Mpiserasera Ao Taiwan No Ankamaroan'ireo Shinoa Mpampiasa Aterineto Manao Tsidi-Pahitra Ny Facebook

Tsai Ing-wen at FaceBook's Headquarters in California, June 2015. Photo from Tsai's Facebook.

Tsai Ing-wen tao amin'ny foiben-toeran'ny Facebook tao California, Jona 2015. Sary tao amin'ny Facebook-n'i Tsai.

Tsai Ing-wen, ilay tsara toerana ho lasa filoham-pirenena manaraka ao Taiwan, vao haingana no nahita ny pejy Facebook rakotry ny hafatra tsy mamokatra. Sahala amin'ny toa hafatra nosoratan'ireo Shinoa mpisera mpomba ny governemanta izay afaka niditra tampotampoka teo tamin'ilay sehatra media sosialy, izay nosakanana nanerana an'i Shina nanomboka ny taona 2009.

Raha tokony hoe nofafàna ireo hafatra ratsy, noraisin'ny ekipa media sosialin'i Tsai ho fahafahana mamaly ireo mpitsidika ny pejiny avy ao amin'ny tanibe izany. Narahan'ireo Taiwanese maro hafa izy tamin'izany, izay naka tombony tamin'io tranga manokana io mba hamoaka ireo vaovao sy ireo torohay voasivana ao amin'ny Tanibe Shinoa ho ezaka hahazoana “mampianatra” an'ireo Shinoa toa azy.

Mirazotra amin'ny fanenonana ny “F” avy amin'ny fango famantarana ny Facebook sy ny soratra “fahafahana”, dia izao no hafatr’i Tsai ho an'ireo Shinoa vao tonga tao amin'ny serasera:

昨天晚上,有眾多對岸的「網友」滑到我的臉書頁,對此,我表示「歡迎光臨」。

在臺灣,有許多對時政的討論、甚至公民行動,都是透過這個平台,由人民自主組織起來的;不同的意見、多元的聲音,也讓我們在交流論辯中,一步步往更美好的社會前進。

希望這難得的全新體驗,可以讓「新朋友」更完整的看見民主、自由、多元的臺灣。歡迎大家來到臉書的世界!

Te hisaotra ireo namana maro tongasoa avy any ampitan'ny ranomasimbe, izay nitsidika ny pejiko Facebook nanomboka ny alina teo aho. Aty Taiwan, amin'ny alàlan'ny media sosialy, afaka miserasera sy miady hevitra momba ireo tranga misy ankehitriny izahay eny fa na dia manentana ireo hetsika sosialy aza. Ny fivoarana dia atao amin'ny alàlan'ny serasera sy ireo adihevitra momba ireo fijery tsy mitovy ary fihainoana ireo feo isan-karazany.

Iriko ireo “namantsika vaovao”, araka io fanandramana vaovao io, ho afaka ho vavolombelon'i Taiwan malalaka, demokratika ary mandàla ny hamaroan'ny fotokevitra samihafa. Tongasoa eto amin'ny Facebook!

Ireo mpampiasa aterineto avy any amin'ny tanibe manosika ny ‘Shina Tokana’

Mihevitra an'i Taïwan ho tanin'ny jiolahy i Shina. Norahonany ho alaina ankeriny i Taiwan taloha, raha nilaza ny hanambara ofisialy ny fahaleovantenany, na dia tsy manana fifehezana manerana ilay nosy aza i Beijing, raha ny fampiharana no resahana.

Misolo tena ny tena mpanohitra “Democratic Progressive Party (DPP)”  i Tsai, manohitra ny Chinese Nationalist Party (KMT) eo amin'ny fitondrana ankehitriny, izay resin'ny Chinese Communist Party nandritra ny Ady Antrano nifanaovan'ny Shinoa ary nalefa sesitany tany Taïwan ny taona 1949. Manaiky ny fotokevitra “Shina Tokana” ny KMT, izay ampiasaina ho toy ny marimaritra iraisana hisian'ny adihevitra fifampidinihan'ny ao amin'ny helodrano. Amin'ny lafiny iray hafa, heverina ho toy ny stratejika sy tsy mazava ny politikan'ny DPP ao Shina ka vokatr'izay, tsy tsara ho an'ny antoko kaominista

Screen capture of  mainland netizen's Facebook comment. Image from Taiwan's most popular online bulletin board  PTT.

Pikantsary ahitàna ny fanehoankevitr'ireo mpisera aterineto avy any amin'ny tanibe  mamerimberina ny fehezanteny hoe, “Taiwan sy ny tanibe, Shina Tokana”. Sary avy amin'ilay takelaka famoahana vaovao malaza indrindra ao   Taiwan – PTT.

Mahazo tsikera manodidina ny 500-1.000 eo ho eo ireo lahatsoratr'i Tsai raha ny salanisa no jerena. Nitarika ady tamin'ireo mpankafy sy ireo mpitsidika azy tao anaty aterineto ireo lahatsoratra nosoratany farany, satria tsikera tsy hita noanoa 10.000 no azo tao anatin'ny roa andro.

Nosoratana  tamin'ny teny shinoa tsotra ireo hafatra manakiana, izay matetika ampiasaina any amin'ny tanibe fa tsy iraisana amin'ny ao Taïwan. Nahitàna sarin'ny saina Shinoa ireo hafatra sasany sady mankalaza ny herin'ny Tafi-Panafahan'ny Vahoaka. Iray amin'ireo hafatra naverimberina im-10 ilay mivaky hoe “Taïwan sy ny tanibe, Shina Tokana” (jereo ny sary etsy ankavanana).

Noraisin'ireo sasany mpampiasa Facebook avy ao Taiwan ho toy ny fahafahana mizara ireo vontoaty politika voarara taloha amin'ireo mpitsidika avy any amin'ny tanibe, ilay fisokafana tampoka. Dan, mpampiasa Facebook no iray amin'ireo mpisera amin'ny aterineto izay nizara, teo amin'ny pejin'ny mpankafy an'i Tsaï,  nandritra ny adiny telo ny tahirin-kevitra iray lavabe mikasika ny vono olona tao Tainanmen mba ho hitan'ireo mpampiasa ao amin'ny tanibe. Famoretan'ny governemanta shinoa ny hetsipanoheran'ireo mpikatroka mahery fo ho amin'ny demokrasia, ny vono olona tao Tiananmen tamin'ny 4 Jona 1989, izay nahafatesana vahoaka an'alinalina.

Namorona rafitra iray fanivànana faran'izay tena be pitsony sy saro-takarina ho an'ny tambajotra ireo tomponandraikitra ao amin'ny tanibe, izay manakana ireo tenifototra mifandraika amin'ny tranga/raharaha momba ny zon'olombelona sy ny fanitsakitsahana toy izay nisy tao amin'ny Kianja Tiananmen na ny fangejana ireo mpanaraka ny fitaizam-panahy Falun Gong tsy ho azo karohana. Ny fikarohana ireo hevitra hafa ara-politika mafampàna dia miteraka fotsiny ireo vokatra izay lazaina ho “lisitra fotsy” na ireo tranonkala nomen'ny governemanta alàlana.

“Tena mifanohitra izany, saika matin'ny hehy aho”

Nanasongadina ny fifanoherana misy eo amin'ny fahafahan'ireo any ambadik'ilay “Great Firewall” – Aro Afo Goavana – sy ireo ao ankoatr'io, ny fandefasana ireo vaovao voasivana sy torohay. Nanindry ny lanjan'ny fahafahana maneho hevitra tamin'ny fametahana peta-drindrina tongasoa voasoratra amina teny shinoa notsorina ho an'ireo mpampiasa aterineto Shinoa amin'ny tanibe, ny mpampiasa Facebook-n'i Hu Chan.

Written in simplified Chinese, the poster says: Warm welcome. Free to shop and free to facebook. Welcome to Freedom - free speech in cross-border exchange.

Nosoratana tamin'ny teny Shinoa no tsorina, mivaky toy izao ny sary: “Fandraisana mafàna. Malalaka mandeha miantsina ary malalaka manao Facebook. Tongasoa eto amin'ny fahalalahana, fahalalahana maneho hevitra ao anatin'ny fifanakalozana miampita sisintany.”

Ny PPT, takelaka iray malaza famoahana vaovao ao Taiwan, no anisan'ny voalohany tamin'ireo vondrom-piarahamonina ety anaty aterineto nanamarika ny tsy fetezana teo amin'ny pejy Facebook-n'i Tsai. Tonga miaraka amin'ireo teôria momba ny fanesorana ny sàkana amin'ny Facebook ireo mpampiasa serasera, toy ny tsy fiasa ra-dalàn'ny Great Firewall, fampakàrana fitsaràna iray omanina ho fanalàna ny sakàna amin'ny Facebook na fikononkononana iray mba hanelingelenana ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ao Taïwan.

If it was indeed the last scenario, the plan backfired spectacularly, as even users who aren't Tsai supporters flocked to her wall to take part. PPT user “myizumi” wrote in the discussion thread:  ………………..Raha izany tokoa no endri-javatra farany, nandàmoka nampitolagaga ilay drafitra, fa na ireo mpampiasa tsy mpomba an'i Tsai aza dia nirohotra teo amin'ny rindriny avokoa mba handray anjara. Nanoratra tao anatin'ilay tandavana adihevitra i “myizumi” mpampiasa PPT hoe:

根本適得其反 笑死我了 這樣根本是在幫蔡英文助選 XDDD

Tena mifanohitra izany, saika matin'ny hehy aho.   Manampy ny fampielezan-kevitra ataon'i Tsai Ing-wen fotsiny izany zavatra tsotra rehetra izany XDDD .

Tsy an-kafaliana no nihetsehan'ireo mpisera hafa noho ny fahatahorany ny 50 Cent Party, araka ny fiantsoana ireo mpanakiana voakarama sady mpomba ny governemanta shinoa, mety hanomboka hanelingelina ny habaka aterineton'i Taïwan. “eatingfish”, iray mpampiasa ny rafitry ny PPT no naneho hevitra hoe :

所以PTT會有事嗎 我好擔心阿

Ho voakasik'izany ve ny PPT? Somary miasa saina aho.

Na izany aza, naharitra andro roa ireo fifandraisana teo amin'ny Shinoa sy ireo mpampiasa Facebook any Taïwan, nialoha ny nisakanana indray ilay vohikala media sosialy tao amin'ny tanibe. Nony efa vita io, niverina nahazo ny salanisa mahazatra tamin'ny fanehoankevitra indray ny pejin'ny mpankafy an'i Tsai.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.