Andro vitsivitsy lasa izay, nasehon'ny Amnesty International ilay volavolan-dalàna Saodiana tafavoaka mikasika ny Lalàna vaovao enti-miady amin'ny fampihorohoroana, nofaritan'ny fikambanana tao anatin'ny fanambarana nataony fa toy ny “lalàna manome alalana ny fitondrana hangenja ny mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana amin'ny fanomezana sazy henjana tahaka ny heloka fampihorohoroana”, ary nampiany koa fa afa-manasazy hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina farafahakeliny ireo izay manohintohina ny fiandrianan'ny Mpanjaka na ny Printsy izany lalàna izany.
Vaovao farany: nisy nanakana ny tranokalan'ny Amnesty International ao Arabia Saodita.
Navoakan'ny Amnesty International (@amnesty) tao amin'ny Twitter ihany koa izany vaovao izany, izay vahoaka marobe no naneho hevitra amin'ny fampiasana teny fototra #SaudiTerrorLaw:
@amnesty: Antonta-kevitra miafina no nahitana fa ny lalàna vaovao #SaudiArabia “Manohitra -Fampihorohoroana” dia ahafahana manenjika ny mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana http://owl.li/5KS9Y
Bilaogera Saodiana Ahmed Al-Omran (@ahmed) nanoratra tweet marobe momba ny volavolan-dalàna ary nanamarika fa:
@ahmed: Mahita aho fa Saodiana marobe ao amin'ny Twitter no milaza ilay volavolan-dalàna manohitra-fampihorohorona fa “lalànan'ny latsaka ankaterena.” @alfarhan nilaza fa miezaka maka-tahaka an'i Korea Avaratra izy ireo .
Bilaogera Saodiana Foud Al-Farhan (@alfarhan) voalaza ao amin'ny tweet teo aloha, no naneho ny fihetseham-pony ihany koa momba ny volavolan-dalàna Manohitra-Fampihorohorona tao amin'ny twitter, ary ao amin'ity tweet manaraka ity, mampatsiahy ilay mpanoratra tantara malaza George Orwel tamin'ny taona 1984 izy ka hoy izy:
@alfarhan: taona 2011 no taona 1984 antsika#Saudi #SaudiTerrorLaw
Mpisolovava Saodiana Fahad AlMalki (@falmalki) no namaritra ny dikan'ilay lalàna vaovao tamin'ny fomba maneso sy mankaloiloy:
@falmalki: Fanontaniana: Farito: Leo aho. Valiny: Tsy vitako. Mety ho ampidirina am-ponja aho. Ny hany afaka lazaiko amin'ny mety dikan'izany: Tena faly tanteraka aho.
Mpanao gazety Saodiana Iman Al-Qahtani (@ImaQh) nangataka ireo sangan'olona Saodiana mba hanakana ny manampahefana amin'ny fankatoavana io volavolan-dalàna io:
واجب اخلاقي على النخب الثقافية والدينية المقربة من السلطة مناصحتها بخطورة النظام المزمع اصداره وتداعياته الخطيرة على الحريات
Mpikatroka Saodiana Waleed Abu Alkhair (@abualkhair) nampitandrina ny filankevitra Shoura amin'ny fankatoavana lalàna toy izany:
كمواطن سعودي أحمل أعضاء مجلس الشورى المسؤولية التاريخية الكاملة في تمرير نظام مكافحة الإرهاب الجديد
Vehivavy mpiserasera Saodiana Lujayn Alyamani (@LujaynAlyamani) naneho ny fahagagany manoloana ny tsy maha-demokratika ity lalàna ity:
اسمعوا: هذا المشروع اغتصاب مشرع لأحلامنا! عار والله أن نعيش عراة من الأحلام لهذا الوطن
Mpiserasera Saodiana hafa, Mouaz Dahdah (@mouazmb) nanoratra famaritana tsotra momba io lalàna io:
باختصار “قانون طوارئ جديد”
Maha AlAsmari (@maha_alasmri) nanazava ny fomba mety handravan'ity lalàna ity ny fahafahana maneho hevitra ao amin'ny fireneny :
ان طُبق هذا النظام سيأتي يوم يكون فيه وجود مُعتقل من كل عائله سعوديه بالسجون بتهمَه التعبير عن الرأي أمر طبيعي
@maha_alasmri: Raha ampiharina io lalàna io, ho avy ny andro izay isaky ny fianakaviana Saodiana dia misy olona iray ampidirina am-ponja noho ny fanehoan-kevitra ataony!
Mohammed Khelaiwy (@khelaiwy) nahita fanamarihana tamin'ity lalàna ity fa tsy naka lesona tamin'ny Lohataona Arabo ny fitondrana Saodiana :
صاحب القانون لم يستوعب دروس الثورات العربية ونتائج القهر والظلم وامتهان الكرامة وغياب المعارضة الوطنية الشريفة
Khelaiwy nanampy izany ihany koa ka nilaza hoe:
كلنا ضد الأرهاب والأرهابيين ولكن استخدام قوانين جائرة بأسمة لتجريم وسلب حقوق المواطن المشروعة هو ارهاب ايضا
@Khelaiwy: Samy manohitra ny fampihorohoroana sy ireo mpampihorohoro isika rehetra saingy ny fampiasana lalàna tsy ara-drariny sy ny fanendahana ny zon'ny olom-pirenena amin'ny tolona miady amin'ny fampihorohoroana, dia mpampihorohoro ihany koa izy.
Mpisiokantserasera hafa, Majed Alnemer (@majedalnemer), nanohy nilaza fa:
@majedalnemer: Lalàna manohitra-fampihorohoroana Saodiana hamono ny olom-pirenena raha toa ka ireo mpampihorohoro no tokony hovonoiny!
Mohammad Al Rasheed (@Onlinemars) ni-tweet momba ny haratsian'io lalàna io sy ny fahadisoan'ny manampahefana Saodiana tamin'ny fomba niadiany amin'ny fampihorohoroana:
عندما حاربت أمريكا وأوروبا الإرهاب حاربته خارجيا لتحمي داخلها. ونحن نحارب الإرهاب داخليا لنحمي من؟