(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Nilaza i Haji Washington [Fa] fa raha namono olona tany amin'ny oniversite Eoropeana iray ny mpianatra Koreana iray, tahaka ny nataon'ity namana feno hadalana tao Virginia Tech ity, mety hiteraka olana lehibe ho an'ny Aziatika Tatsimo ny fankahalana goavana. Nilaza ity bilaogera ity fa tsy nitranga izany, taorian'io fitifirana io tany Etazonia. Manontany izy hoe: raha Arabo na Miozolomana ilay mpamono olona, inona no mety ho fanehoan-kevitra?