(Marihina fa tamin'ny 8 Aogositra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
Mbola miandry (nohavaozina etsy ambany) ny antsipirihany bebe kokoa, kanefa ao an-toerana i Noel Hidalgo, bilaogeran-dahatsary Qik.com ary manome fanavaozam-baovao amin'ny alàlan'ny Twitter. Ity misy lahatsary iray izay nalainy minitra vitsy teo aloha tsy lavitra ny tranom-borona Olaimpika (kianjabe) :
http://qik.com//player.swf?streamname=06d659641e7a47bbaa7f5245ed1a1901
Vao haingana no nahavita nandefa lahatsary faharoa i Noel, izay nitaterany fa nidaroka mpanao hetsi-panoherana iray ny mpamonjy voina Shinoa ary toa hita fa nampidinina ny saina iray hafa; tsy tsikaritra ny mpanao fihetsiketsehana fahatelo izay nijanona teo an-kianja araka ny hita tao amin'ny lahatsary etsy ambony:
http://qik.com//player.swf?streamname=ab98c455ec9f4453ad69a49a3c33b07b
Sioka fitantarana ny hetsika (ora ao Beijing):
6:38 maraina @noneck:
Nandeha niankandrefana lavitry ny mpanao hetsi-panoherana tibetana aho izay nihanika ny tendrony ivelan'ny tranom-borona (anaran'ny kianjabe)
6:42 maraina @noneck:
Misy mpanao fihetsiketsehana tibetana mihanika ny tendrony andrefana ankehitriny. Mankany amin'ny att pim ho an'ny qik.
7:14 maraina @noneck:
Oay! Mafana sy voahelingelina ny mponina ao an-toerana. Miverina any amin'ny hotely.
7:28 maraina @noneck:
Arahin'ny vehivavy antitra iray aho ankehitriny izay nilaza tamin'ny mpamily fiarakaretsaka farany handroaka ahy. Lasa indray nitady mpanaraka hafa.
7:33 @noneck:
Nahita fiarakaretsaka iray aho ary lasa namonjy fisotroana kafe kely aloha hakana aina .