Nahatratra ny tontolon'ny bolongana iray manontolo, ka hatrany amin'ny gazety malaza ankehitriny ny vaovao nianjeran'ny voromby nitondra ka nahafaty ny filoha Lech Kaczyński sy ny vadiny ary ireo tompon'andraiki-panjakana ambony tany andrefan'i Rosia androany maraina. Nizotra ho any Katyn ny filoha, handray anjara tamin'ny fotoam-pahatsiarovana ny fandripahana tao ana'alan'i Katyn nandritra ny taona 1940.
Samy nahitana ny fihetseham-pon'ny olona voalohany vantany vao nandre ny loza na ny tao amin'ny Twitter na ny mitovy aminy poloney Blip.pl. Tohina ny olona.
Hoy Ewa_b :
Nanampy i Nice [PL]:
Tena nofy ratsy izao ;-(
Ny hafa tahaka an'i Namenick koa nampiseho ny fahatairany tamin'ny alalan'ny fandefasana ny vaovao tamin'ny teny anglisy:
Nasongadin'i Vagla fa [PL]:
Tao anaty voromby ny atsasaky ny mpikambana ao amin'ny governemantan'i Pôlônina.
Niditra an-tsehatra ny fihetseham-pon'i [PL] hustka:
“ireo ny olona nitondra teto amin'ny firenena” chaos!! ;o
Navoitran'i Perdo [PL]:
Nisolo toerana vonjimaika ny Filoha ny mpitondra tenin'ny Antenimiera. hambaran'izy ireo ny fisian'ny fifidianana ho avy.
Nitohana tanteraka ankehitriny ny famoaham-baovao Poloney tahaka ny Onet.pl; mikatso tahaka izany koa ny serasera am-pinday.
Mitatitra i Dziennikarz [PL]:
manana olana avokoa ny vavahadin-tserasera poloney rehetra noho ny fahamaroan'ny mpiserasera be loatra
Malisa nilaza ny vaovao farany momba ny serasera am-pinday[PL]:
#plusgsm mikatso tanteraka. Tsy maintsy ho nifampiantso hifanome vaovao ny olona.
Tsy mitsaha-manome vaovao ny gazety [Sary sy feo ary serasera] malaza, ka mihamiseho ihany koa ny fihetse-pon'ny olona:
KissMeJoeJ no namoaka hoe:
Polskatimes.pl no namoaka ny lisitra voalohan'ireo tao anatin'ny voromby, namahana izany tamin'ny Twitter koa.
Efa lasa lavitra ny eritreritry [PL] ny sasany tahaka an'i Irenkaa,:
Manontany tena aho raha tena loza tsotra tokoa iny…
Voter101 nilaza ny zava-misy fa tsy tian'ny olona ny Filoha [PL]:
#president tsy misy tia azy – nefa hisy ny fanajana ny maty…mahatsikaiky.
manazava [PL] Naphilim :
Angamba tsy tia azy aho, saingy tsy toy izao kosa no ieritreretako ny fanovana ny filohan'ny firenena.
Manomboka mivory maneho ny alahelony ny olona, mitatitra [PL] i dominikpanek :
Mivory eo anoloan'ny Lapam-panjakana eo Varsovia ny mponina eto an-drenivohitra. Mitondra voninkazo sy Koraonina ry zareo.
Ny hashtag #RIPLechKaczynski no ampiasain'ny mpamahana Twitter hanehoany ny alahelony an-tserasera, sy hiantsoany ny hafa hiara-miory aminy, fomba nataon’i TeamJoeJ:
mi-tweet ny fehin'ny fhetseham-pon'ny Poloney amin'izao fotoana izao mampiasa ny fitaovan-tserasera i Linkaaa:
1 hevitra
Thank you ever so much for translating this!