· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Oktobra, 2017

Egypta : Lalao Video Manavakava-bolonkoditra

  31 Oktobra 2017

Lalao video antserasera izay navoaka vao haingana ny Muslim Massacre (Fandripahana Miozolomana) ary ahitana ny mpilalao mampiasa ireo karazana fitaovam-piadiana mba hamonoana Miozolomana maro sy olo-malaza Miozolomana araka izay azo atao, anisan'izany i Allah ilay mahery indrindra. Naneho hevitra momba izany ireo bilaogera Egyptiana.

Sodàna: Ireo Heloka Bevavan'ny Ady ao Darfour, Ny USS Cole, Taovolo Iray Lamaody Ary Mbola Betsaka Koa

  29 Oktobra 2017

"Ankehitriny, azoko antoka 100% fa nataon'i Etazonia lasibatra ny fireneko. Hatramin'ny nilazàna fa tsy nahomby ny tetikadin'i Darfour, mampiasa hevitra hafa izy ireo mba hangejana ny governemanta. Nahoana i Etazonia no tsy mandoa ireo onitra sy ireo tombontsoa mikasika ny daroka baomba tamin'ny orinasa Al Shifa, tamin'ny taona 1998? Hitan'ireo masoko tsara ny balafomanga namakivaky ny habakabaka!"

Iran: Ny Fahafatesan'ny Ayatollah Hossein Ali Montazeri

Nitatitra ireo olom-pirenena Iraniana sy ny fampahalalam-baovao mahazatra iraisampirenena fa mpanohitra an'aliny no nidina an-dalambe tao amin'ny foibe teolojikan'i Iran tamin'ny Alatsinainy ary nifandona tamin'ny milisy mpomba ny governemanta nandritra ny fandevenana ilay mpitondra fivavahana ambony ao amin'ny fanoherana ao amin'ny firenena, ny Ayatollah Hossein Ali Montazeri.