Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Avrily, 2017
Kintan'ny Media Sosialy Ny Sasany Amin'ireo Tranom-baovao ao Ghana, Raha Nandalo Fotsiny Ny Hafa
Nanadihady ny fampiasana media sosialy eo amin'ireo gazety, fahitalavitra sy radio ny tatitra telo volana voalohany momba ny Tondro Media Sosialy 2017, navoakan'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa Penplusbytes.
Sary Miloko Mampiseho Ny Ady Teo amin'ny Tafika Amerikana sy Japoney tao Okinawa Nandritra Ny Ady Lehibe Faha-II
Noho ny tsingerintaona faha- 72 taonan'ny ady tao Okinawa, nanoratra karazana lahatsoratra tao amin'ny Twitter ilay mpikaroka Japoney, Hidenori Watanave, izay mampiseho sary tahiry tamin'ny ady ary nolokoina tamin'ny fampiasana fitaovana rindrambaiko.
Anisan'ireo Orinasa 100 Voalohany Mandoa Ny ‘Hetran'ny Google’ Ao Rosia Ny Facebook
Tamin'ny Alahady, nitatitra ny gazety Vedemosti fa handoa ao Rosia ny antsoina fatratra hoe "hetran'ny Google " ny Facebook, izay 18 isanjaton'ny hetra fanampiny (TVA) amin'ny orinasa vahiny mivarotra votoaty elektronika ao Rosia
Azony ny Fandehanana ho Eny An'Habakabaka Saingy Tsy Afaka Mivezivezy Malalaka Ety An-tany Izy
"Miezaka fotsiny aho mba ahafantarako ny fomba tsara indrindra handravana ny fanilikilihana milaza fa mpampihorohoro avokoa ny olona Miozolomana rehetra."
Satria Mihamafy Ny Fihetsiketsehana, Voakenda ny Fahitalavitra Antserasera sy ny Tranokalam-baovao ao Venezoelà
Tsy azo nidirana nanomboka ny marainan'ny 7 Aprily ny tranonkala fantsona fahitalavira maromaro izay nandefa ny fihetsiketsehana tao Caracas.
Voamariky ny Fanapahana Tranonkala sy Fiatoan'ny Twitter ny Fifidianana Ekoadaoriana
Nahatsikaritra fihenana tampoka tamin'ny fidirana amin'ny tranonkalan'ny mpomba ny mpanohitra ireo vondrona mpiaro ny zon'ny fampitam-baovao ny harivan'ny androm-pifidianana.
Miketrika Hamantatra Hafatra WhatsApp sy Facebook Faikany ny Teknisianina Ambony Indiana
Maro amin'ny mpisera vaovao no tsy mbola mahay manavaka ny loharanom-baovao tena izy sy ny faikany na mpisompatra.
Nanome Fitaterana Maimaimpoana Ny Mpamily Fiarakaretsaka Sy Ny Olon-tsotra Taorian'ny Fanafihana Tao Saint-Petersbourg
Rehefa voatery nakaton'ny manampahefana ny metro-n'i St. Petersburg noho ny fanafihana, dia nifanampy tamin'ny fomba lehibe ireo mponina tao an-tanàndehibe.
Google Ve No Tena Mahazo Tombony Amin'ny Fifanarahany Amin'ny Kiobà?
Tsy hisy vokany eo amin'ny fandrakofana, ny kalitao sy ny vidin'ny fifandraisana amin'ny Aterineto ao Kiobà ity fifanarahana ity