· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jolay, 2018

Iran: ny angano sy ny marina momba ny Twitter

Nankalazain'ny fitantaran'ny haino aman-jery iraisam-pirenena momba ny hetsi-panoherana Iraniana nandritra ireo herinandro vitsy lasa ho toy ny fitaovana hikarakarana sy hitaterana momba ny hetsi-panoherana ny 'herin'ny Twitter', saingy nisy vokatra tsara sy voka-dratsy ny fiankinan-doha tamin'ny Twitter tamin'ity krizy ity.

Arzantina: Ny fitrohana hira sy ny fanodikodinam-baovao

  04 Jolay 2018

(Marihina fa tamin'ny 25 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy) Nampahafantatra tamin'ireo mpamaky ny gazety tao Arzantina fa nanao fifanarahana tamin'i CAPIF, ilay orinasa misolo tena ireo orinasan'ny famokarana hira ao Arzantina ireo mpisera aterineto sasany mba handoa vola ho onitr'ireo hira nalain'izy ireo tsy ara-dalàna tao amin'ny aterineto. Asehon'izany...

Rosia: Mampihisatra ny fandrosoan'ny hafangainam-pandehan'ny aterineto ny manampahefana eo an-toerana ao Kraskovo

Nivory tao Kraskovo, tanàna kely akaikin'i Moskoa ireo Rosiana mpikatroka, mba hitaky ny fitomboan'ny hafangainam-pandehan'ny Aterineto ary hanohitra ny ampihimamban'ny mpanome tolotra aterineto. Niresaka momba ireo fitsipika tsy voafetran-dàlana izay mampihisatra ny fivoaran'ny fidirana amin'ny aterineto malalaka ao amin'ny firenena ihany koa ireo mpikatroka .