Lahatsarin'ny ‘Fanaka Kakoli’ nahatonga sary mahatsikaiky tao Bangladesh sy Bengal Andrefana

Screenshot from Facebook video of Kakoli Furniture.

Pikantsary tamin'ny lahatsary Facebook momba ny Fanaka Kakoli.

Amin'ny ankapobeny ny hatsikana, ny fifandraisana sy ny fifandirana dia toetra mampiavaka ny lahatsary miely patrana be. Indraindray ianao mahita votoaty tsy misy fanazavàna azo raisina momba izay antony nahatonga azy ho niparitaka be. Tamin'ny volana lasa, nanjary zava-nanaitaitra tety anaty aterineto ny lahatsary dokambarotra iray tsy nandaniana vola firy zarazaraina ety anaty tambajotra sôsialy, andrenesana fehezanteny miverimberina misy ny hoe “Mora vidy, tsara kalitao, ny Fanaka Kakoli”. Tsy vitan'ireo mpiondana aterineto ny nanakatra izay antony nahatonga io dokambarotra nataona magazay izay tsy fantatr'olona io,  mpivarotra fanaka ao Bangaldesh, ho niparitaka be teny anivon'ny vondrompiarahamonin'ireo mpampiasa ny fiteny Bangla ao Bangladesh sy Bengal Andrefana ao India. Na ny tompon'ilay magazay fivarotana fanaka aza sahiran-tsaina.

Anivon'ny filazambaovao ratsy momba ny fisian'ny onja vaovaon'ilay valanaretina ao India ary ny fihibohana amin'izao fotoana izao ao Bangladesh sy Bengal Andrefana, noho io lahatsary miparitaka be io dia mba mahita fotoana ihomehezana sy hitsaharana ny vahoaka.

Abhishek Ghosh avy any Kolkata, India maneho hevitra toy izao:

Manoatra noho ny VALANARETINA ny #KakoliFurniture amin'izao fotoana izao ??‍♂️

— Abhishek Ghosh (@thefoodgambler) 18 May 2021

Fa inona ny Fanaka Kakoli?

Ny hoe Kakoli dia anarana iraisana iantsoana ireo tovovay ao Bangladesh. Ao Mawana Union of Sreepur Upazila any amin'ny distrikan'i Gazipur no misy ilay magazay fivarotana fanaka “Kakoli Furniture” , 60 Km eo ho eo any ivelan'i Dhaka renivohitr'i Bangladesh. Nihevitra ny hanao dokambarotra ho an'ny magazay fivarotany fanaka i  SM Sohail Rana, tompon'ny Kakoli Furniture, ary dia tonga tao an-tsainy ny hanao ity dokambarotra tsy andaniana vola be ity taorian'ny nahitàna ankizivavy kely roa zanaky ny mpanjifa tonga nitsidika ny fivarotany.

Tao anatin'ilay lahatsary dokambarotra navoaka voalohany tao amin'ny pejy Facebook-ndry zareo tamin'ny 9 Aprily 2021, hita mitsambikina eny ambonin'ireo sezalava sy farafara ireo ankizivavy kely roa, na miara-misavily amin'ireo seza mihetsiketsika. Arahan'ny feo lafika manao dridralava an'ireo ankizivavy mihira ny hoe  “Mora vidy, tsara kalitao, ny Fanaka Kakoli” amin'ny fiteny Bengali (দামে কম মানে ভালো কাকলি ফার্নিচার!) izay mamerina hatrany am-boalohany ka hatramin'ny farany, izay mety hankaleo ihany koa. Manao maska ireo ankizivavy – mampiseho fa arahan-dry zareo tsara ny torolalana mandritra ilay valanaretina.

Nanomboka teo, olona marobe no nizara ilay lahatsary tany amin'ireo sehatra maro samihafa toy ny Facebook, YouTube, Instagram ary  TikTok, ankoatra ny hafa. Maneho hevitra amin'izy io ny vahoaka, mamorona sary mahatsikaiky ary manaparitaka be azy. Misy lahatsary iray hafa avy amin'ny Kakoli furniture koa niteraka fahalinana ho an'ny daholobe. Tombanan'ireo tatitra hoe mihoatra sahady ny dimy tapitrisa no efa nizaràna ilay lahatsary.

Mr Rana nilaza tamin'ny media fa tsy nandrandrainy ny hoe ho lasa miparitaka be ilay lahatsariny:

আমি বুঝতেও পারিনি বিজ্ঞাপনটি এভাবে ভাইরাল হবে। আমি শখের বসে কাজটি করেছিলাম। এটি আমার প্রফেশন নয়।

Tsy nosainiko mihitsy ny hoe ho lasa miparitaka be io dokambarotra io. Toy ny fanalàna andro fotsiny no namokarako azy io. Tsy asako io.

Tena faran'izay nalaza izany koa ilay lahatsary tany Bengal Andrefana, fanjakana fahefatra lehibe indrindra ao India. Misy vahoaka Bengali maherin'ny 160 tapitrisa ao Bangladesh ary mihoatra ny 97 tapitrisa ny ao India, ary ny fiteny sy ny kolontsaina no mampiray azy ireo saingy zarazarain'ny sisintany.

Md. Soukat Hussain, mpampiasa Twitter avy ao Bengal Andrefana, no  manoritsoritra ny fiantraikan'ireo lahatsarin'ny Kakoli Furniture :

Ny lahatsarn'ny Kakoli Furniture no iray amin'ireo nozaraina betsaka indrindra teo amin'ny tantaran'ny Facebokk Bangla amin'izao andro izao.#kakolifurniture pic.twitter.com/GCaJ7W7pJX

— ?? ?????? ???????|মোঃ শওকাত হুসাইন (@Soukat_Hussain_) 19 May 2021

Sary mahatsikaiky feno  fahaizamamorona

AnandaBazar Patrika, fampahalalambaovao iray malaza amin'ny fiteny Bengali, avy any Bengal Andrefana, maneho hevitra hoe toy ny misy “viriosy Kakoli” mamely ireo habaka aterineto. Samy mampiasa ireo sary mahatsikaiky feno famoronana daholo ireo mpisera amin'ny aterineto avy amin'ny firenena andaniny sy ankilany, amin'ny fampiasàna ireo sary avy amin'ny “Mr. Bean“, “The Shining” na mozika avy amina lahatsary mampihoron-koditra. 66.000 ireo mpanjohy nanao ‘Tia’ ireo sary mahatsikaiky nalefan'ireo mpisarikevitra toa an'ilay mpilalao sarimihetsika Ritavari Chakrabarti avy any Bengal Andrefana, mpanjohy izay nanosika mafy ny lazan'ilay lahatsary.

Debi avy any Bengal Andrefana mibitsika hoe:

Uff any rehetra any! Tena manelohelo ahy foana ny  #KakoliFurniture  ?? https://t.co/4oEbeSWpvG

— Debi (@WhoDebi) 20 May 2021

Subham Sinha avy any Bengal Andrefana manontany hoe:

Maninona ny olona no manao dokambarotra maimaimpoana ho an'ny fanaka Kakoli  ??#KakoliFurniture

— Subham sinha (@i_subhamsinha) 20 May 2021

Farhana Islam avy any Bangladesh maneho hevitra ao amin'ny Quora:

কালকে দুপুরে দেখি আমার (বড়) বোন কাকলি ফার্নিচার এর ছড়া কাটছে। [..] আজকে দেখি, পরীক্ষার সময় আমার মাথায় কাকলি ফার্নিচার ঘুরছে।

বিজ্ঞাপনটির কোনো বিশেষত্ব নেই,কিন্তু একবার শুনলে কাকলি ফার্নিচার মাথায় ঘুরতেই থাকবে!

Nanao toy ny boloky mamerimberina ny jingle an'ny Kakoli Furniture ny zokiko vavy omaly. [..] Androany, raha iny nipetraka hiatrika fanadinana iny aho, nanakoako tao an-dohako ny tonony.

Tsy misy zavatra miavaka manokana ao anatin'io dokambarotra ireo, saingy raha vao mihaino azy indray mandeha ianao, hanako any anaty lohanao ireo teny (miverimberina).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.