05 Mey 2011

Tantara tamin'ny 05 Mey 2011

Okraina: Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Miteraka Fifanakalozan-dresaka Momba ny Toerana Misy ny Fampahalalam-baovao

Ny Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, dia nandika avy amin'ireo fifanakalozan-dresaka tao anaty aterineto i Tetyana Bohdanova mikasika ny toerana misy ny fampahalalam-baovao ao Okraina sy ny mety ho antony ao ambadiky ny faneriterena ny fahalalahan'ny gazety ao amin'io firenena io.

05 Mey 2011

Ao Bahrain, Andron'ny Tsy-Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety

GV Mpisolovava

Androany 3 Mai no Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, andro iray izay zary lasa fotoana fitserana kokoa noho ny maha-andro fankalazana azy any amin'ny firenena maro, isan'ireny i Bahrain, izay mbola misy fangejana ataon'ny governemanta amin'ny mpanao gazety sy ny mpitoraka bilaogy

05 Mey 2011

Palestina : Mankalaza ny Fampihavanana ny Hamas sy ny Fatah i Gaza

Ny elatra roa Palestiana mpifanohitra, ny Fatah sy ny Hamas, dia nampitsahatra androany ny ady lavarenin'izy ireo nandritra ny fihaonana ho fampihavanana tao Caire, Ejipta. Ny fanambarana ny amin'ity fifanarahana ity, izay ahitàna ny faritr'i Gaza, izay teo ambany fifehezan'ny Hamas foana hatrizay, sy Cisjordanie, faritry ny hetsika Fatah dia nankalazaina tao Gaza.

05 Mey 2011

Côte d'Ivoire : Ny Antsipirihan'ny Fisamborana Ny Filoha Teo Aloha Anaty Lahatsary Vaovao

Be ny lahatsary mivoaka maneho ny fizoran'ny fisamborana ny filoha teo aloha tao Côte d'Ivoire sy ny vadiny , Laurent ary Simone Gbagbo. mampiseho ny ampahany amin'ny tranga nisamborana an-dry Gbagbo, nanomboka tamin'ny fanbdarohana baomba ny toeram-ponenan-dry zareo nataon'ny tafika Frantsay ka hatramin'ny namindràna ny fianakavian'i Gbagbo ho any amin'ny Hôtel du Golf.

05 Mey 2011

Sina: Mamelabelatra ny Fanaraha-maso ny Aterineto any Ivelany

GV Mpisolovava

Tsy nahita ny marimaritra iraisana tena mivaingana ny fifampiresahana mikasika ny zon'olombelona teo amin'i Etazonia sy Sina tamin'ny herinandro lasa. Raha nanontanian'ny governemanta Amerikana mikasika ny famoretana ny mpanohitra ny governemata Sinoa, ny famoretana ny ara-pinoana sy ny fahalalahana maneho hevitra, dia nohelohin'ny mpitondra sinoa ny fihetsika feno fihatsarambelatsihin'i Washington, indrindra indrindra fa ny famonoana olon-tsotra any Iraka sy Afganistana.

05 Mey 2011