· Novambra, 2017

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Novambra, 2017

Iran : Andiana Tafiodrivotra Nifanesisesy

  16 Novambra 2017

Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, maro ireo tanàndehibe Iraniana any atsimo sy atsimo-atsinanan'ny firenena no nandalovan'ny tafiodrivotra maromaro. Bilaogera Iraniana maro no nitsikera ny fampahalalam-baovao Iraniana noho ny tsy fitaterany azy ireo ka dia namoaka ny lahatsary sy sary antserasera maromaro izy ireo.

Dolara Amerikana, Zon'Olombelona & Ady

  14 Novambra 2017

Miresaka lohahevitra mafana i Mehrangize Kar, mpikatroka ny zon'olombelona, ​​mpisolovava & bilaogera monina any Etazonia: 75 tapitrisa dolara Amerikana manampy amin'ny fampiroboroboana ny demaokrasia ao Iran. Tsy mino izy fa afaka manampy ireo mpikatroka ny zon'olombelona Iraniana ny dolara Amerikana.

Mpanao Gazety Tratran'ny Fanerena & Krizy Nokleary

  10 Novambra 2017

Nilaza i Saminejad’, mpisolovava sady bilaogera voafonja fa nolavin'ny fitsarana ny fampakaran'izy ireo ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony ary tokony higadra mandritra ny folo volana izy. Namoaka izany vaovao izany ny ISNA, Sampan-draharaham-pirenen'ny Mpianatra Iraniana.

Fianjerana Fiaramanidina: Fahatezerana & Alahelo

  08 Novambra 2017

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy) Nisy fiaramanidina mpitatitra miaramila nianjera tao amin'ny distrikan'i Tehrant tamin'ny 6 desambra, nahafaty olona maherin'ny 100, anisan'izany ireo mpanao gazety sy mpitati-baovao maromaro izay tao anatin'ny fiaramanidina. Niezaka nanome tsiny ny mpanamory sy ny fahirano Amerikana ho nahatonga izany loza...

Bilaogy Iraniana: WSIS & Zon'Olombelona

  06 Novambra 2017

Araka ny voalazan'ny Ravi, niresaka momba ny sivana, ny bilaogera voafonja sy ny fanivanana i Atoa Ebadi. Nilaza izy fa  nirahana tany amin'ny fihaonam-be ireo fikambanana tsy miankina an'ny fanjakana mba hampahafantatra tatitra diso.