Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Mey, 2018

24 Mey 2018

Bahrain: Tsinio i Ahmed Zainal!

Misy zavatra hitarainana momba an'i Bahrain? Tsy faly tamin'ny zavatra eo amin'ny fiainanao? Aza mitady lavitra. Omeo tsiny fotsiny Ahmed Zainal! Misy mihitsy bilaogy, vondrona Facebook natokana hanomezana tsiny ny tanora Bahrainita noho ny fahoriana sy ny fahantrana ao amin'ny firenena sy ny lavidavitra kokoa ary ny tenirohy Twitter!

Filipina: Nitory bilaogera ny mpikambana iray ao amin'ny kabinetra

Miatrika fitoriana fanalam-baraka tamin'ny lahatsoratra navoakany tamin'ny volana oktobra ilay bilaogera Ella Ganda. Nilaza i Ella fa ny entana fanampiana ho an'ireo tra-boinan'ny rivo-doza dia angonina ao amin'ny trano fitehirizan'ny governemanta ao amin'ny Departemantan'ny Fiahiana Ara-tsosialy sy ny Fampandrosoana (DSWD)..

22 Mey 2018

Orogoay: Mampiely ny Karnavaly manerantany ny aterineto

Noho ny aterineto sy ny media sosialy, fa azon'ny Orogoaiaina monina ivelan'ny firenena atao ny mijery ny karnavaly ary azon'ny mpizahatany latsa-pitiavana amin'ity fankalazana maharitra efapolo andro ity koa ny mijery izany.

Tontolo Arabo: nomena voninahitra tamin'ny alàlan'ny Google Doodle sy Twitter i Ibn Khaldoun

Heverina ho toy ny mpanoratra sady mpahay tantara Arabo lehibe indrindra, teraka tamin'ny taona 1332 tany amin'ilay antsoina ankehitriny hoe Tonizia ilay filôzôfa Ibn Khaldoun. Fantatra amin'ny maha rain'ny tantaran'ny kolontsaina sy ny siansa ara-tsosialy maoderina azy ihany koa izy.

21 Mey 2018

Malezia: Hita Amin'ny Lahatsary Amin'ny Finday Ny Fanararaotam-pahefan'ny Mpitandro Filaminana

Zon'olombelona an-tsary

Rehefa nanomboka nanaiky ny tatitra momba ny heloka bevava nalefan'ny olom-pirenena tsotra avy amin'ny findainy ny mpitandro filaminana maleziana, dia tsy nampoiziny fa indray andro any....

20 Mey 2018

Lahatsary Ho An'Ireo Jamba

Ankehitriny vokatry ny teknolojia, tsy hisy intsony atsy ho atsy ireo sembana amin'ny fahitàna sy fandrenesana ho voahilikilika noho ny tsy fahafahany mampiasa solosaina.

18 Mey 2018

Armenia – Azerbaidjana : Tanora Bilaogera Mamita Iraka Hameno ny Hantsana Jeopolitika

Tiako ny mifandray aminà olona samihafa. Isan'ny antony fototra nisoratako amin'ity tetikasa ity, dia ny hahita namana betsaka ato aho, ary mba hianatra lalindalina kokoa ny tsiambaratelon'ny media. Tia mamaky lahatsoratra momba ny kolontsain'ny firenena hafa aho. Mino aho fa hahay zavatra betsaka avy amin'ity tetikasa ity.

Libanona : Fiarahamonina Sy Fifanoherana

Misy karazana fo samihafa: vita amin'ny vy, vita amin'ny fingotra, vita amin'ny kristaly. Iza amin'ireo no tianao hanànana ?

Paragoay : Trano Vita Amin'ny Voatavomonta sy Plastika

Karazana voatavomonta afaka afangaro plastika dia hanjary ho akora fampiasa amin'ny asa fanorenana trano. Misy hamahànana, hitazonana ny fahasalamana, ary hiantohana ny famokarana tantely avy amin'ny tohotra ihany koa

17 Mey 2018

Goadelopa : “Nibolisatra” Ny Polisy ?

...raha tokony hampitonitony, dia lasa ilay fanadihadiana indray no loharanon'ny ampahan-tantara iray vaovao mahabe resaka [...] Nizara ity vaovao ity ihany koa ireo mpampiasa Twitter sy Facebook, hatramin'ireo sary, niampanga ampahibemaso sahady ity raharaha ity ho "hadisoana goavana / fibolisarana"