Tetikasa Fametrahana an-Tsarintany Ifarimbonana ireo Toerana Marefo Indrindra Hanatsarana ny Vonjy Voina

Mijery ny fametrahana mankao amin'ny lohamilina eny an-kianja. CC-BY David Luswata.

Rehefa mihatra ny voina, mety manova tanteraka ny fomba fiasan'ny ekipa mpamonjy voina ny fahazoana mitoky amin'ny torohay voamarina tsara. Manandanja lehibe avokoa hamonjena ain'olona na ny fahafantarana ny toerana onenan'ny olona, ny fomba tsara indrindra idirana na ivoahana ao, ny toerana misy ny rano sy ireo vokatra ilaina andavanandro hafa.

Indrisy anefa fa tsy tafiditra an-tsarintany araka ny tokony ho izy ireo sokajin'olona marefo indrindra fa ireo miaina any ambanivohitra.

Eo ampiasana mba hameno izany torohay “banga” izany ny tetikasa Missing Maps [Sarintany Banga], tetikasa misokatra ho an'ny rehetra, ifarimbonana [naotin'ny mpanitsy: diso ny manoratra hoe ifandrimbonana eto fa misy heviny hafa izany]. Mampiaraka ny asan'ny mpirotsaka an-tsitrapo mandray anjara any lavitra any, ireo mpitarika ny fiarahamonina eny ifotony ary ireo fikambanana mpamonjy tra-boina, mifampitantana amin'ny sehatra OpenStreetMaps ny tetikasa hanangonana ireo lahatahiry voaangona maimaim-poana sy tamin'ny fomba malalaka.

Mandray anjara amin'ny fijerena sary amin'ny zanabolana hamantarana sy hametrahana an-tsarintany trano fanorenana, lalana ary toerana lehibe hafa azo marihina ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerana izao tontolo izao. Manao izany ihany koa ry zareo rehefa amin'ny fotoa-malalaka ho fandraisana anjara amin'ny “map-a-thon” iray nokarakarain'ny Miising Maps. Azon'ny vondrona eny an-kianja mifandray akaiky amin'ireo mpitarika ny fiarahamonina hamarinina avy eo ny torohay azo tamin'ny voalohany.

Tontosaina ao Sierra Leone, Liberia, ary Ginea hametrahana an-tsarintany vondrom-piarahamonina mihoatra ny 7.000 izay tratran'ny valan'aretina Ebola nitranga vao haingana tamin'ny fomba henjana amin'izao fotoana izao ny tetikasan-tsarintany anisan'ny goavana indrindra karakarain'ny Tetikasa Missing Maps. Aorian'io asam-pametrahana an-tsarintany io, dia hanana ny anaran'ny tanàna marina sy ny toerana misy ireo tanànakely ny fikambanana mpanao fanampiana mahaolona, ary hanana ny anjara toerany lehibe izany raha sanatria misy indray ny vonjy voina rahatrizay.

Tetikasa faritra sy vondrom-piarahamonina notsidihana nanaovana tombana vetivety sy fandraketana an-tsarintany amin'ny antsipiriany. CC-BY Vokovoko Mena Amerikana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.