Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Aogositra, 2017

31 Aogositra 2017

Nahoana i Samia Orosemane, Silamo Frantsay Mpanao Hatsikana, No Milaza Fa Mitovy Amin'ny UFO / OVNI Izy?

"Miezaka ny mba ho ilaina araka izay mety aho. Raha afaka manorina tetezana any amin'izay misy rindrina aho, dia tena sambatra."

30 Aogositra 2017

Jery (An-Tsary) Ireo Vakok'i Syria Sasantsasany Potika

"Tahaka ny hoe mandrava ny Taj Mahal izany na mamotika ny Acropolis ao Athena. Voina lehibe izao. ."

26 Aogositra 2017

Mpiasan'ny Governemanta Iray ao Brunei Mitaraina Amin'ny Fanomezana Sertifikà Halal Voampanga ho Mampisara-Bazana

GV Mpisolovava

"zany eo ihany fa fampahatsiahivana fa tsy manana fahalalaham-pitenenana isika ity boay voampanga ho mitabataba amin'ny governemanta ity.," hoy ny soratry ny mpisera Twitter iray.

24 Aogositra 2017

Nanoratra Taratasy Ho An'i Kristy Ireo Bilaogera Iraniana

Toa tahaka ny mahagaga angamba izany, kanefa bilaogera Miozolomana maromaro no nanoratra taratasy ho an'i Jesoa Kristy tao amin'ny bilaoginy izay nitaraina momba ny fanevatevan'ireo Tandrefana ny Miozolomana, ary indrindra indrindra tamin'ny sarimihetsik'ilay solombavambahoaka Holandey Geert Wilders tsy tia Islamo antsoina hoe Fitna.

23 Aogositra 2017

Etazonia: Inona Marina No Lazain'ilay Saribakoly Miteny?

Raha mihevitra ianao fa tsy midika na inona na inona ny fibadabadan'ny zazakely dia mieritrereta tsara aloha vao miteny izany! Manontany momba ilay "saribakoly miteny" avy amin'ny Fisher Price, mpanamboatra Bébé Câlin, izay toa nomelohina fa niteny hoe: "Fahazavana ny finoana Islamo" ny tontolon'ny bilaogy.

21 Aogositra 2017

Shina:  Nihazona Saina Manoloana Ny Kianja Olaimpika Ny Mpanao Fihetsiketsehana Tibetana

Mbola miandry ny antsipirihany bebe kokoa, kanefa ao an-toerana ny bilaogeran-dahatsary Qik.com Noel Hidalgo ary manome fanavaozam-baovao amin'ny alàlan'ny Twitter. Ity misy lahatsary iray izay nalainy minitra vitsy teo aloha tsy lavitra ny tranom-borona Olaimpika :

20 Aogositra 2017

Venezoela: Ny Fombandrazana Devoly Mandihin'i Yare

Azonao atao ny mitsidika ny lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia Dancing Devils of Yare izay ahitana ny rohy mankany amin'ireo lahatsoratra an-gazety raha mila fanazavana fanampiny momba ity hetsika ity ianao:

Libanona: Ny Sektarisma Sy Ireo Vondrona Mikatsaka Ny Fandriampahalemana

[..."ry devoly, ohatrinona no alohako tamin'izay antso izay ???? "Roapolo dolara", hoy ny devoly. Gaga ilay mpamorona rindrambaiko ary niteny " Roapolo dolara???? fotsiny ????" "Antso eto an-toerana ny avy aty amin'ny helo mankany amin'ny helo", hoy ny devoly.]

18 Aogositra 2017

Bosnia Sy Herzegovina: Tsingerintaonan'i Srebrenica

Nankalaza ny faha-13 taonan'ny famonoana tao Srebrenica i Bosnia sy Herzegovina tamin'ny 11 Jolay izay nofaritan'ny ny Fitsarana iraisampirenena tao La Haye ho fandripahana mamely ny mponina Miozolomana tao amin'ny faritra. Mitatitra ilay fahatsiarovana antserasera ao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy Facebook i Elia Varela Serra.

16 Aogositra 2017

Bahrain: Ny Fitsipi-Pitondratena Enti-Miady Amin'ny Sektarisma Ho An'ny Bilaogera

Noho ny fizarazarana ara-politika ao Bahrain izay matetika voarafitra amin'ny alàlan'ny fomba fijery ara-pivavahana dia namoaka fitsipi-pitondratena izay mikendry ny fampiatoana ny fampielezana ny fankahalana an-tserasera ilay bilaogera Mahmood Al Yousif.