Amerika Latina : tamberina ny taona 2010
Tamin'ny 2010 no nisy horohorontany goavana indrindra namely an'i Chili, filoham-pirenena nandray ny asany, ny filoha any Argentine teo aloha nodimandry tampoka, ny loka Nobel momba ny literatiora nomena ilay terantany avy any Peru Mario Vargas Llosa, ary ny Global Voices nanao ny fihaonana an-tampony tany Santiago, Chili. Andeha hiverenantsika ireny rehetra ireny sy ny tantara hafa koa nitranga tany Amerika Latina ka nitana ny lohalaharaa tany amin'ny media nandritra iny taona iny.
Loza voajanahary
Niharan'ny loza voajanahary ny faritra tamin'iny taona iny. Tamin'ny volana janoary, Juan Arellano nitantara ny ranom-potaka nikoriana tany Cusco, Peru izay nampihitsoka mpizahantany manodidina ny 2 000 teo, sy Juliana Rincón nanaparitaka sary mihetsika nanentana ny mpiray firenena hifanampy.

Taoriana horohorontany tany Chili, 27 febroary – sary avy amin ny Felipe Ovalle ao amin ny Flickr, nahazoana alalana tamin ny Attribution-NonCommercial-NoDerives 2.0 Generic Creative Commons License
Tamin'ny 27 febroary, Eduardo Avila nampiseho tao amin'ny lohanteniny ny horohorontany namely an'i Chili, nitantara fa,
Tamin'ny 3:34 maraina tany an-toerana, horohorontany nahatratra 8,8 amin'ny fandrefesana no namely ny sisintany Maule any Chili. Heno hatrany an-drenivohitra izay miala 325Km avy eo amin'ny foibeny izany horohorontany izany.
Pejy manokana no namboarina hanangonana ireo tatitra nomen'ny olona sy ny tantara rehetra navoakan'ny Global Voices stories, tahaka ny soratra nataon'i Felipe Cordero mikasika ny tsy fitoviana ara-tsosialy nateraky ny horohorontany sy ny tatitra nataon'i Silvia Viñas momba ny Mapuche nasian'ny horohorontany.
Tamin'ny May, nipoahan'ny volokano izay nifoha tampoka tany Pacaya i Guatemala ary orambe niharo tafiotra nentin'ny rivo-doza Agatha no namely an'i Mexique ka niteraka tondra-drano tao amin'ny fanjakan'i Veracruz sy Tabasco tamin'ny septambra. Tamin'ny novambra, ny rivo-doza Thomas namely an'i Costa Rica.
Sarotra ny ririnina tamin'iny taona iny. Ilay mpanoratra Catalina Restrepo nanoratra momba ny tondra-drano tany amin'ny faritra avaratra Chocó , ary nampahafantatra antsika ny firaisan-kinan'ny vahoaka any Colombie tamin'ny “Twitterathon” [es] nanangonana fitaovana ho an'ireo niharam-boina nandritra iny ririnina mafy iny.
Venezuela koa nasian'ny orambe, sy ny tondra-drano ary ny fihotsahan'ny tany tamin'ny faraparan'iny taona iny. Nanjary nivadika politika ny ezaka natao hamonjena –araka ny nitantaran'ny mpitoraka bilaogy sasany azy– tamin'ny alalan'ny fandaniana volavolan-dalàna izay namela ny filoha Hugo Chavez special hijanona eo amin'ny fitondrana hatramin'ny jona 2012.
Politika, Fifandraisana iraisam-pirenena ary fifandirana
Lohahevitra mafana foana ny politika any an-toerana ary tsy afaka tamin'izany iny taona iny.
Niatomboka ny taona tamin'ny fandresen'ny antoko ankavanana misy an'i Sebastián Piñera nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena taorian'ny 20 taona nitondran'ny antoko ankavia nitambatra tamin'ny Concertación de Partidos por la Democracia (Antoko demokratika). Voamarika ny volana vitsy voalohany nitondrany tamin'ny fitokonana tsy nihinan-kanina nataon'ireo terantany avy any Mapuche mikasika ny lalàna tsy fahazoana manao herisetra, sy ny famonjena ireo mpitrandraka saribao 33 tafahitsoka tany ambanin'ny tany tany avaratry Chili.
Tany Uruguay, José Mujica nanohy ny fampiharany ny lalàna nataon'ny antoko ankavia momba ny Frente Amplio(Antoko mivelatra) rehefa nandray ny asany izy tamin'ny 1 martsa.
Ny mpifaninana avy ao amin'ny antoko ankavanana Juan Manuel Santos voafidy hisolo ny filoha Álvaro Uribe tany Colombia. Ilay mpanoratra Julián Ortega nameno ny sorany tamin'ny fifidianana natao ny 30 may tahaka ny hita tao amin'ny media rehetra tany an-toerana –ary indrindra tao amin'ny Twitter– ary rehefa avy eo koa dia namoaka ny fanehoan-kevitry tao amin'ny Twitter nataon'ireo mpitoraka bilaogy tany Colombia .

"Simple things with meaning: physical proof of having participated in the Parliamentary Elections 2010, against the backdrop of the Venezuelan flag because it’s about more than just political parties, I did it and will keeping doing it for my country” Image taken from Flickr user, @Ivanchild. Image used under Creative Common License for non-commercial use.
“Fihetsika tsotra misy dikany: fanaporofoana fa nandray anjara tamin'ny fifidianana solombavam-bahoaka 2010, eo ambanin'ny saina Venezoeliana satria ambonin'ny politika izany, nataoko izao ary mbola hataoko ihany ho an'ny fireneko”. Sary nalaina tao amin'ny Flickr, nahazoana alalana tamin'ny Creative Common License.
Tamin'ny 26 septambra dia nandatsa-bato ny Venezoeliana nanavao ny Solombavam-bahoakany, sampana tokana mpanao lalàna any an-toerana. Juliana Rincón nampiseho tamintsika ireo sary mihetsika nalefa na-terinety izay nampirisihana ny olona handatsa-bato, ary Patricia Acosta kosa nitantara ny mahery fihetsika an-terinety nandritra ny fampielezan-kevitra tany amin'ny twitter. Nasehon'i Patricia antsika taoriana kely ny fanadihadihana sy ny fanehoan-kevitry ny mpitoraka bilaogy nanoloana ny vokam-pifidianana.
Andro vitsy taorian'ny nifidianan'i Venezuela ny solombavam-bahoakany, ny 30 septambra tany Equateur, ny fitokonan'ny polisy niteraka savorovoro sy fifandirana raha nikasa hanome lanja manokana iny andro iny ny vahoaka tany an-toerana. Global Voices nanamboatra Pejy manokana nahitana lahatsoratra vitsivitsy nosoratan'ny mpanoratra toa an-dry Paulina Aguilera sy Milton Ramirez.
Fisehoan-javatra hafa koa no nisy tany Argentine, satria maty tampoka ny filoha teo aloha Nestor Kirchner vokatry ny fijanonan'ny fony tamin'ny oktobra.
Tany Amerika Afovoany, fifadirana teo amin'i Costa Rica sy Nicaragua nandritra ny asa fanadiovana y renirano San Juan River, izay niteraka fifamaliana teo ami'ny roa tonta. Ny mpanoratra avy any Costa Rica Roy Rojas no nanomboka ny fanehoan-kevitra tao amin'ny lahatsoratra nanehoana ny hevitry ny mpitoraka bilaogy any Costa Rica, sy ilay mpanoratra avy any Nicaragua Rodrigo Penalba izay mbola manohy hatrany ao amin'ny lohantenin'ny pejiny miaraka amin'ny soratra andiany faharoa (Jereo eto andiany faharoa) amin'ny fifandirana.
Any amin'ny farany avaratra, ireo mpifindr amonina mankany Etazonia nanakoako eran-tany nandritra iny taona iny, satria vatana mangatsiaka 72 no hita tamin'ny 23 aogositra.
Any Mexique, herisetra mifangaro amin'ny zavamahadomelina no resabe tamin'ny media tany an-toerana nandritra ny taona. Ohatra amin'izany, Juliana Rincón nanoratra:
Ny resaky ny mpitoraka bilaogy any Mexique milaza raha toa ka ny fanehoana ny sary mihetsika alefan'ny olona na ny fanehoana salan'isa no vahaolana amin'ny lazain'ny sasany fa herin'ny media hanafenana ny resaka zavamahadomelina izay fototry ny herisetra na lalana iray ihany izany hambolena tahotra sy horohoro.
Any Mexique ihany, ny fihaonana faha 16 ny Firenena Mikambana momba ny fiovan'ny toetr'andro natao tany Cancun ny 26 novambra hatramin'ny 10 desambra. Ilay mpanoratra Meksikana Andrea Arzaba nahita fa ny fifanarahana momba ny toetr'andro dia solon'ny Fankatoavana y volavolan-dalana. Andrea nanoratra mikasika ny the asan'ireo vaomiera hafa sy ny fehiny taorian'ny fihaonana.
Kolontsaina
Hita tao amin'ny Global Voices koa ny faritra nanan-karena kolontsaina tamin'iny taona iny. Ilay mpanoratra Meksikana Issa Villarreal nampiaraka ny andian-tsoratra telo mikasika ny soratra eny amin'ny rindrina sy ny zavakanto an-tanàn-dehibe any Amerika Latina. Ny faran'ny taona, ny mpanoratra avy any Venezuela Laura Vidal nitarika antsika hiditra ao amin'ny tontolon'ny boky an-tsary any Venezuela sy ny fisian'izy ireo an-terinety.

Mario Vargas Llosa at the Cervantes Institute in New York on October 7, 2010, after the announcement that he had received the Nobel Prize in Literature. Image by Flickr user Globovision, under an Attribution-NonCommercial 2.0 Generic Creative Commons license.
Mario Vargas Llosa tao amin'ny Cervantes Institute tany New York ny 07 oktobra, taorian'ny fanambarana fa izy no nahazo ny loka Nobel momba ny literatiora. Sary avy amin'ny Flickr nampiasa ny Globovision, nahazoana alalana tamin'ny Attribution-NonCommercial 2.0 Generic Creative Commons.
Tany Chili, Isabel Allende nahazo ny loka National Prize momba ny literatiora (loka nasionaly), loka izay heverin'ny sasany fa tara ihany ary koa nonkianin'ny hafa. Fa ny tena vaovao lehibe indrindra ho an'i Amerika Latina raha ny resaka literatiora no jerena dia ny loka Nobel, hoy ilay mpanoratra Peroviana Gabriela García Calderón nanoratra:
Tamin'ny alakamisy 7 oktobra, nifoha niaraka tami'nny “vaovao lehibe indrindra eran-tany” ny Peroviana”: Mario Vargas Llosa no nahazo ny loka Nobel tamin'ny literatiora araka ny fanambaran'ny Swedish Academy.
Silvia Viñas nitantara avy eo ny nandraisana ny loka nanerana an'i Amerika Latina ary Juan Arellano nanoratra momba ny fifandraisan'ny mpanoratra amin'i Peru.
Taona niainana zava-misy maro iny taona 2010 iny ho an'i Amerika Latina. Nampiaina antsika zavatra tsy fahita firy ny mpitoraka bilaogy tany an-toerana mikasika ireo zava-misy rehetra nanakoako nanerana ny tany ary koa nanokatra ny masontsika hijery ireo zavatra tsy dia asian'ny media sirany loatra. Ato amin'ny Global Voices, hitohy hanome ny feony hatrany ny ekipan'i Amerika Latina amin'ity taona 2011 ity.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...