Kolombia: Nandrakitra horonan-tsarimihetsika 1 isan'andro ireo mpitoraka bilaogy an-tsarimihetsika tamin'ny taona 2010

Araka ny notaterina teo aloha teto amin'ny Global Voices, dia  Kolombiana maro mpitoraka bilaogy amin'ny horonantsary mihetsika  no nanapa-kevitra ny hanao horonantsary iray isan'andro nandritra ny taona 2010. Na dia tsy vita aza izy rehetra ireo, dia tena ilaina tokoa ny mankasitraka ny ezaka nataon'ireo izay nirotsaka tamin'ity hevitra lehibe naroson'i Juan Falla ity(@juanfallaesp) (araka izay nazavaina tao amin'ny lahatsoratra teo aloha ao amin'ny Global Voices).

Julián Mauricio (@Profetaloco), iray amin'ireo mpitoraka bilaogy amin'ny horonantsary mihetsika izay nanao ny fifaninanana ary nahavita izany, dia naneho ny valin'ny fanapahan-keviny eo amin'ny Twitter [es]:

3 Kolombianos decidieron terminar el reto #vlog365 ellos son @luisasantiaga @alejandroangel @profetaloco 1 video diario durante el 2011

Kolombiana 3 no nanapa-kevitra ny hamita hatramin'ny farany ny fifaninanana #vlog365 , ireto izy ireo @luisasantiaga @alejandroangel @profetaloco horonantsary 1 isan'andro nandritra ny taona [2010].

Zarainy ihany koa ny fahafahampony tamin'ny nandraisany anjara tamin'ilay hetsika [es]:

CUMPLI EL RETO #VLOG365 con muchas ganas de seguir haciendo videos hay @profetaloco pa rato ¡¡¡ 2010 año del videoblog en españoL ¡¡¡

VITAKO NY FIFANINANANA #VLOG365 , sarotra ny manao horonantsary maro, hisy ny @profetaloco na izany aza!!!taonan'ny bilaogy an-tsary amin'ny teny Espaniola ny taona 2010 !!!

Ity ny horonantsary nataony tamin'ny 18 Desambra 2010 [es] miaraka amin'ny fahitana mahafinaritra ny Cali, Kolombia:

Manazava ny fifaninana nataony tamin'ny horonantsariny farany tamin'ny taona  [es] i Luisa Santiaga (@Luisasantiaga), izay nandrakitra ny horonantsariny avy any Cartagena.

Na dia eo aza ny tvohikalany, Cartagena 365, dia misaotra ireo izay nanaraka ny asany [es] i Luisa ary nanoratra mikasika ny eritreriny hanohy hanao horonantsary:

Gracias por acompañarme y darme todo su apoyo durante todo este 2010.¡Espero su compañia durante el 2011, por que Cartagena365 no se termina! Así que tendrán más de Luisa Santiaga por mucho tiempo jeje.

Misaotra anao nanaraka ahy ary nanohana ahy nandritra ny taona 2010. Mino aho fa hanana anao ho namana mandritra ny taona 2011, satria mbola tsy vita ny Cartagena364! Amin'izay ianao dia hahazo bebe kokoa an'i Luisa Santiaga maharitraritra kokoa hehe.

Mahatsiaro ny horonantsariny voalohany tamin'ny taona 2010 i Alejandro Angel (@AlejandroAngel) :

Año nuevo vida nueva… hace 365 días… http://365.alejandroangel.es/dia-1-ano-nuevo-vida-nueva/ #video

taona vaovao, fiainana vaovao… 365 andro lasa… http://365.alejandroangel.es/dia-1-ano-nuevo-vida-nueva/ #video

Sahala amin'i Luisa Santiaga (@LuisaSantiaga), dia nisafidy ny iray amin'ireo horonantsariny izy hiresahana ny hetsika Tetikasa 365 [es]-n'ny bilaogy an-tsary, izay nirotsahany tamin'ny alalan'ny vohikala Alejandro Angel – Proyecto 365 [es].

Tsy isalasalàna, karazana maro no asehon'ny asan'ireo mpitoraka bilaogy an-tsarimihetsika : ampongabe avy any Karibeana Kolombiana [es] sy tondra-drano noho ny oram-be [es] (Luisasantiaga), ny mialoha ny kaonseritra [es] sy ny tenin'ilay vao avy nahazo diplaoma teny amin'ny fianarana ambony vao haingana [es] (Profetaloco), izany rehetra izany miaraka amin’ny orana tao an-tananan'i Barranquilla [es] ary ny naotin'ny mozikana angorodao[es] na ireo mpihira any Isla de Taganga [es] (AlejandroAngel) no sasany amin'ny horonantsarin'ireo mpitoraka bilaogy nozaraina nandavan-taona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.