Jordania: Ao Amin'ny Twitter ny Printsy Hassan!

Ao amin'ny Twitter koa izao ny Printsy Jordaniana Hassan, faran'izay nahafaly Jordaniana maro mpandefa bitsika. Zanakalahin'ny Mpanjaka Talal sy ny Mpanjakavavy Zein al-Sharaf izy ary rahalahin'ny Mpanjaka Hussein sady dadatoan'ny Mpanjaka  Abdullah II.

Ity Jordane taranaka mpanjaka ity, Printsy mpandova fanjakana nanomboka tamin'ny 1965 hatramin'ny 1999, no fahatelo amin'ny fianakavian'ny mpanjaka niditra ao amin'ny Twitter. Ny olona ambony hafa koa, fianakaviany, toy ny Mpanjakavavy Noor Al Hussein, ny vady navelan'ny Mpanjaka Hussein, ary ny Mpanjakavavy Rania Al Abdullah, ny vadin'ny Mpanjaka Abdullah.

Be mpitia ny  Printsy Hassan eo anivon'ireo Jordaniana mpibitsika, izay nibitsika momba ireo fisehoany tamin'ny fahitalavitra sy rehefa izy miresaka amin'ny vahoaka. Ankehitriny dia nanao dingana lehibe izy ka nanatevin-daharana ny Twitterati Jordaniana.

Mibitsika ny antony mahafaly azy mahita ny Printsy Hassan nanatevin-daharana ny Twitter i akrumidrees:

لأنك ترى رجلا يستحق الإحترام يعي ما يقول ويواكب روح العصر ونهجه المعرفي تركة للأردن بأكمله

Satria olona mendri-panajàna no tojo anao; fantany izay lazainy ary maharaka tsara ny toetsain'izao vaninvandro izao sy ny fahalalàna. Tombony lehibe ho an'i Jordania izy.

Nialoha ny nisehoany tamin'ny AmmanTT (Amman Tech Tuesdays) izay tokony nanoloran'ny Printsy fandaharana iray mikasika ny  “Fitohizam-pahefana, Famoronana ary Fanovàna: Fanorenana toekarena miorina amin'ny Fahalalàna,” noforoniny  ny kaonty  Twitter-ny (@HRHPrinceHassan), izay nahasarika mpanjohy an-jatony tanaty ora vitsy monja

 

Prince Hassan's official Twitter account

Nanambara ny Printsy tao amin'ny  pejy Facebook-ny ofisialy fa nirotsaka ao amin'ny tontolon'ny Twitter izy:

KA izao, taorian'ny nahenoako sy namakiako zavatra betsaka mikasika ny twitter, tsy naharitra fa nanokatra kaonty iray aho… ka dia raiso an-tanandroa e: https://twitter.com/#!/HRHPrinceHassan @HRHPrinceHassan

Rehefa nanjohy azy ny Printsy Hassan, dia hoy YazAmro nibitsika:

Tsy mbola naharay mailaka manan-danja noho ity mihitsy aho: (HRH Printsy El Hassan (@HRHPrinceHassan) dia manjohy anao ao amin'ny  Twitter!) Andriamanitra anie hitahy anao ry  YRH.

wara23inab koa dia faly, hoy izy nibitsika:

Miarahaba anao amin'ny fo feno haravoana ry Andriamanjaka @HRHPrinceHassan, tena tretrika tokoa manana tombony afaka mifampiresaka aminao amin'ity habaka tsy hita maso nefa mifanakaiky ity.

RHammouri niteny hoe:

Zava-dehibe ny fahafahana mamaky ny eritreritrao eto ry andriamanjaka, manome dikany lalim-paka ny twitter izany, misaotra anao tompoko.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.