Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Janoary, 2011

12 Janoary 2011

Nisy niditra an-tsokosoko ny Twitter sy vohikala ofisialin'i Korea Avaratra

Nisy fanafihana amin'ny aterineto nipoaka teo amin'i Korea Atsimo sy Korea Avaratra. Natomboky ny mpampiasa aterineto Koreana Tatsimo iray namoaka tononkalo manevateva mikasika ny fianakavian'i Kim tao amin'ny vohikala ofisialin'ny Korea Avaratra Uriminzokkiri, ary dia novalian'i Korea Avaratra tamina fanafihana DDOS. Androany, dia namely ny kaonty twitter ofisialin'i Korea Avaratra...

11 Janoary 2011

Korea Avaratra: Mitombo ny Fitarainan'ny Vahoaka

Rosia: Jery todika ny aterineto 2010

Akon'ny RuNet

Nanasongadina fironana manan-danja maro ny aterineto Rosiana ny taona 2010. Nitombo haingana niaraka tamin'ny olona nahazo vaovao malaky amin'ny aterineto sy tena mavitrika amin'ny fampiasana tambanjotra sosialy ny mpanaraka amin'ny aterineto. Amin'ny lafiny maro, dia nitondra fankatoavana ny tanjaky ny aterineto teo amin'ny fiarahamonina Rosiana ny taona 2010.

Rosia: Tetikasa Ushahidi mitatitra ny olan'ny Ririnina Rosiana

10 Janoary 2011

Amerika Latina : tamberina ny taona 2010

Tamin'ny 2010 no nisy horohorontany goavana indrindra namely an'i Chili, filoham-pirenena nandray ny asany, ny filoha any Argentine teo aloha nodimandry tampoka, ny loka Nobel momba ny literatiora nomena ilay terantany avy any Peru Mario Vargas Llosa, ary ny Global Voices nanao ny fihaonana an-tampony tany Santiago, Chili. Andeha hiverenantsika ireny...

Hongria: Fanentanana ho fanamaintisana manerantany

Ireo olon-tsotra mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra dia miezaka mitazona ny haavon'ny fandrakofana iraisampirenena amin'ny alalan'ireo fitaovam-pifandraisana ao amin'ny aterineto. Vondrona iray antsoina hoe Blackout for Hungary (Haizina ho an'i Hongria) no nanainga fanentanana iray maharitra 24 ora nanomboka tamin'ny 5 Janoary teo hanoherana ilay lalàna vaovao momba ny media...

06 Janoary 2011

Kolombia: Nandrakitra horonan-tsarimihetsika 1 isan'andro ireo mpitoraka bilaogy an-tsarimihetsika tamin'ny taona 2010

Kolombiana maro mpitoraka bilaogy amin'ny horonantsary mihetsika no nanao fifaninanana amin'ny fanaovana horonantsary iray isan'andro nandritra ny taona 2010. Na dia tsy vita aza izy rehetra, dia ilaina ny mankasitraka ny ezaka nataon'ireo izay irotsaka tamin'ity hevitra lehibe ity.

04 Janoary 2011

Tonizia: Anonymous vs Ammar – Iza no Handresy Amin'ny Adin'ny Sivana?

Ny Sivana Toniziana, fantatry ny rehetra amin'ny anarana hoe Ammar, dia manohy manafika hatrany ny kaontin'ireo mafàna fo, ao amin'ny firenena noho ny fijoroana vavolombelona amin'ny resaka onjan-panoherana hatrany amin'ny tapaky ny volana Desambra. Androany izao (3 Janoary), mikiaka ireo mafàna fo fa miditra an-keriny amin'ny kaonty mailak'izy ireo ny...