Araka ny efa nambaranay tamin'ny lahatsoratra farany, Kolombia dia nankalaza ny andro nahazoany fahaleovantena ny 20 Jolay lasa teo. Ny aterineto, araka ny efa nampoizina, dia sehatra iray nanehoana hevitra maro sy tranga samihafa noho ny fireharehana hoe teraka tao amin'izany Firenena izany ka hatramin'ny resaka kiana ara-politika, ary ao koa na dia ny hetsika Anonymous – Tsy mitonona anarana aza ao amin'ny tambajotra sosialin'ireo mpanao politika maro (isan'izany ny Filoha amperin'asa Juan Manual Santos).
Hevitry ny Twitter
Na dia eo aza ny hoe tsy fantatra tsara ny tena zava-misy marina mifamahofaho eo amin'ny firenena, betsaka ireo mifampiarahaba hoe “Tratry ny fahaleovantena” sy maneho ny hafaliany ny amin'ny nahaterahany tao amin'ny fiarahamonin'i Kolombia. Toy izany ny an'i Nicolás Paz Velasco (@npazvelasco) sy Erika Mora (@iitamora), izay nandefa lahatsoratra toy izao :
y a estas alturas solo puedo decir: “yo no elegí nacer en Colombia simplemente tuve mucha suerte” otro #diadelaIndependencia que ya termina!
María T. Gonima (@Mategonima), nanindry ny fahaizan'ny Kolombiana mitsiky:
#I♥Colombia pq a pesar de los problemas, nunca dejamos de sonreír.. #diadelaindependencia
Ary Cristhian Rojas (@CristhianRojasG) nilaza, tamim-pahafaliana:
Que hoy se quiebren los floreros y se grite INDEPENDENCIA! Que suene el Himno Nacional de la REPÚBLICA DE COLOMBIA. #DIADELAINDEPENDENCIA RT
Na izany aza, maro koa ireo nanararaotra io fotoana io hampakàrana lahatsoratra momba ny zavatra mahasosotra azy ireo ao amin'ny firenena. Pilar Dique (@Pililu) nanontany hoe :
Me pregunto, ¿cuál independencia? si lo que parece es que cambiamos de dueños. #diadelaindependencia.
Santiago Rodríguez (@sruls), nampiditra izao fampieritreretana izao :
El #diadelaindependencia debería ser un momento para reflexionar si de verdad somos independientes y si después de 201 años hemos avanzado
Michelle Pineda (@MickeyPineda), manamarika :
Se acabó el #díadelaindependencia, hoy hace 201 años, los que sí eran héroes ya podían dormir sabiendo que una gran parte ya estaba hecha.
Ary Juanita Cortés L (@JuanitaCortesL) niteny hoe :
en el #diadelaindependencia los colombianos deberíamos exigir nuestros derechos, luchar por hacer un lugar mejor
Saina iray mitsongoloka
Bitsika maro no nivoaka toy ny an'i@MiltonTrujillo, nanaparitaka sary , tamin'ny Twitpic, saina nakopaka mitsingoloka :
Hetsika nataon'ny Anonymous
Araka ny efa nambara tamin'ny fiatombohan'ity lahatsoratra ity, tsy ao amin'ny aterineto tamin'ny fotoana manodidina io fankalazana io ihany no malaza ity fahaleovantenan'i Kolombia ity amin'ny anaran'ny mponina, fa koa tamin'ny alalan'ny hetsika nataon'ny fikambanana Anonymous ho an'ireo politisiana ao amin'ny firenena. Nisy nijirika toy ny kaonty Twitter an'ny Filoha teo aloha, Alvaro Uribe, ny kaonty Facebook-n'i Filoha vaovao [es]. Tamin'izany fankalazana roa sosona izany, namela lahatsary [es] ilay vondrona, izay araka ny fanorotoroan'i Adictos Geek's [es], manamafy ry zareo :
Anonymous no pretende desvalorar la acción de los libertadores, pero sí hacer caer en cuenta que celebramos algo que nunca hemos obtenido de una manera totalitaria y que si no hacemos algo no podemos cambiar el pensamiento arcaico que aún tenemos. El 20 de julio Colombia no debería celebrar, debería exigir sus derechos y libertades en todo ámbito”, son las ultimas palabras del mensaje.
Ilay raharaha dia niteraka Lohahevitra Maresaka be teo ambanin'ny Tenifototra : #Uribepenetrated. Soa ihany fa tsy izy rehetra, taoriana kely dia nananafika ny pejin'ny Polisy Nasionaly ny Anonymous ary namoaka tsiambaratelo sy ny momba fiainana manokan'ireo polisy sasany. Noho ny rivotra tsy milamina sy ny herisetra iainana hatrany any amin'ny faritra sasany ao Kolombia, mpampiasa Twitter maro no nanondro io hetsika io ho tsy tompon'andraikitra :
@lncognito Lo bueno de estupideces como la de Anonymous de hoy es que los deslegitiman mas… Una tira de pendejos tratando de llamar la atencion 20 Jul via web
Raha te hahita hevitra hafa ao amin'nyt Twitter, araho ireto tenifototra ireto : #independencia, #Díadelaindependencia,#MasColombianoque. (#independence, #IndependenceDay, #MoreColombianthan.)