Okraina: Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Miteraka Fifanakalozan-dresaka Momba ny Toerana Misy ny Fampahalalam-baovao
Ny 3 May dia nambaran'ny Firenena Mikambana ho Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, mba ho fampahatsiarovan-tena amin'ny lanja lehiben'ny fahalalahan'ny mpampita vaovao manerana izao tontolo izao.
Toy ny any amin'ireo firenena maro hafa, toy efa fanaony ao Okraina amin'io andro io dia ny vokatra azon'ireo “Fahavalon'ny fahalalahan'ny Fanaovan-gazety” no ambaran'ireo mpanao gazety. Amin'ity taona ity, ny Ivontoerana ho an'ny Fampahalalam-Baovaom-bahoaka sy ny Sendikan'ny Fahaleovantenan'ny Fampahalalam-baovao Tsy Miankina ao Okraina dia nampiditra ny Filohan'i Okraina Victor Yanukovych sy ny Praiminisitra Mykola Azarov ho any amin'ny voalohan-daharan'ilay “lisitra mainty.” Isan'ny tranga [uk] nahatonga ny Filoha Yanukovych ho tafiditra anaty lisitra ny fanafoanana ny fanakianana ny fitondrana tao amin'ny fitantaràn'ny fantsom-pahitalavitra “1+1” ny 100 andro naha-teo amin'ny fitantanana azy, ny fandraràna ny mpanao gazety ao amin'ny gazety Vechirni Visti tsy hahazo maka sary ny andiam-piara mitondra ny filoha, ary tsy famelàna ny mpanao gazety hametra-panontaniana nandritra ny valan-dresaka niarahany nanao tamin'ny Filoha Rosiana Dmitry Medvedev.
Ny Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety dia niteraka ihany koa adihevitra maro mikasika ny toerana misy ny fampahalalam-baovao ao Okraina sy ny mety ho antony ao ambadiky ny faneriterena atao amin'ny fahalalahan'ny gazety ao amin'ny firenena.
Ao amin'ny bilaoginy Ukrayinska Pravda, ilay mpanao gazety Serhiy Leshchenko dia nanoratra [uk] mikasika ny fahasamihafàna misy eo amin'ny Andro ofisialy ao Okraina ho an'ny Mpanao gazety sy ny Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety:
Andro tsy fiasàna [ankosotra] – Andron'ny Mpanao gazety – misy an'izany ao Okraina, ary ankalazaina isaky ny 6 Jona. Ny manampahefam-panjakana ary fanamafisan'ny didy avoakan'ny Filoha no nametraka io andro tsy fiasàna io. […] Tena faran'izay mifanohitra amin'izay tokony hosainina, mialoha indrindra ny 6 Jona andron'ny mpanao gazety, solombavambahoaka samihafa sy manampahefam-panjakana no niezaka niarahaba ireo birao mpiandraikitra ny editorial miaraka amin'ny “fialantsasatry ny matihanin-”dry zareo. Ny faratampon'izay hagaigena izay dia ny sarin'ny governemanta nanolotra mari-pankasitrahana samihafa ho an'ireo solontenan'ny mpampahalala vaovao mpankato azy ao an-toerana noho ny “fahamendrehany.”
Azo ampiatahaina izany amin'ny, aleo lazaintsika hoe, mpivaro-kena iray miarahaba omby iray amin'ny Andro natokana ho an'ny Hena.
Ny tena Andro ho an'ny Mpanao gazety ho an'ny tontolo manara-penitra dia ny 3 May – Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety. Io no andro iray tsy ankalazàn'ny mpanao gazety na inona na inona, saingy kosa ahatsiarovany ny namany lavo nisy namono, ireo mpanao politika manelingelina azy amin'ny asan-dry zareo, ary ny governemanta izay mametraka ny sakantsakana ho ara-dalàna.
Zoryana Byndas, tonian-dahatsoratra mpanatanteraka ao aminà gazety iray mpiseho anaty aterineto Pohlyad, dia nizara [uk] ny zavatra niainany miharo fahakiviana manoloana ny hoe fahalalahan'ny asa fanaovana gazety misy eo amin'ny orinasan'ny fampahalalam-baovao Okrainiana:
Tsy ela akory izay dia nanatrika fihaonana iray aho niaraka taminà mpanao dokambarotra vaventy. Noresahanay ny tolotra ataony sy ny fomba faran'izay tsara atao mba hanolorana azy ireny amin'ny mpanaky anay, sy manazava tsara ny antsipirihany. Tany amparan'ilay fihaonana, nanontany ahy rangahy io mikasika izay tompon'ny gazety anaty aterineto Pohlyad. Navaliko azy fa ny zavatra rehetra dia efa lazaina daholo ao amin'ny vohikalanay. Nitsiky ilay mpanao dokambarotra goavana no sady niteny hoe, “Eny ary e, ekena, ianao eto izao no tomponandraikitra ao, nefa an'iza izy io, iza no mamatsy vola anareo, vondrona politika inona.” Dia nazavaiko indray. Nanomboka tsy nahatombina ingahirainy ary niteny tamiko ny fomba famatsian'ity ranamana ity vola ho an'io gazety io, izay manana fantsom-pahitalavitra ihany koa. Ary ny fomba anohizan'io gazety io manohana ny asanà antoko politika iray voafaritra, izay midika fa izy no tompon'ny atidoha ao. Resy lahatra ilay rangahy fa ny vondrona kiritika kely toy ny ahy sy ilay namako dia tsy hahavita hampiodina gazety anaty aterineto izany, noho izy ireny noforonina fotsiny mba [hampakàrana ny sasany ary handetehana ny hafa eo imason'ny vahoaka].
“Izay izany,” Tany anatiko tany aho dia nisaina, “marina ny an'ilay rangahy.” Ny mpampahalala vaovao tsy miankina ankehitriny dia [tsy mbola nisy toa azy]. Na dia mbola mitohy miaina any ho any aza izy, misy foana ny hanontany, Inona no fandrika?
Eo amin'ny tambajotra sosialy ara-politika Okrainiana Politiko.ua, Serhiy Trehubenko dia nanakiana [uk] ny mpampahalala vaovao Okrainiana, amin'ny filazàna fa tsy ampy ho an'i Okraina ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety izy tenany fotsiny:
Manohy ny fomba fiasan'ny mpampahalala vaovao Sovietika ny mpampahalala vaovao Okrainiana – an-taratasy, manohana ny fampandrosoana izy, saingy ny zava-bitany dia mampiseho fa tena ratsy lavitra manoatra noho ny fony andron'ny kaominista.
Any amin'ny firenena nahita fivoarana dia mandeha ho azy ny zavatra rehetra, fa fony fanjakana Sovietika, mila ifampiresahana daholo izao rehetra izao. Tsy ampy ho antsika ny Fahalalahan'ny gazety, mila koa isika manangana gazety misaina sy tompon'andraikitra, izay afaka manazava zavatra araka izay maha-izy azy sy manolotra sosokevitra ho fanatsaràna.
Ao amin'ny Vikna.if.ua, ilay mpitoraka bilaogy Viktoriya Yadoshchuk dia nanoratra [uk] mikasika ny antony tsy anilihana tsotra fotsiny ny Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety ao Okraina:
Mazava loatra, hatramin'ny Revolisiona Volomboasary, lasa demaokratika kokoa ny fiarahamonina ao Okraina noho ny asan'ny gazety. Saingy tsy ampy izany satria ny tena fahalalahana maneho hevitra ao Okraina [tsy mbola tratra]. Ambonin'izany, hatramin'ny [Filoha] Yanukovych tonga teo amin'ny fahefana, araka ny fanarahamason'ny Freedom House, nitontongana raha ny marina ny fahalalahana maneho hevitra […]
Araka ny hitantsika rahateo, saropady ny zavamisy: matahotra hanambàra ny marina indray izao ireo Okrainiana, noho ny fahatahorana ny amin'ny ainy. Heveriko fa ny fiarahamonina ihany koa amin'ny maha-fiarahamonina azy dia tokony handinika ny amin'io olana io. Raha mitambatra hilaza ny marina ny firenena iray manontolo, mety hanohina ny governemanta izay ka hanosika azy ireo [hamerina hijery ny fomba fiasany]. Ndao hailitsika ny tahotra sy ny fisalasalana, ndeha ho mendrika ka tsy hamela ireo eo amin'ny fahefana hanimba ny soatoavina goavan'ny – fahalalahana, fahalalahana hisafidy, fahalalahana hisaina, ary fahalalahana haneho hevitra!
Mialoha ny Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, dia namoaka tatitra anasongadinany ny fitontonganan'ny fahalalahan”ny gazety ao Okraina ny Freedom House – ampaham-baovao izay nitampizaràna be teo amin'ny samy Okrainiana mpitoraka bilaogy sy mpampiasa Twitter. Tany ampiandohan'ity taona ity, dia efa nahenan‘ity fikambanana ity lanja ihany koa ny laharana misy an'i Okraina amin'ny resaka fahalalahana, avy any amin'ny “malalaka” ho any amin'ny “malalaka amin'ny ampahany”.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...