Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Marsa, 2016
Netizen Report : Miady Amin'ny Facebook Momba Ny Fiainana Manokana Ny Vondrona Eoropeana
Manome topimaso iraisam-pirenena mikasika ireo fanamby, fandresena, ary fironana mipongatra momba ny zo amin'ny Aterineto manerantany ny Netizen Report ao amin'ny Global Voices Advocacy.
Mifampizara Lahatahiry Amin'ny Departemantan'ny Fitaterana Ao Moskoa Ankehitriny Ny Uber
Miaramiasa amin'ny manampahefana ao Moskoa ankehitriny ary mizara ny lahatahirin'ny fivezivezeny amin'ny sampan-draharaham-pitaterana ao an-toerana ny Uber, ilay mirazotra malazan'ny taxi sy be mpanohitra.
Netizen Report: Nosamborina Tao Brezila Noho Ny Tsy Nanomezany Hoan'ny Polisy Ny Lahatahiry WhatsApp Ny Filoha Lefitry Ny Facebook
Nosamborina tao Brezila ny filoha mpanatanteraka ny Facebook, nilaza ny filohan'i Bolivia fa hifehy ny tambajotra sosialy izy, ary kaonty media sosialy miisa 580 kosa no nakaton'i Shina noho ny "famitaham-bahoaka”.
Jery Kely Hoe Ahoana Ny Ampiasain'ireo Tranon'ny Fampahalalàm-baovao Any Ghana Ny Media Sosialy
Penplusbytes, fikambanana tsy mitady tombontsoa any Ghana, namoaka ny Tatitry ny Tondro ny Fampiasàna Media Sosialy voalohany amin'ny sehatry ny media ao Ghana.
Kaody Iadiana Amin'ny Fanorisorenana Tovovavy Ao Kosovo
Manantena ireo nanangana ny fampiharana vaovao, "Mandehandeha An-kalalahana" fa hamaha ny olan'ny fanorisorenana an-dalambe ao Kosovo ilay fampiharana.
Arisiva Nomerika Manampy Amin'ny Fitehirizana Ny Literatiora Aborizinaly Aostralianina
Asongadin'ny arisiva ny endriky ny tantara fahiny hoan'ny ankizy; ny tantara taloha sy taorian'ny fifandraisana tamin'ny vahiny ; ny boky momba ny tontolo iainana, fihazana, raokandro avy amin'ny bozaka, tantara-matoatoa, tantara foronina, tantaran'ny toe-javatra malaza tsaroana, tantara velona, fomba famoronana tantara, ary angano fampitandremana avy ao Northern Territory ao Aostralia.