10 Avrily 2010

Tantara tamin'ny 10 Avrily 2010

Polonina: Maty tamin'ny fianjerana voromby tany Rosia ny filoha Kaczyński – Fihetsika voalohany

  10 Avrily 2010

Nahatratra ny tontolon'ny bolongana iray manontolo, ka hatrany amin'ny  gazety malaza ankehitriny ny vaovao nianjeran'ny voromby nitondra ka nahafaty ny filoha Lech Kaczyński sy ny vadiny ary ireo tompon'andraiki-panjakana ambony tany andrefan'i Rosia androany maraina. Nizotra ho any Katyn ny filoha, handray anjara tamin'ny fotoam-pahatsiarovana ny fandripahana tao ana'alan'i Katyn nandritra...

Repoblika Dominikana: nandresy tamin’ny Carribean Series ny Leones

  10 Avrily 2010

Taorian’ny "baseball" fanao rehefa andro ririnina any amin’ny Repoblika Dominikana, izay nahitana ireo tarika roa lehibe mahazatra tsy tafita ho amin'ny lalao famaranana, ny Aguilas Cibaeñas (Cibao Eagles) sy ny Tigres de Licey (Licey Tigers), dia ny Leones del Escogido (Lion'ny Voafidy) no naka ny toeran'izy ireo, ekipa iray mpanao baseball izay nandrombaka ny amboara ny taona 1992, nandresy tamin'ny fifanintsanana anatiny ary nahazo ny toerana tamin’ny Caribbean Series. Nampiditra fiovana lehibe ara-pitantanana sy ara-drafitra ho an'ny taom-pilalaovana 2009-2010 ny Loenes avy ao Santo Domingo ary dia nahitam-bokatra izany.