Ekoadaoro : Mampiroborobo ny kolontsain'ny indizeny Saraguro

(Lahatsoratra tamin'ny volana Jona 2008)

Fantaro i Angel Gualan. Mirehareha amin’ny maha vondrona indizeny Saraguro azy izy ary nianatra tao amin’ny Oniversite iray teo an-toerana, Oniversite Teknika ao Loja. Tsy momba ny kolontsaina ihany no hanoratany fa momba ny teknolojia izay mahaliana azy ihany koa . Manam-pahaizana izy saingy tsy miditra politika, tahaka ilay Saraguro mpiray tanindrazana aminy antsoina hoe Luis Macas, izay efa nirotsaka ho fidiana filoham-pirenena indray mandeha izy.

Tao amin’ny bilaoginy izay mitondra ny anarana ihany, Angel Gualan, nanazava ny fomba nanombohany nankafy ny teknolojia izy sy ny voalohany nanombohany niditra tao amin’ny fanabeazana :

Cuando yo empece a estudiar era muy pequeño, empecé el Jardín a los 4 años recién cumplidos, todos me decian que era demaciado pequeño de estatura, pero eso nunca me ha impedido seguir adelante, a los 10 salí de la escuela e ingresé de inmediato al colegio, y alos 16 empecé la “U” todo ese tiempo de estudio me ha formado y he adquirido un valor de criterio. Siempre me he vestido como indigena Saraguro, por que soy lo que soy, y no me averguenzo de serlo, aunque algunos chicos y chicas sales a las ciudades y cambian su identidad y quieren aparecer algo que no son…Cuando creé mi blog ya había terminado la U y me parecio impresindible dar a conocer la cultura de los Saraguros, para que asi nos puedan entender mejor.

Mbola tena kely aho raha nanomboka nianatra, nanomboka tao amin’ny sekolin-jaza madinika aho raha vao 4 taona. Nilaza tamiko ny rehetra fa fohy loatra aho, kanefa tsy nanakana ahy hanohy ny fianarako izany , niala ny sekoly fanabeazana fototra aho rehefa feno 10 taona ary niditra nianatra avy hatrany teny amin’ ny lisea Nanomboka nianatra teny amin'ny Oniversite aho ary nahazo fampiofanana sy nahazo fomba fisainana mitsikera aho nandritra ny taona rehetra nianaranay . Nanao fitafy tompotany Saraguros foana aho, satria izany no mari-panondroana ahy ary tsy mahamenatra ahy izany, na dia misy aza ireo ankizilahy sy ankizivavy sasany rehefa any an-tanandehibe no manova ny mari-panondroana azy ireo sy te hiseho amin'ny tsy maha izy azy ireo akory… Efa nahavita ny fianarana teny amin’ny Oniversite aho raha namorona ny bilaogiko ary toa hitako fa nanjary lasa zava-dehibe tamiko ny fampiroboroboana ny kolontsain'ny Saraguros, mba hahafahan’ny hafa mahafantatra bebe kokoa anay.

Ny fampiroboroboana ny kolontsainy no zavatra nataony nandritra ny nanombohany ny bilaoginy tamin’ny volana Jona 2017. Ankoatra izany, namorona bilaogy iray hafa antsoina hoe Yo Amawta izy, na dia tsy nitohy aza izany noho ny fifantohany tamin’ilay bilaogy hafa izay nampiroborobo ny kolontsainy.

Anisan’ny mpikambana ao amin'ny ACOSL (Fikambanam-piarahamonina Andeana Ara-tsosialy ao Loja) i Angel ary nandeha tany Soeda izy amin'ny maha-anisan'ny mpikambana azy ( fizarana I, fizarana II) , ankoatra ny zavatra hafa izay nilazany hoe :

Para la gente del campo es muy dificil salir de viaje y aún mas al exterior, por eso agradezco por los esfuerzos que han realizado las dos organizaciones, y como todo era completamente nuevo para mi, quiero hacer una serie de posts de las experiencias vividas y trabajos realizado durante la estancia.

Ho an’ireo mponina any ambanivohitra, tena sarotra ny mandao sy mandeha any ivelany. Noho izany, feno fankasitrahana aho noho ny ezak’ireto fikambanana roa ireto (FENOCIN, UBV), ary satria vaovao tena vaovao tanteraka tamiko avokoa ny zava-drehetra dia nanana andian-dahatsoratra maromaro momba ny zavatra niainako sy ny asa nataoko nandritra ny fijanonana tany aho.

Ankoatra izany, nianatra ny fomba fananganana orinasa madinika izy tao amin’ny oniversite ary namorona tetikasa, kanastakuna,  izy vokatr'izany izay mbola mila ampahafantarina. Nanolotra vokatra vita avy amin'ny ronono bilojika izay mamatsy (an’i Loja irery ihany) ary vokarina any amin’ny iray amin’ireo vondrom-piarahamonina anisan’ny matanjaka indrindra ao Saraguro, San Lucas ity tetikasa ity.

Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny Saraguro ianao, mandehana ao amin’ny bilaoginy mba hahita ny dikan'ny pampa mesa ohatra na ny fomba hanamboarana ny chicha de jora izay ampiasaina amin’ny El Linche sy ny tena dikan’ny hoe maha-Saraguro :

Un saraguro es un hombre fuerte, frenta a las adversidades, que ha tenido que luchar duro, en su tierra, con sus animales para tener una economía sustentable dentro del hogar (..) Soy Indigena y a mucha honrra, por que asi, lucho contra la privatización del agua, la libertad de expresión, los alimentos transgénicos, toda clase de contaminación, y sobre todo lucho para que este pueblo sea reconocido.

Lehilahy matanjaka ny Saraguro, miatrika fahavalo ary ilay mila miady ho an’ny taniny, miaraka amin'ny biby fiompiny mba hananany toekarena maharitra ho an’ny fonenany (…) Indizeny tena mirehareha aho, ary noho izany, miady amin’ny fisitahan’ny fanjakana amin’ny rano aho, miady ho an’ny fahalalaham-pitenenana, manohitra ireo masomboly nasiam-panovana, manohitra ny karazana fandotoana rehetra ary indrindra indrindra, mitolona aho mba ankatoavana ny vahoakanay.

Ho faranantsika ity lahatsoratra ity amin’ny alalan’ny filazana aminao fa tian’i Angel ilay antsoina hoe chashpishka izay gadon-kira ato amin’ity lahatsary ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.