Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Septambra, 2015
Grand Theft Auto Sy Mihoatra izany : Ny Zava-Misy Mampalahelo Momba Ny Fiainana Ao Amin'ny ‘Repoblika Entim-Bahoakan’i Donetsk’
Mampiseho ny tena helo ho an'ny olon-tsotra any amin'ny faritra fehezin'ny mpisintaka amin'ny ilany atsinanan'i Okraina ny tahirin-kevitra navoakan’ny ‘Anonymous International’ tamin’ity lohataona ity.
‘Mihoatra noho ny firaisankina tsotra’: Fanomezana avy ao Portiogaly ho an'ny Syriana mpialokaloka ao Hongria
Misy valalamanjohim-piara firaisankina handray fanomezana avy ao Portiogaly hoan'ny mpitsoa-ponenana ao Hongria. Natsangan'ny vondron'olompirenena iray nanome anarana azy ho Valalamanjohy Aylan Kurdi ny fisantaran'andraikitra ho fanomezam-boninahitra azy.
Raràn'ny Rosia Ny Fandefasana Ny Lahatsarin'ilay Fehinteny Mirehidrehitra Nataon'ny Lehiben'ny Mpanohitra Tao Amin'ny Efitrano Fitsaràna
Andiana lahatsary maromaro miresaka politika ao amin'ny Yuotube ary manasongadina ny antso ho fikatrohana hanohitra an'i Putin no noraràn'i Rosia tsy ho azo alefa. Indrindra indrindra, noraràn'ny manampahefana ireo lahatsary avy amin'ilay lehiben'ny mpanohitra misy ny fehinteny nanambaràny nandritry ny raharaham-pitsaràna azy
Fefen'ny mpikatroka Makedoniana ao anaty fihetsiketseham-panoherana ny Governemanta
Entin'ny mpikatroka ihany koa ireo hafatra manasongadina tsonga maro tamin'ny fihainoana miafina fandraisam-peo tsy ara-dalàna naporitsaky ny mpitarika ny fanoherana tao anatin'ny volana vitsivitsy, izay nahazo anaram-bositra hoe "baomba" ao Makedonia.
Nanjohy ny fitakiana hamantarana ny itoeran'ny rakitahiry ny Apple ka nanofa habaka foibem-pitehirizana rakitahiry ao Rosia
Nanapa-kevitra ny Apple hanaja ny lalàna rosiana famantarana ny itoeran'ny raki-tahiry ary nanofa habaka fitehirizana raki-tahiry iray miorina ao Rosia, hoy ny fampitam-baovao ao an-toerana.
Aotrisiana Sy Alemà An-jatony Miarahaba Tonga Soa Ireo Mpitsoa-Ponenana Avy Any Hongria
Amin'ny tehaka no andraisan'ireo Aotrisiana sy Alemà izay mitondra, tsy ny hatsaram-panahiny ihany, fa mitondra sakafo, rano madio mahasalama ary kilalao ihany koa ao amin'ny gara ireo mpitsoa-ponenana mamakivaky an'i Aotrisy ho any Alemaina.
Polisy Serba Sy Zazalahy Siriana Velon-tsiky: Mampiseho Amin'i Eoropa Ny Nandraisana Am-pifaliana Ireo Mpitsoa-ponenana
Sary iray ahitàna polisy Serba mitrotro zazakely Siriana iray no nahazo dera avy amin'ireo mpampiasa media sosialy ary antenain-dry zareo mba ho fihetsika arahan'ireo polisy hafa koa
Tranonkala Mitovy Endrika Amin'ny ‘Mortal Kombat’ Entin'ireo Rosiana Mpikatroka Mafàna Fo Hiadiana Amin'ny Kolikoly Monisipaly
Rosiana mpikatroka mafàna fo mametraka ady ety anaty aterineto hanoherana ireo manampahefana mpanao kolikoly, amin'ny endrika "Mortal Kombat"
Tanora Stalinista manimba ny endriky ny tsangambato vaovaon'ny ‘mpamadika’ Aleksandr Solzhenitsyn
Tanora Stalinista iray monina ao Vladivostok no nanova endrika ny tsangambatin'ilay mpanoratra hanazo loka Nobel antsoina hoe Aleksandr Solzhenitsyn, tamin'ny fanantonana sora-baventy mivaky hoe “JODASY” nampiambozonana an'i Solzhenitsyn.
Dia Miaraka Amin'ireo Mpitsoa-ponenana Mamakivaky An'i Hongria Ho Any Eoropa
Arakaraky ny nitomboan'ireo takelaka be fampielezankevitry ny governemanta hanoherany ny antsoiny hoe 'mpifindra monina' sy ny ady atao hanoherana ny mpitsoa-ponenana, nanomboka nifantoka bebe kokoa amin'ny olan'ny mpitsoa-ponenana tsy voafehy ao amin'ny firenena ireo media Hongroà mpamoaka vaovao