Taorian’ny “baseball” fanao rehefa andro ririnina any amin’ny Repoblika Dominikana, izay nahitana ireo tarika roa lehibe mahazatra tsy tafita ho amin'ny lalao famaranana, ny Aguilas Cibaeñas (Cibao Eagles) sy ny Tigres de Licey (Licey Tigers), dia ny Leones del Escogido (Lion'ny Voafidy) no naka ny toeran'izy ireo, ekipa iray mpanao baseball izay nandrombaka ny amboara ny taona 1992, nandresy tamin'ny fifanintsanana anatiny ary nahazo ny toerana tamin’ny Caribbean Series. Nampiditra fiovana lehibe ara-pitantanana sy ara-drafitra ho an'ny taom-pilalaovana 2009-2010 ny Loenes avy ao Santo Domingo ary dia nahitam-bokatra izany. Mamintina izany fandresena izany i José Francisco Arias ao amin'ny blog Cristal y Colores [es] :
¡Por fin los Leones del Escogido logran ganar el campeonato de Béisbol Profesional de RD…! Vencieron la noche de este jueves 5 carreras a 2 a los Gigantes del Cibao en el estadio Julián Javier de San Francisco de Macorís y se llevan la corona. Hacía 18 años que no lograban el cetro. La celebración comenzó anoche mismo y se extenderá por varios días. Los escogidistas ansiaban celebrar con su trofeo de campeones.
Tsy vitan'ny hoe ny fandresena tamin’ny fifaninanana tao an-toerana ihany no azon’ny Escogido, fa koa nahazo ny laharana voalohany tamin’ny 2010 Caribbean Series izy, izay natao tany amin'ny nosy Margarita any Venezuela ny 2 hatramin'ny 7 Febroary. Tamin'ny nandreseny ny Leones de Caracas (Lion'ny Caracas) 7-4, lalao iray ihany no nahalavo ny Escogidoo nandritra ny fifaninanana. Naneho ny fihetseham-pony ao amin'ny Twitter i Felivia Mejía (@LaBari) :
Los Leones del Escogido regresaron para ganar en grande. Felicidades x la victoria en la Serie del Caribe. Por acá andan fanáticos felices!!
Noho io fandresena azon’ny Escogido io, 18 ny anaram-boninahitra azon'ny Repoblika Dominikana tamin'ny Caribbean Series, ary io no firenena nahazo anaram-boninahitra betsaka indrindra tamin’ny tantaran’ny zava-nitranga rehetra, ka nandray anjara matetika tamin'izany Mexico, Venezuela, Puerto Rico niaraka tsy tapaka tamin’i Panama sy Cuba izay nandray anjara koa fahiny.

Ny fandraisan’anjaran’i Escogido tamin'ny Caribbean Series no nandrodana ny fanjakazakana nataon’ny ekipa sasany toa ny Tigres de Licey sy ny Aguilas Cibaeñas teo an-toerana sy tany amin'ny faritra. Nanomboka ny taona 1992 hatramin’ny taona 2009, nitondra nody anaram-boninahitra 9 ny Repoblika Dominikana tamin’ny Caribbean Series, 5 tamin’ireo avy amin’ny Eagles, ary ny 4 hafa avy amin’ny Tigers. Miaraka amin'ny fisondrotan’i Escogido, nitombo bebe kokoa ny fifantohan-tsaina sy ny risika hifaninana amin'ny baseball fanao amin'ny andro ririnina any amin'ny Repoblika Dominikana, ka tsy voatery ho tafakatra ambony foana ny ekipa iray, toy ny nitranga taon-dasa vitsy izay. Raha mandinika ny fandehan'ity raharaha ity. Mankalaza i Mario Peguero (@mariopeguero) :
Lo mejor de todo fue q los Leones del Escogido ganaron la serie del caribe ayer!!! Comienza una nueva era!!!