Oktobra, 2009

Tantara tamin'ny Oktobra, 2009

Japana: ravan'ny antontan'isa farany ny anganon'ny fandrosoana

  25 Oktobra 2009

Japoney iray amin'ny enina no miaina ao anatin'ny fahantrana araka ny tatitra [teny anglisy] navoakan'ny minisiteran'ny raharaha sosialy. Araka ny antontan'isa navoakan'ny OCDE [en], dia manana ny iray amin'ny tahan'ny fahantrana ambony indrindra amin'ny tany mandroso i Japana ka fahaefatra aorian'i Meksika, Torkia ary i Etazonia. Tao amin'ny Flickr id:...

Porto Rico: Fanadiovan-tsolika nipoaka

  25 Oktobra 2009

Nirefotra tanteraka tamin'ny zoma 23 oktobra teo tamin'ny 12 sy sasany atoandro ny fanadiovan-tsolika an'i Gulf Oil (Caribbean Petroleum Company-CAPECO) ao Bayamón, Porto Rico. Saika ny fitoeran-tsolika 20 no nipoaka avokoa, mbola misy afo mirehitra hatrany na dia efa voafehy aza, ary tsy nitsahatra nandrakotra ny lanitra ny andriafo. Mihoatra...

Goadelopa: Andron'ny rano

  23 Oktobra 2009

Any amin'ny nosy miteny frantsay any Karaiba, nosin'i Goadelopa, manana anaram-bositra manao hoe “Nosin'ny rano tsara” koa, dia iankinan'ny ain-dehibe ny rano. Tena zava-dehibe satria izy no mamaritra ny toetr'andro any an-toerana, na izany amin'ny alalan'ny tsy fahitana azy na izany amin'ny alalan'ny fahatondrahany: ny “Karemy” fotoanan'ny maintany izay maharitra...

Blog action day 2009: Miresaka momba ny fiovaovan'ny toetr'andro ireo tetikasa vatsian'ny Rising Voices

Rising Voices  21 Oktobra 2009

Androany [15 oktobra] no Blog Action Day ary kendren'ity hetsika isan-taona ity ny hanambarana ny mpamaham-bolongana manerantany hanoratra lohahevitra tokana mba hampahafantarana sy hanentanana izao tontolo izao hiresaka ilay lohahevitra. Misy amin'ireo mpikambana ao amin'ny Rising Voices ary no nandray anjara tamin'ity hetsika ity ka entinay aminareo etoana ny fantina...

Ginea: miaramila nijoro vavolombelona tamin'ny famonoana ny 28 septambra tao Conakry

  16 Oktobra 2009

Ity resadresaka teto ambany ity dia fijoroana vavolombelona nataona miaramila Gineana iray nandray anjara tamin'ny famoretana ny fihetsiketsehana nataon'ny mpanohitra tany Conakry, any Ginea, tamin'ny 28 Septambra 2009. Noraisimpeo tamin'ny alalan'ny antso an-tsofindavitra ary navoakan'ilay mpanao gazety frantsay Olivier Rogez tao amin'ny Radio France Internationale tamin'ny voalohany Oktobra 2009, roa...

Sina: Fibahànana ireo rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny Twitter

  15 Oktobra 2009

Tanatin'ny andro maromaro izao, nitatitra ireo Sinoa mpampiasa twitter fa nobahanan'ny sivana Sinoa ny ankamaroan'ireo rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny  Twitter. Hatrany amin'ny fiandohan'ity taona ity izay nandidiana ny hanakatonana ny Fanfou, vohikala Sinoa fitorahana bolongana, maro tamin'ireo mpitoraka blaogy no nikisaka nankany amin'ny  Twitter mba hanapariaka ny...