Ny elatra roa Palestiana mpifanohitra, ny Fatah sy ny Hamas, dia nampitsahatra androany ny ady lavarenin'izy ireo nandritra ny fihaonana ho fampihavanana tao Caire, Ejipta.
Ny fanambarana ny amin'ity fifanarahana ity, izay ahitàna ny faritr'i Gaza, izay teo ambany fifehezan'ny Hamas foana hatrizay, sy Cisjordanie, faritry ny hetsika Fatah dia nankalazaina tao Gaza.
Indreto fanehoankevitra vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter.
Omar Gaza manoratra hoe:
Afomanga amin'ny antoandro be nanahary no nampanjelanjelatra ny lanitr'i Gaza #Gaza ho fankalazana ny firaisana sy ny #fihavanana
Lina, avy amin'ny Live from Gaza mibitsika hoe :
Safononoky ny hafaliana noho ny fampihavanana ny #Hamas #fatah i Gaza #Palestine
Mahmoud Al Kahlout, avy any Al Nasr, ao Gaza, manampy hoe :
Alefa ho any amin'ny helo mandrakizay ny fifandirana rehetra #Gaza #Cisjordanie #Fatah #Hamas #Palestine #PalUnity
Ilay mpianatra ho mpitsabo avy ao Gaza, Fatma F.Q. miteny hoe :
Arahaba ho an’ NY PALESTINIANA REHETRA noho ny FIRAISAM-PIRENENTSIKA 🙂 #Mosala7a
ary mangataka:
Ary Asmaa Al Ghoul mampahatsiahy:
Fa misy ihany koa ny tsy faly.
Momba ny Hamas, dia manamarika i Sam Halaby :
#Hamas: tena aretin'andoha ianao. Angamba rehefa ajanonao ny fanomezanao an'i Israely an'izao karazana fikafika rehetra izao ka mahatonga anao hiharan'ny fahirano, ny tifitra bala afomanga madinika, angamba mba hanana fandriampahalemana ihany ianao.
ary Sarah, izay mibitsika ao ambadiky ny solonanarana Jnobiyeh, dia manampy hoe :
Tsy hoe nanao sonia fifanarahana “firaisam-pirenena” fotsiny ny Hamas androany niaraka tamin'ireo mpiara-miasa avy amin'ny Fatah, fa nanao sonia koa ny taratasy filazam-pahafatesan'ny fanoherany an'i #Israel.