Zeorzia: Napetraka ny New Media Forum, nisy ny tafatafa tamin'ireo bilaogera

(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)
fb
Taorian'ilay New Media Forum vao haingana, nivoaka an-gazety teo an-toerana ny hetsika natao ho an'ny mpianatra sy ny matihanina amin'ny media tao Tbilisi, Zeorzia. Na dia tara mihoatra ireo mpifanolo-bodirindrina ao atsimon'i Kaokazy aza,  mihamitombo ny fahalianana amin'ny tontolon'ny aterineto ary misy ny marika fa hiova be ny toe-draharaha amin'ny taona 2010, ary indrindra eo amin'ny sehatry ny media sy ny fiarahamonim-pirenena. Georgia Today nitatitra momba ny forum.

Radio Free Liberty journalist Niko Nergadze talked about a blog, which he has been running for over a year. After the lecture, he told Georgia Today that the participants were very active at the forum.

[…]

Nergadze added that forums like these are important for Georgia as new media exists, but is limited.

“Still we are very far from claiming that the Internet and new media have a serious influence on events. But we are heading toward something,” he said.

Ruso Panozashvili, a journalist and another forum participant, agrees with Nergadze about the event's importance.

“The importance of new media is high in Georgia where television and so-called traditional media outlets are strongly controlled,” she said. “This is not good for quality. This is why it is important to develop media with alternative tools, which in this case is new media.”

Niresaka momba ny bilaogy iray izay notantaniny nandritra ny herintaona mahery i Niko Nergadze, mpanao gazetin'ny Radio Free Liberty. Taorian'ny lahateniny, nilaza tamin'ny Georgia Today izy fa tena navitrika tao amin'ny forum ireo mpandray anjara.

[…]

Nanampy i Nergadze fa manan-danja ho an'i Zeorzia ny forum toy ireny satria misy ny media vaovao, saingy voafetra ihany.

“Na izany aza, mbola lavitra be isika raha hilaza fa misy fiantraikany lehibe amin'ireo zava-mitranga ny aterineto sy ny media vaovao. Saingy miroso amin'ny zavatra iray isika,” hoy izy.

Ruso Panozashvili, mpanao gazety sady mpandray anjara hafa tamin'ny forum, miombon-kevitra amin'i Nergadze momba ny lanjan'ny hetsika.

“Ny lanjan'ny haino aman-jery vaovao dia tena lehibe any Zeorzia izay diso fehezina loatra ny fahitalavitra sy ilay antsoina hoe fampahalalam-baovao mahazatra”, hoy izy. “Tsy hanatsara ny kalitao izany. Izany no antony maha-zava-dehibe ny mampivelatra ny media miaraka amin'ny fitaovana hafa, dia ny media vaovao. “

Nanao fampahafantarana tamin'ny hetsika ihany koa ny tonian-dahatsoratry Global Voices any Kaokazy, ary avy eo noresahan'ny Georgia Today ihany koa.

Last week Georgia Today published a story about Media Forum, an event that took place last week in Mtatsminda Park. This week we offer an interview with Onnik Krikorian, a British-Armenian journalist and photographer based in Armenia, the Caucasus editor for Global Voices Online, and the Armenia editor for Oneworld.net. During the New Media Forum he presented the Global Voices Web site and talked about the importance of new media in the Caucasus.

Ny herinandro lasa teo, namoaka tantara momba ny Media Forum, hetsika iray natao tamin'ny herinandro lasa teo tao amin'ny Mtatsminda Park ny Georgia Today. Amin'ity herinandro ity, hitafatafa amin'i Onnik Krikorian, mpanao gazety britanika-armenianina sady mpaka sary monina ao Armenia, ny tonian-dahatsoratra Kaokazy ao amin'ny Global Voices, ary ny tonian-dahatsoratra Armenia ao amin'ny Oneworld.net isika. Nandritra ny New Media Forum, nampahafantatra ny tranonkalan'ny Global Voices izy ary niresaka momba ny lanjan'ny fampahalalam-baovao vaovao any Kaokazy.

Tamin'ny lanonana, nanadihady ireo bilaogera telo, Dodka, Dv0rsky sy Sweet ny Global Voices. Azo jerena antserasera ihany koa ankehitriny ny tafatafa faharoa, tafatafa nataon'ilay manampahaizana momba ny media vaovao Poloney, Jakub Górnicki, izay nanatrika ny forum ihany koa.

Video discussion with Dodie Kharkheli (aka Dodie Kissie, Dodka), Giga Paitchadze (aka Dv0rsky), Mari Talakhadze (aka Sweet) about their blogs, what pushed them into blogging and how blogosphere developing in Georgia and South Caucasus. Show was broadcasted live on October 15th 2009 from Tbilisi.

Adihevitra amin'ny lahatsary miaraka amin'i Dodie Kharkheli (aka Dodie Kissie, Dodka), Giga Paitchadze (aka Dv0rsky), Mari Talakhadze (aka Sweet) momba ny blaogin'izy ireo, inona no nanosika azy ireo hibilaogy ary ahoana ny fandrosoan'ny tontolon'ny bilaogy any Zeorzia sy atsimon'i Kaokazy. Nalefa mivantana tamin'ny 15 Oktobra 2009 avy any Tbilisi ny seho.

http://www.viddler.com/player/c69a00fe/

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.