Tetikasan-tsarintany Japoney Mandrakitra Ny Fivezivezena Farany Nataon'ireo Niharam-boinan'ny Tsunami 2011

Screenshot of video walkthrough of interactive map of Tohoku Tsunami. Image taken from YouTube.

Pikantsarin'ny lahatsary mampiseho ny sarintany ifarimbonana Tsunami Tohoku. Sary nalaina tao amin'ny YouTube.

Tetikasa fandraketana an-tsarintany vaovao no mamantatra ny fotoana farany niainan'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany sy ny Tsunami Martsa 2011 tao Japana.

Antsoina hoe “Tsy Hanadino Mandrakizay anie Isika: Mandrakitra ny Fivezivezena Farany Nataon'ireo Niharam-boinan'ny Loza Tsunami” (忘 れ な い: 震災 犠 牲 者 の 行動 記録), manadihady ny fotoana farany niainan'ireo olona 1 326 ny tetikasa, izay mifototra tamin'ny tafatafa nifanaovana tamin'ny fianakavian'izy ireo tafavoaka velona.

Ny Zoma 11 Martsa 2011 tamin'ny 2:46 hariva ora ao an-toerana, nisy horohorontany goavana niseho tao amin'ny ranomasina avaratra andrefan'i Japana. Niteraka tsunami goavana ny horohorontany ka nandrava tanàna amorontsiraka maro sy tanàna manamorona ny morontsirak'i Japana mihoatra ny 500 kilaometatra. Ny 11 Martsa, nahafaty olona efa ho 16.000 ny tsunami, ary olona hafa 2 562 no mbola tsy hita ary heverina fa efa maty.

Niaina onja avo indrindra ny prefektioran'i Iwate, miaraka amin'ny morontsirakany misy ny fjords (helodrano) tery izay mety nanome lalana ny herin'ny tsunami, voalaza fa lava be tahaka ny trano misy rihana folo ny onja sasany. Mponin'i Iwate 5 797 no namoy ny ainy na tsy hita popoka vokatry ny tsunami.

Mampiseho ny tena hery sy ny horohoro amin'ny tsunami ny “Tsy hanadino Mandrakizay anie Isika: Mandrakitra ny Fivezivezena Farany Nataon'ireo Niharam-boinan'ny Tsunami”.

Ny tetikasa Tsy Hanadino Mandrakizay anie Isika (忘 れ な い: 震災 犠 牲 者 の 行動 記録) dia miresaka ny dingana farany niainan'ireo olona ireo talohan'ny tsunami namely azy ireo fony mbola velona. Ny tetikasa fandraketana an-tsarintany antserasera dia manome fijery mikasika ny fomba fihetsiky ny olona rehefa mitranga ny loza voajanahary, ary mampanantena hanampy hanatsara ny fomba ahafahan'ny fitondram-panjakana miatrika izany sy manampy amin'ny fanavotana aina.

Azo jerena ato ny pejy misy lahatsary maromaro mampiseho tanàndehibe maromaro ao amin'ny sarintany. Azo jerena ato ny fampiharana feno ny fandraketana an-tsarintany an-tserasera. Amin'ny fampiasana ny tolotra (zavamisy) ankavia, afaka misafidy tanàna manokana sy tanàna manamorona ny morontsirak'i Iwate ny mpiserasera.

Ny teboka manga dia maneho ireo lehilahy niharam-boina, ny teboka mena kosa maneho ny vehivavy. Mampiseho ny lalana noraisin'ireo vahoaka folo minitra taorian'ny tsunami ny fihetsiky ny sary. Ny olona sasany nihazakazaka, ny hafa kosa nandeha an-tongotra, izay manazava ny antony mahatonga ny olona sasany afaka nandeha lavitra kokoa tao anatin'ny folo minitra. Amin'ny alalan'ny fampiasana ny scrollbar (mamerinkorisa amin'ny totozy) eo amin'ny farany ambanin'ny efijery, dia azo atao ny mampandroso na mampiverina ny fotoana.

Screenshot 2016-03-18 at 5.45.42 PM - Display 2

Pikantsary avy amin'ny fitaovam-pandraketana an-tsarintany an-tserasera. Tsy Hanadino Mandrakizay Anie Isika ( 忘れない: 震災犠牲者の行動記録)

Tsindrio eo amin'ny teboka iray sy ny fampahafantarana momba io olona io, anisan'izany ny anarany sy ny taonany, ary aseho ao amin'ny faritra sisiny ankavanan'ny efijery ny fomba nandaniany ny folo minitra farany nivelomany.

Ny teboka tsirairay ao amin'ny sarintany dia misolotena olona namoy ny ainy iray, sy ny fampahafantarana momba azy, ny lalana nalehany sy ny zavatra nataony kosa dia faritana avy amin'ny resadresaka  nifanaovana tamin'ny fianakaviany, izay azo antoka fa niresaka taminy tamin'ny finday nandritra ny fanatonan'ny tsunami.

Maka vaovao ao amin'ny Google Street View ihany koa ny sarintany ka azo jerena ny toerana misy ireo niharam-boina tamin'ny tsunami.

Misy ireo lahatsary maromaro mampiseho ireo tanàna isan-karazany manamorona ny morontsiraka.

Ny tetikasa dia vokatry ny fiarahamiasa amin'ny Oniversite Metropolitana Tokyo sy ny mponiny ao amin'ny studio WTNV, ary ny sehatra fampahalalam-baovao Tohoku Iwate Nippo.

Ny sasany amin'ireo hevitra ao amin'ny tetikasa sarintany dia ahitana fa, na dia naneno nanakoako aza ny fampitandremana tamin'ny tsunami, maro tamin'ireo niharam-boina no namonjy avy hatrany ny toeram-pialofana vonjitaitra voatondro ho an'ny fokonolona (避難所, hinanjo) fa tsy nitady toerana avo, izay azo inoana fa nahafahany kokoa ho tafavoaka velona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.