Sina: Mamelabelatra ny Fanaraha-maso ny Aterineto any Ivelany

Tsy nahita ny marimaritra iraisana tena mivaingana ny fifampiresahana mikasika ny zon'olombelona teo amin'i Etazonia sy Sina tamin'ny herinandro lasa. Raha nanontanian'ny governemanta Amerikana mikasika ny famoretana ny mpanohitra ny governemata Sinoa, ny famoretana ny ara-pinoana sy ny fahalalahana maneho hevitra, dia nohelohin'ny mpitondra sinoa ny fihetsika feno fihatsarambelatsihin'i Washington, indrindra indrindra fa ny famonoana olon-tsotra any Iraka sy Afganistana.

Ankoatra izay, ireo firenena tandrefana manao fitondra-mitanila hitantanana ny aterineto dia isan'ny fialàna bàla ho an'ny governemanta sinoa hanamarinana ny fivoarana sy ny fanarahamaso ny aterineto. Ny Biraon'ny Fampahalalam-baovaon'ny Filankevi-pirenena dia vao avy namoaka toro-làlana iray mangataka amin'ny vohikala rehetra mba hanohy tsara ny fitarihan-dàlana marina eo anivon'ny aterineto mifandray amin'ny fivoarana sy ny fanarahamaso ny aterineto.  Mikasika ny lohahevitra manokana mifandray amin'izany, “Mamelabelatra ny Fitantanana ny Aterineto any Ivelany,” nandritra ny Voalohan'ny volana May, ireo vohikala rehetra dia nangatahana hanaraka hampihatra ny fametrahana ho talaky maso ny lohahevitra eo amin'ny pejy fandraisany.

Ireto ambany ireto ny lisitr'ireo lohateny vaventin'ireo lahatsoratra mikasika ilay olana manokana, “Mamelabelatra ny Fitantanana ny Aterineto any Ivelany”:

英国互联网管理:政府牵头行业自律
Fitantanana ny Aterineto any UK : Nandray andraikitra nametraka ny fandrindràna miainga amin'ny tena manokana ny governemanta.

美国立法加强互联网管理
Manamafy ny fitantanana ny aterineto amin'ny alàlan'ny lalàna ny ao Etazonia

中国互联网发展击破美国人权指责谎言
Abaribarin'ny fivoaran'ny aterineto ao Sina ny lainga be ao ambadiky ny fiampangan'i Etazonia an'i Sina momba ny resaka fanajàna  Zon'OIombelona.

人民网:美国的双重互联网标准
People's Net: Ny fitondrana mitanila ampiharin'i Etazonia amin'ny Fitantanana ny Aterineto

美国人权纪录:对互联网的限制相当严格
Ny fandraketana momba ny zon'olombelona ao Etazonia: Teritery henjana eo amin'ny Aterineto

谷歌与美国中情局联手监控互联网
Google sy ny CIA Amerikana dia mifanome tànana amin'ny fanaraha-maso ny Aterineto

印尼:拟建互联网黑名单限制名人性爱录像传播
Indonezia: Lisitra mainty amin'ny Aterineto ho famehezana ny fanapariahana ireo lahatsary mamoafady miresaka firaisana ara-nofo

亚洲各国构造网络监管法律框架维护互联网秩序
Miara-miasa ireo firenena Aziatika hametraka rafitra araka ny lalàna handaminana ny Aterineto

互联网泄露隐私:隐私保护应引起关注
Misy mitete ny fiainana manokan'ny tena eo amin'ny Aterineto: Tokony ho raisina anatin'ny kajikajy ny momba ny fiainana manokana

法国HADOPI互联网法案:预防和惩治两手管理
Ny volavola-dalàna Frantsay(HADOPI) hitantanana ny Aterineto: Ho fisorohana sy ho Fanasaziana eo amin'ny fitantanana Vohikala

美国会提案建议:互联网受总统紧急管制
Manome fahefana momba ny hamehana ho an'ny Filoha ny volavolan-dalàana Amerikana

网络非化外之地 诽谤构罪也刑罚
Tsy toerana ho an'ny toetram-boto ny Aterineto, hosaziana ny fanalam-baraka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.