Nanakana Sehatra Media Sosialy Miisa 22 Tao Kashmir Ny Governemanta Indiana

Fandraràna ny media sosialy. Sary namboarin'i Rezwan.

Nanakana fampiharana media sosialy, tahaka ny Facebook, WhatsApp sy Twitter ny manampahefana ao Kashmir tantanin'ny Indiana.

Nilaza ny fanambarana avy amin'ny manampahefam-panjakana nivoaka tamin'ny Alarobia 26 Aprily sy voarain'ny Global Voices fa “nampiasain'ireo vondrona anti-nasionaly sy anti-sosialy tsy araka ny tokony ho izy ny tolotra media sosialy” ao amin'ny Lemaka mba hanakorontanana ny “filaminana sy ny fitoniana” ka mety ho voasakana mandritra ny 30 andro. Hoy ny vakin'ny sombin'ny filazana hoe :

The government hereby directs all internet service providers that any message … through the following social networking sites shall not be transmitted in Kashmir Valley with immediate effect for a period of one month or till further orders, whichever is earlier.

Mandidy ireo mpamatsy tolotra aterineto rehetra ny governemanta fa izay hafatra rehetra… amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy manaraka ireo dia tsy mahazo alefa ao amin'ny Lemak'i Kashmir mandritra ny iray volana na mandra-pisian'ny didy hafa, araka ny mety hitranga voalohany.

Nilatsaka tao anatin'ny fitomboan'ny fitroarana tao amin'ny faritra ny fanapahan-kevitra, indrindra nanomboka tamin'ny herinandro lasa, raha voampanga fa namatotra lehilahy Kashmirita teo anoloan'ny fiaran'ny miaramila ny miaramilan'i India ary nitarika azy manerana ny tanàna maromaro (jereo ny tatitra ato amin'ny Global Voices).

Olom-pirenena Kashmirita sy Indiana marobe no manohitra ampahibemaso ny fandraràna habaka, milaza fa manohitra ny fitsipika fototry ny fahalalahana miteny, izay iantohan'ny lalàmpanorenana ao India izany. Niditra media sosialy izy ireo hanohitra ireo fandràrana ireo. Gowhar Geelani, mpanao gazety nisioka hoe:

Nangidy fanahy tamin'ny fihetsiketsehana manohana an'i Aazadi notarihan'ireo tovovavy sy tovolahy manerana ny Lemak'i Kashmir, naaton'ny governemanta PDP-BJP mandritra ny iray volana ireo tranonkala tambajotra sosialy miisa 22.

Matahotra ny fivoahan'ny marina ao Kashmir ny «demokrasia lehibe indrindra» manerantany ka tsy maintsy nanakana media sosialy mandrindra ny iray volana izy. Manafina ny heloka bevava an'ady!

Nilatsaka tao anatin'ny fitomboan'ny fitroarana tao Kashmir ny fanapahan-kevitra. Nihamafy ny fihetsiketsehan'ny mpianatra, teny an-dalambe sy tao amin'ny media sosialy tao anatin'izay andro vitsy izay, ho fanoherana ny paikady goavana napetraky ny Lalàna momba ny Fahefana Manokana Ho an'ny  Tafika Mitam-piadiana ao India (AFSPA), izay manitatra mazava ny fahefan'ny miaramila ao amin'ny faritra sokajiana fa “mikorontana”. Manome tsy fampiharan-tsazy goavana ho an'ireo manamboninahitra amin'izay fepetra raisin'izy ireo ao amin'ny faritra voatendry. Eo ambanin'ny fifehezan'ny AFSPA nanomboka tamin'ny taona 1992 ny fanjakan'i Jammu sy Kashmir, ary ankehitriny, miaramila maherin'ny 700 000 no naparitaka tao, mahatonga azy ho faritra be miaramila indrindra manerantany .

Vao tamin'ny 9 Aprily, niantso ny tsy handraisana anjara amin'ny fifidianana ao amin'ny firenena ireo mpitarika mpisintaka, izay niteraka fihetsiketsehana sy fifandonana goavana. Nitarika fahafatesana olona sivy izany (jereo ny tatitry ny Global Voices).

Manoratra ao amin'ny EZine Dailyo.in, niahiahy i Angshukanta Chakraborty fa nokendrena tao Kashmir ny media sosialy satria nampiseho ny tantara mifanohitra amin'izay antenain'ny manampahefana Indiana fa aseho :

By presenting the other side to the Kashmir storyline, the locals once again were able to own for a while what constitutes the highly complex and conflicted Kashmir narrative, something that made the government extremely uncomfortable, and it was left without a moral high ground.

Amin'ny fanehoana ny lafiny hafa amin'ny tantara ao Kashmir, afaka naneho nandritra ny fotoana kely ny hasarotry ny tantara sy ny fifandirana tena sarotra ao Kashmir ny mponina ao an-toerana, izay nahatonga ny governemanta ho tsy tafatombin-toerana, ary tsy nisy tokontanin'ny maoraly ambony izany.

Manakana ny media sosialy mba hanampenam-bava ny lahateny “anti-nasionaly”

Na dia notampenan'ny governemanta aza ny aterineto sy ny sehatra tranonkala miafinafina ao amin'ny lemak'i Kashmir, ary somary matetika mihitsy aza tamin'ny lasa, tsy mahazatra azy ireo ny manakana sehatra media sosialy manerana ny faritra marobe tahaka izao mba hanakanana ny fihetsiketsehana. Matetika ny governemanta Indiana mampiasa ny lahateny “anti-nasionaly” mba hanadihadiana ireo mpitsikera ny politikany, na izany mpamokatra sarimihetsika, mpikatroka, na ONG.

Ankoatra ny WhatsApp, Facebook sy Twitter, mikendry ireo sehatra Shinoa tahaka ny QQ, Baidu sy WeChat ao amin'ny Lemaka ihany koa ny fandraràna. Voaràra ihany koa ny QZone, Google Plus, Skype, Pinterest, Snapchat, YouTube, Vine ary ny Flickr.

Ity ny tahadikan'ny didy navoakan'ny governemanta, manakana ny Facebook, WhatsApp, twitter sy ny fampiharana hafa ao Kashmir

Araka ny vaovao avy amin'ny Foiben'ny Lalàna misahana ny Fahalalahan'ny Rindrambaiko ao Bangalore, nahitana fanakatonana aterineto miisa 28 tao Jammu sy Kashmir nanomboka tamin'ny taona 2012, ny betsaka indrindra tao amin'ny fanjakana Indiana. Nosakanan'ny governemanta nandritra ny dimy volana ny marika aterineto tamin'ny taona 2016, taorian'ny tabataba mikasika ny famonoana an'i  Burhan Wani, sy lehiben'ny mpikatroka mpanohana ny fahaleovantena izay nitarika fihetsiketsehana goavana manerana ny faritra Himalaya ny fahafatesany.

Mamaritra tahaka izao ny famaritana iombonana momba ny fanakatonana ny aterineto, novolavolain'ireo manam-pahaizana momba ny politikan'ny aterineto sy narindran'ny ONG Access Now misahana ny zo nomerika :

An internet shutdown is an intentional disruption of internet or electronic communications, rendering them inaccessible or effectively unusable, for a specific population or within a location, often to exert control over the flow of information.

Ny fanakatonana aterineto dia fanakorontanana iniana atao amin'ny aterineto sy ny fifandraisana elekitronika, ka mahatonga azy ireo ho tsy azo idirana na tsy azo ampiasaina mihitsy ho an'ny mponina voafaritra na ao anatin'ny toerana iray, matetika hifehezana ny fivezivezen'ny vaovao izany.

Mampiseho fanitsakitsahana mazava amin'ny adidin'i India amin'ny zon'olombelona, na izany ao an-toerana na amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana izao fanapahan-kevitra izao. Tamin'ny fanapahan-kevitra noraisina tamin'ny volana Jolay 2016, niampanga mazava ny fanakatonana aterineto ny Vaomieran'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana. Fanapahan-kevitra 32/13, Andininy faha-10 mivaky hoe:

[The Human Rights Council] condemns unequivocally measures to intentionally prevent or disrupt access to or dissemination of information online in violation of international human rights law, and calls upon all States to refrain from and cease such measures.

Miampanga mazava ireo fepetra manakana na manohintohina am-panahy iniana ny fidirana na fanapariaham-baovao an-tserasera [ny Vaomieran'ny Zon'Olombelona], noho ny fanitsakitsahana ny lalàna momba ny zon'olombelona, ka mangataka amin'ireo Firenena rehetra mba hitsahatra tsy handray fepetra tahaka izany.

Miditra an-tsehatra ireo manam-pahaizana sy mpikatroka

Nanazava ny antony maha tsy ara-dalàna ny fandraràna tamin'ny andiana sioka i Pranesh Prakash, Indiana manam-pahaizana manokana amin'ny fampahalalam-baovao sy ny zo nomerika :

3/ Milaza aho fa tsy ara-dalàna izany: (1) s.5(2) amin'ny Lalànan'ny Telegrafy dia tsy azo ampiasaina amin'ny fanakatonana tolotra aterineto rehefa misy ny Lalàna s.69A momba ny Teknolojiam-pifandraisana.

4/ Milaza aho fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana izany: (2) Tsy azo lazaina fa “famerana ara-drariny ” ny fanakatonana sehatra be mpampiasa miisa 22/Andininy faha-19(2).

5/ Manitsakitsaka ny lalàna iraisampirenena izany: (3) Manitsakitsaka ny Andininy faha-19 ao amin'ny ICCPR ity didy ity: Tsy avy amin'ny Lalànan'ny Telegrafy, tsy misy tanjona ara-dalàna, tsy ilaina porofo.

Milaza ny sasany fa tsy hanakana ny fanoherana ny fandraràna:

Tsy maharitra ny fandraràna. Maharitra ny fanoherana

Pikantsary tamin'ny findain'ny mpikatroka #Kashmir taorian'ny fandraràna ny media sosialy.

Niteraka onja vaovao amin'ny fikatrohana antserasera ihany koa ny fandraràna:

Andeha ry namana hanao tenirohy amin'ny fandraràna ny aterineto ao #Kashmir Ampahafantaro amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fampiasana Sioka ny fahamaizinana ianantsika  #KashmirwithoutInternet

Nosakanan'ny governemanta Indiana ny aterineto ao Kashmir, afaka mamaky ny lahatsoratray ao amin'ny rindrin'i Kashmir ianao ankehitriny ary ny lafivalon'i Kashmir no ho randram-baovaonay.

Tamin'ny herintaona, nametraka ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina ry zareo. Tsy nanana sakafo na fitaovana ilaina hafa izahay. Tsy zava-dehibe ny fandraràna ny aterineto. Hanamafy ny tolonay izahay

Tsy fahazoana mivezivezy an-tserasera ao Kashmir. Voaràra ny media sosialy. Dia ahoana koa ny manaraka? Fandraràna ny fantsona fahitalavitra, amin'izay tsy misy vaovao afaka mivoaka ao amin'ny Lemaka?

Tsy mahita antony amin'ny fandraràna kosa ny hafa:

Nisy ny Fanoherana tao #kashmir raha Tsy Nisy ny #Internet ka tsy Hanova Na inona na inona ny Fandraràna ny Media Sosialy
Manohitra Izahay Misy Izahay

Manan-jo hanana ny hevitrao ianao. Tahaka izany koa izahay. Tsy ekena ny fanamarinana ny fandraràna media sosialy, sy ny mody miseho fa lasibatra

Mir Laieeq nanoratra tamin'ny lahatsoratra Facebook hoe:

It hardly matters that they call such raw courage and political clarity as a simplistic expression of “anger” or “recklessness”. More than anything else it has always been the people on the streets who have valiantly decimated the obfuscations weaved by the media wing of the Indian military occupation in Kashmir and this resistance will continue till the dawn of Azaadi (freedom), soon, Inshallah (God Willing)!

Tsy dia zava-dehibe raha nantsoin'izy ireo ho fanehoana tsotra ny “hatezerana” na “tsy fahamalinana” ny herim-po lehibe sy ny fangaraharana ara-politika tahaka izany. Mihoatra noho ny zava-drehetra, misy hatrany ny olona teny an-dalambe nandrava an-kerimpo ny fahamaizinana ataon'ny elatra fampahalalam-baovaon'ny fibodoan'ny miaramila Indiana an'i Kashmir ary hitohy  ity fanoherana ity mandrapaha marainan'ny andron'i Azaadi (fahafahana), tsy ho ela ny Inshallah

Steven Butler, mpandrindra ny Fandaharana Aziatika ao amin'ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety nilaza tamin'ny fanambarana hoe:

The sweeping censorship of social media under the pretext of ‘maintaining peace and order’ will bring neither peace nor order. Such broad censorship clearly violates the democratic ideals and human rights India purports to uphold.”

Sady tsy hitondra fandriampahalemana na filaminana ny sivana tafahoatra atao amin'ny media sosialy noho ny mody filazana fa “mihazona ny filaminana sy ny fandriampahalemana”.Manitsakitsaka mazava ny foto-kevitra demaokratika sy ny zon'olombelona lazain'i India fa hohatsaraina ny sivana goavana tahaka izany.”

Mivaky toy izao ny tatitra ao amin'ny scroll.in:

There might be a legitimate security reason to turn off the internet, but it needs to be vigorously debated in public, with an examination of costs and benefits. Did the SMS ban in its time really reduce stone-pelting? Won’t those who use data services to organise simply move to another platform, leaving those who have adopted the government’s digital India approach helpless? Is this simply authoritarian laziness from a government that has been unable to deliver its promises?

Mety misy ny antony ara-piarovana ara-drariny hanakanana ny aterineto, saingy mila adihevitra goavana ampahibemaso izany, amin'ny fandinihana ny sandany sy ny tombontsoa azo avy aminy. Nampihena tokoa ny fitoraham-bato ve ny fandraràna ny somaiso amin'ny fotoanany? Tsy hifindra amin'ny sehatra hafa ve ireo izay mampiasa tolotra tahiry mba hikarakarana hetsika fotsiny, mamela ireo izay nampihatra ny fomba nomerikan'ny governemanta Indiana ho tsy hanana fahefana? Fahakamoana tsotra izao avy amin'ny governemanta tsy mahavita manaja ny fampanantenany ve izany?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.