Ny tanàna lehibe ho an'ny fizahantany be mpitsidika indrindra ao Maraoka, i Marrakech, izay niharan'ny famelezana tamin'ny fanapoahana baomba ny Alakamisy teo, tao amin'ny toeram-pisotroana sy fisakafoanana malaza iray, izay ao amin'ny iray amin'ireo toerana feno olona betsaka indrindra, Djemaa el Fna. Olona eninambinifolo no namoy ny ainy, ny hafa kosa naratra, ny ankamaroan'izy ireo dia mpizahantany. Nanamafy ny governemanta Maraokana fa fampihorohoroana ireny ary niainga teny lavidavitra ny fibaikoana ny baomba. Nihatra lalina ny firenena io fampihorohorona io hatramin'izao ary mbola itokisana hatrany ny fitombinan'ny firenena.
Mba hanehoana ny fiombonan'alahelo amin'ireo namoy ny ainy sy ireo naratra, ary ny mponina ao Marrackech, ireo bilaogera: Samia (@samedda_), Bouchra (@princessa82), bizmaroc , Ghali (@ghalito91) sy i Lady Zee dia nanapa-kevitra ny handefa bilaogy amin'ny sehatra Tumblr ary nangataka fanampiana ihany koa amin'ny alalan'ny sary ho fanohanana ny tanàna izay ao anatin'ny fisaonana ankehitriny. “Tiako i Kech !” (‘Kech no fanafohezan-teny ny hoe Marrakech) no fanentanana naparitaka niaraka tao amin'ny Twitter mba hanehoana hatrany ny bilaogin'ny fiaraha-miory. Indreto sary notsongaina manokana avy amin'izao tontolo izao izay efa nalefa ary navoaka koa amin'ny bilaogy.
Navoaka niaraka tamin'ny fanomezana alalana mahafatra-po avy amin'ireo mpamahana bilaogy ny sary rehetra manaraka eto ambany eto.
Ao Beyrouth, Liban :
“Tiako i Marrakech! (betsaka, betsaka, betsaka)”
Ao Arabie saodita :
Ao Miami, USA :
Tao Paris :
“Tianay i Marrakech!”
Tao Rio de Janeiro, Brésil :
“Tena tiako tsy misy toy izany i Marrakech”
Ao Châlon-sur-Saône, ao Frantsa :
Ao Greenwich, ao USA :
Ao Kaire, Ejypte :
Ao San Francisco, aux USA :
Ao Salvador :
Ao Marrakech :
Sary hafa koa ao amin'ny ilovemarrakech.tumblr.com.
Raha handefa ny sary manokana avy aminao, alefaso amin'ity adiresy mailaka ity : ilovekech[a]gmail[point]com.