà : DipuKids, Andia Tanora Vaovao Kandidà Kongresy

Ny ady an-trano tao Goatemalà tamin'ny (1960-1996) izay namono sy nandefa an-tsesintany ireo tanora mpitarika sy ireo mpianatra ambaratonga ambony marobe manana ny ho avy tao amin'ny firenena, no nampisy fahabangana lehibe teo amin'ny tontolo politika. Hatramin'ny nanaovana ny sonian'ny Fifanekem-pandriampahalemana teo amin'ny Goatemalteka tamin'ny 1996 dia nijanona ho ambany dia ambany ny...

28 Jolay 2011

Japana: Mozika Indie Miventy Ny Nokleary

Noho ny fianahan'ny olana ara-nokleary sy ny resaka mifandray aminy toy tahotra ny taratra tsy hita maso izay mampitondra takaitra, ny politika vaovao momba ny angovo manangasanga eny am-paravodilanitra ary ny hoavy tsy mbola azo antoka loatra ho an'ireo vondrom-pihary mbola amperinasa, namoha indray ireo lahatsarin-kira miaty hafatra mazava manohitra...

Kolombia: 201 Taona Nahazoana Fahaleovantena

Araka ny efa nambaranay tamin'ny lahatsoratra farany, Kolombia dia nankalaza ny andro nahazoany fahaleovantena ny 20 Jolay lasa teo. Ny aterineto, araka ny efa nampoizina, dia sehatra iray nanehoana hevitra maro sy tranga samihafa noho ny fireharehana hoe teraka tao amin'izany Firenena izany ka hatramin'ny resaka kiana ara-politika.

27 Jolay 2011

Panamà: Faniratsiran'ny Presidansy Tanaty Aterineto

Ny Filoham-pirenen'i Panamà, Ricardo Martinelli, dia nahatezitra sy niteraka resabe tao amin'ny Twitter, taorian'ny niheverana azy ho nanevateva mpampiasa iray nanakiana azy tamin'ny teny mahery. Nandà mafy ho tsy nihevitra haniratsira izany anefa ny filoha. Miresaka momba ilay hatezerana ireo mponin'ny aterineto.

Kiobà: Ho Fiarovana ny “Las Damas”

Manohy hatrany manavao ny lahatsorany ireo Kiobana mpitoraka bialogy mikasika ny fanafihana farany tao Las Damas de Blanco (The Ladies in White Ireo Vehivavy Mitafy Fotsy), ka nisy tamin'ireo mpikambana no voalaza fa nizaka "fanafihana ary daroka an-kerisetra nataon'ny olona mpikambana ao amin'ny Mpitandro Filaminam-Panjakan'i Castro, ka taitra hatramin'ny fiangonana

Malezia: Maniry Ny Fialàn'ny Praiminisitra Ireo Mpampiasa Facebook

Nahavondrona mpanohana efa ho 200,000 tao Malayzia sahady ny pejy Facebook Olona 100,000 mangataka ny Fialàn'i Najib Tun Razak andro vitsivitsy taorian'ny niforonany. Tamin'io andro io ihany no nitakiana ny fialàn'ny Praiminisitra rehefa nidina an-dalam-be ireo olona an'arivony nandritra ny famoriam-bahoaka Bersih 2.0, famoriam-bahoaka mpomba ny demôkrasia izay noravàn'ny pôlisy...

Serbia: Fanehoan-kevitra Voalohany Momba Ny Fanafahana Madiodio An'i Sandor Kepiro

Ny Alatsinainy 18 Jolay 2011, nafahan'ny fitsarana iray ao Bodapesta i Sandor Kepiro, kapitenin'ny polisy Hôngroa tamin'ny ady lehibe faharoa izay nanao raharaha miaramila tany Serbia teo ambany fibodoana sy, izay tsy voa ela akory, “anisan'ny Nazy nokarohina fatratra.” Nampangaina ho nanao heloka bevava tamin'ireo Serba, Jiosy ary Romana nandritra...

Pakistana: Mangataka Hitsaràna Ny Raharaha Saleem Shahzad

Maro ireo niahiahy ny sampam-pitsikilovana eto amin'ny firenena ho ao ambadik'io fakàna an-keriny sy famonoana an'i Shahzad tamin'ny May 2011, tompon'andraikitry ny biraon'ny Asia Online na Azia anaty aterineto. Ny vaomieram-pitsarana napetraka hanadihady momba ilay vono olona dia nitaraina noho ny tsy fahampian'ny fanampiana tonga, ary betsaka ireo matahotra ny...

26 Jolay 2011

Sodàna Atsimo: Afaka Ihany Nony Farany!

Nahazo firenena vaovao i Afrika : Ny repoblikan'i Sodàna Atsimo. Nanao fitsapan-kevibahoaka i Sodàna Atsimo ny 9 Janoary 2011; amin'ny hoe hijanona ho faritr'i Sodàna ve izy sa tsia. Taorian'ny fifidianana saika lanin'ny besinimaro (99%) ho an'ny fahaleovantena hiala amin'ny avaratra, dia nambara tamin'ny 9 Jolay 2011 ny fahaleovantena ofisialin'i...