Japana: Mozika Indie Miventy Ny Nokleary

Ity pejy ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana m omba ny horohoron-tany tao Japana ny 2011.

Noho ny fianahan'ny olana ara-nokleary sy ny resaka mifandray aminy toy tahotra ny taratra tsy hita maso izay mampitondra takaitra, ny politika vaovao momba ny angovo manangasanga eny am-paravodilanitra ary ny hoavy tsy mbola azo antoka loatra ho an'ireo vondrom-pihary mbola amperinasa, namoha indray ireo lahatsarin-kira miaty hafatra mazava manohitra ny fampiasana angovo nokleary ny mpampiasa aterineto Japoney.

Ireto ambany ireto misy ‘karazan-kira’ ahitana ireo nalaza indrindra [miaraka amin'ny lohateny kely amin'ny fiteny Anglisy] izay misy karazany amin'ny gadona reggae, mankany amin'ny mozika nentin-drazana, mankany amin'ny mozika rock (mavesatra). Ity koa misy lisitra fenon’ [ja] ireo hira tsy mety lefy laza manohitra ny fampiasana ny angovo nokleary.

You Can't See It, And You Can't Smell It Either ( Tsy Afaka ny Hahita, Ary Tsy Afaka Ny Hanimbolo Koa Ianao) an'i Rankin & Dub Ainu Band….

Ity hira ity dia manazava tsara ireo loza aterakin'ny angovo nokleary ary novokarin'i Rankin Taxi izay azo lazaina hoe raiben'ny hip-hop any Japana ary Dub Ainu Band, izay ny mpitendry zava maneno ao aminy dia avy amin'ireo Ainu vitsy an'isa.

Summertime Blues ( ny Gadona Blues'ny Lohataona) an'ny RC Succession.

Taorian'ny loza nitranga tao amin'ny Ozinina famokarana angovo nokleary tao Fukushima, dia ity hira ity,  izay nivoaka voalohany teo anelanelan'ny taona 80 – dia lasa hiran'ny faminaniana ankehitriny. Araka ny hevitr'ilay mpampiasa Youtube izay nanisy lohateny kely ny lahatsary, io hira io  “dia efa noeritreretina havoakan'ny Toshiba EMI ny 06 Aogositra 1988, kanefa nofoanana tampoka izany.” 06 Aogositra no fahatsiarovana ny fanjerana, tao an-tanànan'i Hiroshima, ny baomba atomika voalohany.

Love Me Tender,  (Tiavo Malefaka Aho) an'ny RC Succession.

Io hira io koa dia toa hoe novokarina teo anelanelan'ny taona 80, taorian'ny loza nitranga tao Chernobyl. Ny mpitarika ny RC Succession, Kiyoshi Imawano (忌野清志郎), namadika ny tononkira niandohana an'i Elvis Presley ho amin'ny teny Japoney mba hitovitovy fihaino amin'ilay hira Anglisy.

It Was a Lie All Along, (Lainga Daholo Kay Ny Hatrizay)  an'i Kazuyoshi Saito (斉藤和義).

Amin'ity hira ity indray dia miampanga ny nofinofim-piarovana momba ny fiarovana amin'ny angovo nokleary ao Japana nandritra ny 40 taona ny mpihira.
Efa nadika teto  amin'ny Global Voices ny tonon'io hira io ary afaka jerena  ato.

http://www.youtube.com/watch?v=b01yohRgfyc&feature=player_embedded

Let’s Join TEPCO , ( Ndao hiaraka amin'ny TEPCO) an’ olona tsy nitonona  anarana.

Ity hira ity dia nalaina avy tamin’ ilay hira malaza iray manohitra ny ady fahiny Let's Join the Self-Defense Forces (Jieitai ni Hairou) nohirain'i Takada Wataru tamin'ny 1968.

Araka ny fanazavan'i Paul tao amin'ny Tokyo Progressive – izay sady mpanoratra ny dikanteny eto ambany ihany koa -, “lohateny, ‘Tōden ni hairō (東電に入ろう)’ amin'y fiteny Japoney,  “tōden ni hairo (倒電に廃炉),” izay midika hoe n y fiafaran'ny  ‘Tepco (Tokyo Electric Power company or Tōden) , fandravàna ny fampiasana ny nokleary.'”

Aminareo vahoaka eto ireo
iza no maniry ny hiditra ao amin'ny Tōkyō Electric?
iza no te hitsapa vintana?
Mitady vatan-dehilahy maro matanjaka ny Tōden.
[fiverenana]
Te hiditra ao amin'ny Tōden aho, Tōden, Tōden
Te hiditra ao amin'ny Tōden aho, toerana tena tiako ao,
ireo izay matanjaka tsy misy ankanavaka
miaraha amin'ny Tōden ary misandraha tahàka ny voninkazo.

Aminareo izay maniry hiasa amin'ny angovo atomika
tongava foana amin'ny fotoana rehetra é ao amin'ny Tōden.
Uranium, Plutonium, manana ny ampy izahay
Fa fotsiny mila mifanaraka isika, dia mandeha ho azy ny zava-drehetra.
[fiverenana]
Ianareo izay mampiroborobo io sehatra nokleary io
mifamoria ao ambanin'ny vondrom-pihary nokleary
tsy misy  zavatra hanimba avy  hatany ny fahasalamanao
tsara raha mandro ianao ary manàla izany..
[fiverenana]
Hery nokleary midika hoe angovo madio
tsy zava-mahatahotra ny Plutonium
mety handefa taratra tsy hita maso izy
kanefa ny antsasaky ny fiainany dia efatra sy roapolo arivo taona fotsiny
[fiverenana]
Ho fanohanana ny angovon'i Japana
tsy maintsy miankin-doha amin'ny angovo nokleary isika e,
ny filonana anaty fatran-taratra tafahoatra tsy
ho vitan'izay fisotroana povidone iodine fotsiny dia ho sitrana ianao.
[fiverenana]
Angony daholo ireo tahon'angovo efa lany
ary ario any, afatraro anaty barika, dia ho avotra isika
hampangatsiahan-tsika any amin'ny dobo ny Rokkasho-mura fotsiny ireo
faharetana 300 taona monja no ilaintsika
[fiverenana]
Mitete ny rano nefa aza manatavy resaka
mivoaka ny setroka saingy aza mikorapaka
nikipaka ny tafo, saingy tena tsara aro isika
na izany aza efa ampangatsiahintsika amin'ny ranon-tsira ilay vondrom_pihary herinaratra.
[fiverenana]
Tsy midika izany hoe tsy misy ny loza mitatao,
Samy ario daholo na ny ronono na ny anana,
ny ambony ao amin'ny governemanta efa miteny:
ndao ampiasaina ny hetra hanarenana ny simba
[fiverenana]
tapitra lafo daholo ireo fitaovam-pandrefesana Geiger
tsy ilainao akory ny hanana ny fitaovana toy izany,
hampahafantarinay ny fatran'ny taratra tsy hita maso
minoa fotsiny ihany dia hovonjena ianao

Ity pejy ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana m omba ny horohoron-tany tao Japana ny 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.