Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2011

Global Voices Podcast: Fihaonambe Fahatelon'ireo Bilaogera Arabo – Ampahany 1

Ho fanampin'ny podcast fametrakay isam-bolana, manana feo manokana ho anareo izahay, avy any amin'ny Fihaonambe fahatelon'ireo Bilaogera Arabo, izay vao nifarana tao Tonizia. Anatin'ity famoahana ity ireo tafatafa niarahana tamin'i : Lilian Wagdy, Yazan Badran, Nasser Weddady, Marek Tuszynski, Jillian York, Saed Karzoun, ary Malek Khadraoui.

Afrika : R.I.P Steve Jobs, Ho Banga Anao Izahay

Ilay mpiara-manangana, mpitantana, ary tale mpanantanteraka ao amin'ny Apple Inc.Steve Jobs dia nodimandry ny 5 Oktobra 2011. Bilaogera maro no nanokana fotoana nanehoana fankasitrahana sy fahatsiarovana ny zava-bitany teo amin'ny tontolon'ny teknolojia.

Polonina: Hetsika Facebook Manindry Ny Mpanao Politika

Nandritra ireo roa volana lasa, nisy hetsika iray tao amin'ny Facebook nantsoina hoe “Appeal to parliamentarians” [pl], na "Antso ho an'ireo Parlemantera", izay nanana mpanjohy maherin'ny 60.000, nanangona vaovao avy eny ifotony mba hanatsaràna ny tontolon'ny lalàna Polone. Aty alohan'ny 9 Oktobra 2011, fifidianana izay ho parlemantera, nanolo-kevitra an'ireo antoko...

Mametraka an-tsarintany ny tondra-drano any Thailandy

Amin'izao fotoana anoratana izao, 252 no efa maty ao Thailandy noho ny oram-batravatra naharitra roa volana izao. Faritra maro ao Bangkok, renivohitry ny firenena, no efa difotry ny rano tondraka. Natsangana ny Sarintany An-tserasera hanaraha-maso ny fizotry ny tondra-drano sy hampilaza ny olona izay mety ho fiitatry ny voina.

Kolombia: Fanazarantenam-Pirenena Voalohany Hiatrehana Fahamehana

Ny marainan'ny 5 Oktobra 2011, dia nanatontosa Fanazarantenam-Pirenena Voalohany Hiatrehana Fahamehana [es], andraisan'ny tanàndehibe 14 anjara i Kolombia. Ny Hevitra moa dia hoe misy voina (horohorontany) ka ajoro ny dingana fanentanana ny olona amin'ny andraikitra tokony raisiny raha misy voina tena mitranga tokoa.

Tonizia: Bilaogera Arabo Niresaka Momba ny Toe-draharaha ao Syria

Notsarovana sy noresahan'ireo mpandray anjara marobe manokana i Syria tamin'ny Fihaonan'ny Bilaogera Arabo andiany fahatelo tao Tonizia tamin'ity herinandro ity. Tsy nolazaina firy tamin'ny adihevitra momba ny Syria ny fifaliana nateraky ny revolisiona tao Tonizia sy Ejypta, izay ahitana ny fitomboan'ny herisetra ataon'ny fitondrana,  mananika ny 3000 ireo namoy ny ainy, kanefa...

Tontolo Arabo: Mandria Am-piadanana Steve Jobs

Misaona ny tontolo Arabo noho ny fahafatesan'i Steve Jobs , mpitarika manana vina ao amin'ny orinasa Apple. Mameno ny valantserasera ny Fanomezam-boninahitra azy ary taitra tamin'ny torimasony ny mpiserasera raha nandre ny vaovao. Avy any Arabia Saodita, Aziz Shalan ni-tweet hoe: شكراً ستيف، ماقدمتة لنا ليس منتجات ربحية، بل فرصة لتغير...

Jordania: Ao Amin'ny Twitter ny Printsy Hassan!

Ao amin'ny Twitter koa izao ny Printsy Jordaniana Hassan, faran'izay nahafaly Jordaniana maro mpandefa bitsika. Mijery akaiky ny fanehoan-kevitr'ireo Jordaniana mpandefa bitsika i Ali Alhasani .

Shina: Ny Sandan'ny Fitetezana Habakabaka

Kihondalana amin'ny hazakazaka hitety habakabaka indray ny fandefasan'i Shina tamin'ny herinandro lasa ny Tiangong-1 tobin-danitra azo onenana, iray amin'izay tokony atahoran'ny rehetra. Indrindra fa ny Aziatika mpiara-dia amin'i Etazonia, mazava? Iray amin'ireo tsy mitovy hevitra amin'izany filazana izany i Jiang Feng, tonia lehiben'i gazety miteny shinoa any Japana Taranaka-Shinoa-Vaovao Ampitan-dranomasina; ao...

Fihaonan'ny Bilaogera ao Tonizia Andian'ny Fahatelo

Nisokatra tamin'ny Alatsinainy 3 oktobra tao Tonizia ny Fihaonana fahatelo ny bilaogera arabo, valandresaka no nisantarana izany. Niara-nikarakara ity fihaonana ity ny Global Voices, Nawaat sy ny fikambanana Heinrich Böll ; teo amin'ny bilaogera an-jatony teo izay saiky avy amin'ny firenena Arabo no nandray anjara tamin'izany. Mazava ho azy, fa voatantara betsaka tamin'ny...