Taorian'ny 525 Andro Nitànana Azy Ireo Am-ponja , Miaro Ny Tenany Eo Anoloan'ny Fitsaràna Ireo Etiopiana Mpisera Amin'ny Aterineto

Photo-based graphic of Zelalem Workagegnehu by Melody Sundberg.

Sarin'i Zelalem Workagegnehu vita tànana nataon'i Melody Sundberg.

Efa tany am-ponja nandritra ny herintaona sy tapany ny mpitoraka bilaogy Zelalem Workagegenhu sy ireo namany Yonatan Wolde sy Bahiru Degu vao natomboka ny fitsarana azy ireo tao amin'ny Fitsarana Avon'i Lideta any Etiopia.

Tamin'ny voalohany, tamin'ny 24 Oktobra, nelohina taminà fampangana maro toy ny fitarihana ny Ginbot7 ( antoko politika mpanohitra natsangan'i Dr. Berhanu Nega sy ny namany) tao an-toerana, fikotrehana hetsi-panoherana mahery vaika, ary fizarana vaovao ao amin'ny tranonkalan'ny zanaka ampielezana  i Zelalem Workagenehu, mpiaro ny zon'olombelona sady mpianatra amin'ny ambaratonga ambony izay niaraka niasa tamin'ny bilaogy DeBirhan tantanan'ireo zanaka any ampielezana. Nahena ho anankiroa ireo vesatra ireo : fampidirana  mpikambana ho ao amin'ny Ginbot7 ny voalohany ary fiarahana nanamora ny fanofanana momba ny fifaneraserana, haino aman-jery sosialy ary fahaizana mitarika tety anaty aterineto, izay nofoanana tato aoriana, ny faharoa.

Voampanga noho ny nisoratany handray anjara amin'io fiofanana izay faritan'ny fitondrana fa ” fiofanana hampihorohoroana firenena” io sy amin'ny maha-mpikambana azy ao amin'ny Ginbot7  i Yonatan sy Bahiru. Fiampangana izay nolavin'izy ireo.

Nolazain'ny governemanta Etiopiana fa vondrona mpampihorohoro ny Ginbot 7 araka ny Lalàna mifehy ny ady amin'ny fampihorohoroana any an-toerana, izay nolaniana tamin'ny volana Jolay 2009. Mirona amin'ny fiarovana ilay lalàna ireo Etiopiana manampahefana amin'ny fanamafisana fa nadika avy tamin'ny lalàna manankery an'ny firenena hafa toa an'i Angletera io fitsipika mampiady hevitra io.

Noho ny fandàvana ny mpisolovava azy ireo dia nisafidy ny hiaro ny tenany ireo mpisera amin'ny aterineto.

Nisafidy ny hiaro ny tenany tany amin'ny fitsarana izy telo rehefa nosintonin’ ireo manampahefana tao amin'ny fitsarana ny fahazondàlan’ilay mpisolovava azy ireo, Temam Ababulgu, tamin'ny Jona 2015, satria nolazain'izy ireo fa misy “olana amin'ny lafiny etika”.  Efa niaro mpanao gazety, mpanao politika ary solontenanà mpitondra fivavahana nanoloana ny vesatra araka ny lalàna momba ny ady amin'ny fampihorohoroana tao amin'ny firenena i Ababulgu tany aloha.

Zelalem and Bahiru leaving Lideta court two weeks ago. Photo courtesy of a friend of Zelalem's, used with permission.

Zelalem sy Bahiru nandao ny fitsaran'i Lideta roa herinandro talohan'ny 14 Desambra 2015.  Sary nalefan'ny naman'i Zelalem, nahazoana alàlana.

Nanao fijoroana vavolombelona manokana sy matianina nanamafisana ny maha-ara-dalàna sy ara-panabeazana io fanofanana io ireo voampanga sy ny vavolombelona mpiaro nandritra ny fihainoana mitsitaitaika naharitra roa herinandro tao amin'ny Lideta, Fitsarana Avon'i Addis Abeba.

Nambaran'izy ireo ihany koa fa gadra taloha niniana navoaka noho ny fanekeny hijoro vavolombelona hiampanga azy telo ireo  vavolombelon'ny mpiampanga.

Nambaran'i Zelalem tamin'ny fitsaràna fa tsy mbola mpikambana taminà antoko politika mihitsy izy ary mino ny fiovàna tsy misy herisetra. Noho izany tsy afaka mampiditra izay ho mpikambana ao amin'ny Ginbot 7, vondrona izay miaro ireo karazana tolona izy. Nijoro ho vavolombelona mpiaro teo anoloan'ny fitsarana ny renin'i Zelalem sy ny namany, tahaka izany koa ilay mpanao politika mpanohitra, Habtamu Ayalew, ary nanamafy fa tsy nandray vola avy tamin'ny Ginbot 7 izany izy. Nohamafisin'i Zelalem ihany koa fa ny resaka nifanaovany tamin'i Yonatan sy ny olon-kafa tao amin'ny Facebook, izay isan'ny porofo ananan'ny fanjakana , dia nadika vilana mba hiampangana azy ireo.

Mbola isan'ireo vavolombelona mpiaro an'i Zelalem ilay mpanao gazety migadra Eskinder Nega sy ireo mpanao politika mpanohitra Yeshiwas Assefa sy Andargachew Tsige izay nantsoin'ny mpitsara tamin'ny voalohany. Saingy tsy nantsoin'ny fahefa-mahefa hijoro teo anoloan'ny fitsarana intsony izy ireo nandritra ny fotoam-pitsaràna dimy farany.

Isan'ny vavolombelon'i Bahiru Degu sy Yonatan Wold i Zelalem izy tenany sy ireo mpikambana sasany amin'ny mpitoraka bilaogy Zone9 ary mpanao gazety, izay vao navotsotra rehefa notànana am-ponja nandritra ny herintaona mahery noho ny fiampangana mitovy amin'izany.

Honohono momba ny fisian'ny fampijaliana sy ny fanavakavahana ara-poko tany am-ponja

Tantarain'i Zelalem sy Bahiru ny zavatra niainany sy ny fitondrana azy tany am-ponja. Nolazain'i Zelalem fa  nohidiana 41 andro tany aminà trano tena mangatsiaka fatratra atao hoe ‘ Siberia’ tao amin'ny fonja foibe Maekelawi any Adiss Abeba izy sady nampijalian'ireo mpaka am-bavany.  Nolazainy fa aorian'ny amin'ny 10 ora alina foana ireo mpaka am-bavany vao nirakitra ny fiaiken-kelony ao anatin'ny faneriterena sy fampijaliana, noho izany tsy tokony ho ekena fa azy izany.

Notanisain'i Bahiru Degu ny sedra nahazo azy nandritra ny fanadihadiana. “Noterena hiboridana sy voadaroka matetika aho. Vokatry ny hamafin'ny kapoka dia tsy voafehiko intsony ny filàko [sic]. Noterena hisotro ny amaniko aho”  hoy i Bahiru.

Nolazain'i Bahiru fa nanontanian'ireo mpaka am-bavany izy raha toa ka misy rohim-pihavanana amin'i Dr. Berhanu Nega, mpitarika ny Ginbot 7 satria foko iray ry zareo. Nanontaniana ihany koa izy raha toa ka mifandray amin'i Andargachew Tsgie, Sekretera Jeneralin'ny Ginbot 7, izay mbola migadra amin'izao fotoana izao. Tsy misy fifandraisana amin'ireo olona ireo i Bahiru.

Ankoatra ny hamafin'ny herisetra sy ny fampijaliana dia naborak'i Bahiru ihany koa fa nanandrana ny namono tena izy. “Tena fahagagàna fa mbola velona manoloana anareo eto amin'ny fitsarana aho androany” hoy izy.  Notantarain'i Bahiru tao amin'ny fitsarana ny fanararaotam-panavakavahana nataon'ireo mpaka am-bavany izay nanimbazimba ny foko nihaviany.

Nolazain'i Bahiru ihany koa fa norahonan'ireo mpanao fanadihadiana izy, amin'ny filazana hoe : ” Tapahanay ny làlan-dràn'ialahy ary ho vonoinay ialahy. Izahay no mpitandro filaminana, no  mpampanoa lalàna, no mpitsara, no sampana mpitsikilo sy anay ny rehetra ; higadra 20 taona ialahy.” Nohamafisin'i Bahiru fa nampijaliana izy ary noterena hiaky fa mpikambana ao amin'ny Hetsika Ginbot 7. Nambarany tao amin'ny Fitsaraha iny fiaiken-kelony noraketina nandritra ny fanerena azy iny dia azo noho ny hamafin'ny fampijaliana azy ary tsy azy velively.

Tohizana amin'ny 16 Desambra 2015 ao amin'ny Fitsarana Avo Federalin'i Lideta, Adiss Abeba ny fihainoana ny fiarovantenan'ireo lehilahy ireo.

Fanamarihan'ny mpanoratra : voalaza ao amin'ny vesatra anenjehana ny voampanga ny anaran'i Tedla D. Tekle, indrindra fa ireo mivantana amin'i  Zelalem Workagegenhu. Ny loharanon'ity fanadihadiana ity dia ahitàna ny fandrakofana momba ity raharaha ity sy ny fijoroana vavolombelon'ireo naman'i Tedla  tamin'ny fitsaràna voalohany tany Adiss Abeba. Any ivelan'i Etiopia no monina i Tedla.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.