Aogositra, 2009

Tantara tamin'ny Aogositra, 2009

Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana

  09 Aogositra 2009

Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity herinandro ity, nanampy...

Arzantina: Manao izay hanakatonana bolongana ny vondrona media Clarín

  09 Aogositra 2009

Volana vitsivitsy lasa izay ny Global Voices no namoaka lahatsoratra miresaka momba ny vondrona fampahalalam-baovao marolafy arzantina hoe Clarín izay nanery ny YouTube hanakatona ireo mpikambana mampiasa ny rakikira an-tsary avy amin'ny programany vaovao ka mampiasa ireny ho toy ny hoe azy ny rakikira, nefa ny ankamaroany dia mitsikera ny...

Japan: Fisintahan'ny mpizahatany Japoney an'Italia

  07 Aogositra 2009

Lazaina fa nihena ny isan'ny mpizahatany Japoney nandalo an'i Roma faramparany teo. Tsy noho ny krizy ekonomika ihany fa eo ihany koa ny tolotra ratsy ataon'ny trano fisakafoanana sy fandraisam-bahiny italiana ary ny tahotra ho voaendaka valizy sy finday nahatonga ny Japoney hisafidy toeran-kafa voaary kokoa. Vao herinandro vitsivitsy izay...

Pakistan: ny “Mouvement Go Green” na ny hetsika alefa ry maitso

  07 Aogositra 2009

Manana namana pakistanais ao amin'ny facebook na ao amin'ny twitter ve ianao? Raha eny, mazava ho azy fa misy ny sariny eo amin'ny fidirana ary ny sarin'ny sainam-pirenena pakistanais no rindrina ao aoriany. Izany dia vokatry ny “Mouvement Go Green” notarihan”i Farhan Masood sy ireo namany mpilatsaka an-tsitrapo manerana an'i...

Shina: Fitsarana an-tendrony sy fanilikilihana ataon'ny Han amin'ny Uyghur

  07 Aogositra 2009

Mihoatra ny iray volana izay no nisian'ny rotaka tany Xinjiang tamin'ny 5 jolay ary mbola manameloka ny Tandrefana sy ny Rebiya Kadeer ho nampiroborobo ny hetsiky ny mpisintaka tany Xinjiang ny ankamaroan'ny mpiserasera shinoa. Misy ihany na izany aza ny bitsika toy izay hita ato amin'ny BBS of people.com ato...

Azia atsimo atsinanana: ny aterineto sy ny fitiavan-tanindrazana

  07 Aogositra 2009

Miha-mampiasa ny aterineto hanaovana fampielezakevitra ny vondrona tia tanindrazana isan-karazany any Azia Atsimo Atsinanana. Na dia ny mpitondra politika aza dia mampiasa araka izay tratra ny serasera hampiroboroboana ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny fireneny. Mandrisika tokoa izany fironana izany rehefa manome fahalalahana ny olom-pirenena tsotra haneho ny fifikirany...

Fipoahana bomba: nahafatesana olona sivy tany Indonesia

  06 Aogositra 2009

Nisehoana asa fampihorohoroana indray tao indonezia [naotin'ny tonia:tamin'ny volana jolay]. Bomba roa no nipoaka tao Jakarta renivohitra indonezia tamin’ny zoma lasa teo. Araka ny voalazan’ ny vavolombelona dia tamin’ny 07:40 maraina no nahenoan’izy ireo ny fipoahana voalohany avy ao amin’ny JW Marriott, ary 2 minitra taorian’izany dia nirefotra ny bomba...

Pakistan: Manameloka ny rotaka tao Gojra

  04 Aogositra 2009

Velona ny rotaka tao an-tanànan'i Gojra, Pakistan tamin'ny Asabotsy lasa teo noho ny filazana fa nisy ny fanimbazimbana ny Korany Masina ary dia nisy nandoro ny tranon'ireo kristiana tany an-toerana ka olona 7 no may velona tao ary 18 no naratra mafy. Henjana dia henjana ny fanamelohan'ny tontolom-bolongana karana tamin'ity raharaha ity.

Ekoatera: Garam-piara fitaterana vaovao roa misokatra ao Quito

  04 Aogositra 2009

Ambohipihaonan'ny fitaterana an-tanety ao Ekoatera ny renivohiny ao Quito ary azo heverina fa ahafahana mipaka any amin'ny toerana rehetra tiana andehanana manerana ny firenena ny fandraisana fiara fitaterana iray avy ao. Nandritra ny herinandro faharoan'ny volana jolay dia nanapa-kevitra ny Departemanta Monisipalin'ny Fitaterana sy ny Asam-bahoaka (EMMOP amin'ny fanombohana teny...