Porto Rico: Fanadiovan-tsolika nipoaka

Nirefotra tanteraka tamin'ny zoma 23 oktobra teo tamin'ny 12 sy sasany atoandro ny fanadiovan-tsolika an'i Gulf Oil (Caribbean Petroleum Company-CAPECO) ao Bayamón, Porto Rico. Saika ny fitoeran-tsolika 20 no nipoaka avokoa, mbola misy afo mirehitra hatrany na dia efa voafehy aza, ary tsy nitsahatra nandrakotra ny lanitra ny andriafo. Mihoatra ny 1 000 ny olona manodidina no nafindra toeran-kafa, ary nambara ka latsaka an-katerena ny fivondronana dimy manakaiky azy. Samy nanambara ny fiantraikan'ny fahasimban'ny tontolo maitso sy ny aterak'izany eo amin'ny fahasalaman'ny olona amin'ity voina ity avokoa na ny manampahaizana na ny mpikatroka [mpiaro ny tontolo iainana]. Efa an-taonany ihany koa no nampitandreman'ny olomboafidy manodidina ny governemanta ny loza ara-tontolo iainana sy ara-pahasalamana mitatao rehefa mipetraka manodidina toeram-panadiovan-tsolika tahaka itony.

Mbola fantarina amin'izao fotoana izao ny antony niteraka ity fipoahana ity.

Lahatsarin'ny fipoahana nampidirin'i Zuper J tao amin'ny YouTube.

Ao amin'ny Haciendo punto en otro blog [ES], no miresaka ny mpanao gazety sady mpamaham-bolongana Carmel Ruiz:

On Thursday night the Gulf Oil refinery in the nearby town of Cataño blew up. The blast and shock waves were felt twenty miles away. It was a sound like nothing I had ever heard in my life (the shock wave actually opened my bedroom door). In the four or five seconds after the explosion, the fireball was as bright as the three o'clock sun The fire is still burning, the plume of smoke is like nothing ever seen in Puerto Rico.

Nipoaka ny fanadiovan-tsolik'i Gulf Oil mifanila amin'ny tanànan'i Cataño tamin'ny alin'ny alakamisy. Heno hatrany amin'ny 20 maily manodidina ny fipoahana sy ny hovitrovitra niaraka taminy. Feo tsy mbola henoko hatrizay niainako no henoko (ary nahasokatra ny varavaran'ny efitrano fatoriako mihitsy). Efatra na dimy segondra taorian'ny fipoahana dia nanazava tahaka ny masoandro amin'ny telo ora ireny ny tselatr'afo. Mbola mirehitra izy amin'izao ary tsy mbola nahitana setroka tahaka izay mihitsy teto Porto Rico.
View of the tunnel of smoke caused by the explosion. Photo by Alberto Marty.Sarin'ny andrisetroka nateraky ny fipoahana. Saripikan'i Alberto Marty.

Tohina tamin'ny fipoahana ny mpahay tantara sy mpamaham-bolongana Ivone Acosta, araka izay nasehony tao amin'ny Sin mordazas [ES]:

No me atrevo salir. Ya dos amigas que conocen mis alergias me llamaron para advertirme eso mismo, que no salga porque el aire contiene demasiados particulados peligrosos y que cierre todas las ventanas. Como quiera, no me interesa ver la histeria de la gente que por menos que eso se paniquean. Ya he visto comentarios en el periódico en línea acusando a “los socialistas de siempre”.

Tsy nahasahy nivoaka aho. Efa namana roa mahalala ny zavatra ny maha-alerjika ahy [tsy zakako] sahady no efa nampitandrina ahy mba tsy hivoaka ny trano satria miaty singa mampidi-doza maro ny rivotra. Nilaza izy ireo ny hanidiako ny varavarankely. Na izany na tsy izany, tsy izaho no tsy miraharaha mahita ny korataba sy ny fikoropahan'ny olona na dia amin'ny zavatra tsy dia manao ahoana aza. Efa nahita sahady ny hevitry ny gazety miampanga “ireo sosialista antitra ihany” ho nahatonga ny fipoahana aho.

Ilaina aloha ny mampahafantatra kely ny zava-misy mba ahazoana ny tian'i Acosta lazaina. Vao tsy ela akory manko izay fa vao tamin'ny 15 Oktobra dia nisy fitokonambe teto Porto Rico. Nampangain'ny mpikambana ao amin'ny Governemanta ho mpampihorohoro moa ny mpanao fihetsiketsehana.

Ao amin'ny Observations from the “Island of Enchantment”, ny mpamaham-bolongana Adriana no mampahatsiaro ny fahatsapany raha vao nahare ny fipoahana izy:

Yesterday, when I woke up, I heard the distant sounds of helicopters flying. I though to myself, well, maybe something's going on in the housing projects (caseríos). A short while later, I found out about the explosion. Although it had occurred in Cataño, which is just outside of San Juan, I saw the black clouds from my house. The magnitude of the explosion registered a 2.8 on the richter scale. Thousands of people had to be evacuated. Law enforcement officials are currently investigating the causes of the explosion. I can't imagine what the environmental, health and economic consequences will amount to. Luckily, no deaths have been reported.

Omaly, teo ampifohazana, no nandrenesako angidimby nanidina tany lavidavitra any. Noeritreretiko fa nisy zava-nitranga angamba tany amin'ny tetikasa fanamboaran-trano. Fotoana fohy taorian'izany vao henoko ny momba izany fipoahana izany. Fa na dia tany Cataño aza no nitranga ny fipoahana, izay vao eo ivelan'i San Juan, dia hita hatraty an-tranoko ny setroka mainty. Nahatratra 2,8 eo amin'ny mari-pandrefesan'i Richter ny heriny. Olona anarivony no tsy maintsy noesorina tamin'ny toerana nipetrahany. Eo ampanaovana ny fanadfihadiana amin'izay antony niteraka ny fipoahana moa ny mpiandraikitra izany. Tsy azo visavisaina ny tetibidin'ny fiantraikan'io eo amin'ny resaka tontolo iainana, fahasalamana ary toe-karena. Soa ihany fa tsy nisy ny maty.

Ny resadresaka momba azy ity ao amin'ny Twitter moa dia hita amin'ny alalan'ny hashtag #explosionpr. Raha hijery sary ianao dia jereo ny El Difusor. Mitantara azy ity isa-minitra ny sosona fampitam-baovao Diálogo sy Prensa Comunitaria, ary ny media be mpanaraka kosa dia ry Primera Hora, El Nuevo Día ary El Vocero.

*Lahatsary voalohan'i Luis Andrei Muñoz nivoaka tao amin'ny Flickr. Navoaka indray fa ambany fiarovan'ny Creative Commons License.

Firuzeh Shokooh Valle

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.