Netizen Report: Tsy Nampidirin'ny Manampahefan'ny Firenena Mikambana Tamin'ny Dinika Momba ny Aterineto Manerantany Ao Brezila Ny Mpanohitra

Demonstrators at IGF 2015 in Joao Pessoa, Brazil. Photo shared on Twitter by @NewsRevo.

Mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny IGF 2015 ao Joao Pessoa, Brezila. Sary nozarain'ny @NewsRevo tao amin'ny Twitter.

Ellery Roberts Biddle, Lisa Ferguson, Hae-in Lim sy Sarah Myers West no niara-nanatontosa ity tatitra ity.

Manome topi-maso iraisampirenena momba ny fanamby, fandresena, vaovao malaza mikasika ny zo an'aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.

Tao amin'ny Dinika momba ny Fitantanana ny Aterineto tohanan'ny Firenena Mikambana ao Brezila herinandro vitsy lasa izay, nosakanana tsy hanao fihetsiketsehana manohana ny tsy fitanilana antserasera sy manohitra ny fampiharana Internet.org an'ny Facebook, fantatra ankehitriny amin'ny hoe “Free Basics” ireo mpikatroka maromaro. Sanganehana tamin'ny zava-nitranga ny mpisolovavan'ny firaisamonim-pirenena, satria natao hifantohana manokana amin'ny fiarovana ny zo fototra antserasera sy handray ny fandraisana anjaran'ny seha-piarahamonina rehetra ny IGF.

Niara-nirohotra ny mpikatroka nandritra ny fisokafan'ny fivoriana itambaramben'ny hetsika, ary milanja sora-baventy mivaky hoe “Tsy manaiky ny fanitsakitsahana ny Tsy Fitanilana ao Brezila sy manerana izao tontolo izao!” sy ny hoe “Free Basics = Tsy misy Zo Fototra.” Hita amin'ny lahatsary maromaro nalain'ny mpandray anjara tamin'ny dinika ireo mpiambina sy ny ekipa mpandrindra ny Firenena Mikamana manaisotra an-keriny ny sora-baventy eny an-tanan'ny mpanao fihetsiketsehana sy manosika azy ireo hivoaka ny efitra malalaka . Nogiazina vetivety ny antonta-taratasy misy ny mombamomba ireo mpikatroka ary nogiazan'ny mpikarakara ny taratasy fanamarinana azy ireo.

Fotoana fohy taorian'izay, nanameloka ny fihetsika voatonona io ambony io ny mpitarika ny fiarahamonim-pirenena iray sady mpiaro ny fahalalaham-pitenena Breziliana Joana Varon, vahiny nasaina hikabary tamin'ny fanokafana ny fotoam-pivoriana. Tamin'ny kabariny izy niresaka ny fahamehan'ny fihavaozana ao amin'ny fomba fanaon'ny Firenena Mikambana amin'ny fiezahana hiaro ny zon'olombelona amin'ny aterineto. Nampifandraisiny tamin'ny zava-nitranga izany:

[L]et's let people who cannot be on the stage also symbolically express their key questions regarding the future of Internet in front of high level panels like this. I hope in these days to come, we can discuss this and other issues further….but not only discuss really, let us also protest freely. This is also political space.

Aoka ny olona tsy afaka miaka-tsehatra mba haneho hevitra amin'ny fomba bitika ihany koa ny fanontaniana fototra mikasika ny hoavin'ny aterineto eo anoloan'ny mpandray fitenenana avo lenta tahaka izao. Manantena izany andro izany hoavy aho, afaka miresaka izany sy ny olana hafa isika….saingy tsy tena miresaka ihany, fa avelao izahay hanohitra malalaka ihany koa. Sehatra ara-politika ihany koa io.

Vondrona ifotony Marco Civil Ja, mpanohana lohalaharana ny “Volavolan-dalànan'ny Zo ho an'ny aterineto” ao Brezila, namoaka fanambarana haingana mananatra ny mpitarika ny IGF noho ny fihetsik'izy ireo. Hoy izy ireo nanoratra:

This kind of repression is incompatible inside an event that is precisely discussing how to protect freedom of speech [on] the Internet and how to guarantee privacy of those who use the world wide web.

Ity karazana famoretana ity dia tsy mety ao anatin'ny lanonana miresaka indrindra ny fomba fiarovana ny fahalalaham-pitenena ao amin'ny aterineto sy ny fomba fiantohana ny fiainana manokan'ireo mampiasa ny world wide web.

Naverina ny taratasy fanamarinana ireo mpikatroka ora maromaro taorian'ny zava-nitranga.

Mety hamely ireo bilaogera ivelan'ny aterineto, manerantany ny fitsipika vaovao fanakatonana habaka ao Rosia

Mety hanana fahefana fanampiny hanakatona habaka tsy misy didim-pitsarana atsy ho atsy ny mpanaramaso ny aterineto Rosiana, Roscomnadzor. Amin'izao fotoana izao, afaka manakatona tranonkala eo amin'ny sehatry ny rohy URL ny Roskomnadzor, izay manakana ny mpiserasera Rosiana tsy hiditra amin'izy ireo saingy mamela ny votoaty ho azon'ny mpiserasera any ivelany jerena, sy mamela ny Rosiana mpiserasera mampiasa fitaova-panivahana. Noho ny fanitarana vaovao, afaka manakatona habaka manana sehatra .ru sy ny .рф TLDs tsy ao Rosia ihany ny sampan-draharaha fa ho an'ireo mpiserasera manerantany ihany koa.

Miatrika fandoavana onitra, sy esoeso ny mpisera Facebook iray ao Hongaria

Nampadoavin'ny governemanta ao an-toerana ao an-tanànan'i Tata ao Hongria onitra ny vehivavy iray noho ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook mitsikera ny fandanian'ny governemanta.

Tanzaniana efatra no voaenjika noho ny hafatra tamin'ny WhatsApp nandritra ny fifidianana

Mpikatroka ara-politika efatra no voampanga teo ambanin'ny Lalàna mifehy ny Heloka Amin'ny Aterineto ao Tanzania noho ny famoahana hafatra am-peo tao amin'ny vondrona WhatsApp izay “natao hamitahana vahoaka” nandritra ny fifidianana ankapobeny tao Tanzania tamin'ny volana Oktobra. Nilaza ny hafatra fa nanatontosa hala-bato ny antokon'ny fitondrana ao amin'ny firenena, filazana izay naparitaky ny fampahalalam-baovao ao an-toerana sy any ivelany.

Nahazo naoty ambany amin'ny fisokafan'ny aterineto ny Gambia

Tamin'ny fanadihadiana vao haingana momba ny fahalalaham-pitenenana antserasera tao amin'ireo firenena roa ambin'ny folo ao Afrika atsimon'i Sahara, voalahatra any amin'ny farany ambany i Gambia, ary i Etiopia no ratsy indrindra amin'ny fahalalahan'ny aterineto. Tamin'ny taon-dasa, nampiditra am-ponja mpanao gazety an-tserasera, nanakatona tranokam-baovaon'ny mpanohitra i Gambia, ary nanakatona tanteraka ny fidirana amin'ny aterineto, nandritra ny herinandro maninjitra tamin'ny volana Aprily tamin'ity taona ity.

“Ratsy kokoa noho ny mampatahotra” ny lalàna vaovao momba ny fanarahamaso ao UK

Nosokajian'ny Mpitatitra Manokan'ny Firenena Mikambana Momba ny Fiainana Manokana, Joseph Cannataci ho “ratsy kokoa noho ny mampatahotra” ny volavolan-dalàna manome fahefana fanarahamaso goavana ny mpampihatra lalàna ao UK ary mety hitondra “voka-dratsy tanteraka” araka ny filazan'ny Filoha Tale Jeneralin'ny Apple, Tim Cook. Ankoatra izany, ny volavolan-dalàna manome fahefana hanadihady dia ahitana andinin-dalàna iray manome fahefana hanao fanarahamaso faobe hanome alalana ny mpampihatra lalàna hisovoka sy hametraka fitaovana fanarahamaso amin'ny solosaina sy ny finday, ary iray hafa izay manery ny orinasan'ny aterineto hanampy ny manampahefan'ny governemanta hanivaka fanafenan-tsoratra. Nampahafantarina ny Antenimiera (House of Commons) tamin'ny herinandro lasa ny volavolan-dalàna ary misokatra ny adihevitra.

Ratsy araka ny niheverana azy ny TPP

Naseho vahoaka ihany koa tamin'ny farany ny lahatsoratra fenon’ ny Fiarahamiasan'ny andaniny sy ny ankilan'i Pasifika, fifanarahana ara-barotra goavana mifehy ny zava-drehetra manomboka amin'ny e-commerce hatramin'ny marika fanafody. Anisan'ireo mpanasonia i: Shily, Meksika, Aostralia, Vietnam, Japana ary i Etazonia, mety hanohintohina ny fidiran'ny tsirairay amin'ny fahalalana sy ny fiainana manokana nomerika ny fifanarahana, araka ny tahotry ny maro amin'ireo mpisolovava. Namoaka fanadihadiana mialoha maro amin'ny fanadihadiana ny lahatsoratra i Kimberlee Weatherall, mpampianatra lalàna iray ao amin'ny oniversiten'i Sydney, miara-dalana amin'ireo dika mitovy amin'ny ny fifanarahana teo aloha tafaporitsaka.

Fikarohana Vaovao

 

Misorata anarana amin'ny mailaka ao amin'ny Netizen Report

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.