Bahrain: Ny Fitsipi-Pitondratena Enti-Miady Amin'ny Sektarisma Ho An'ny Bilaogera

(Marihina fa tamin'ny 3 Jolay 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Noho ny fizarazarana ara-politika ao Bahrain izay matetika voarafitra amin'ny alàlan'ny fomba fijery ara-pivavahana dia namoaka fitsipi-pitondratena izay mikendry ny fampiatoana ny fampielezana ny fankahalana an-tserasera ilay bilaogera Mahmood Al Yousif.

No to sectarianism

Hoy i Mahmood raha nanazava :

I believe that in the current circumstances, it is time to…stand united together against sectarianism and discrimination in all their forms. Therefore, I propose the following code to be adopted and signed by all Electronic Publishers, be they bloggers, webmasters, forum moderators, etc. The code was the result of discussions with friend and journalist Ahmed Al-Aradi of Al-Waqt who wrote an excellent series of articles about the situation in Bahrain entitled “The Manufacture of Hatred”. … I suggest we review the following text and come to an agreement on the final code which I propose that we all sign physically and electronically on the International Blog Day which coincides with the 31st of August.

Mino aho fa tonga ny fotoana amin'izao toe-javatra misy ankehitriny izao…hiraisantsika hina hanoherana ny fifanavakavahana ara-pivavahana sy ny fanavakavahana amin'ny endriny rehetra. Noho izany, manolo-kevitra ity fitsipika manaraka ity aho mba ho laniana ary hosoniavin'ireo Mpamoaka lahatsoratra Elektronika, na ireo bilaogera, na webmasters, na mpandrindra ny sehatra fifanakalozan-kevitra, sns.  Vokatry ny resaka nifanaovana tamin'ny namana mpanao gazety Ahmed Al-Aradi sy Al-Waqt ny fitsipika izay namoaka lahatsoratra marobe mahatalanjona momba ny toe-draharaha ao Bahrain mitondra ny lohateny hoe “Ny Famokarana Fankahalana”. … Manasa anareo aho hanadihady ity lahatsoratra manaraka ity ary mba ho tonga any amin'ny fifanarahana momba ny fitsipika farany izay natolotro ho antsika mba hosoniavintsika ara-batana sy ara-elektronika ao amin'ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Bilaogy amin'ny 31 Aogositra.

Toy izao manaraka izao ny iray amin'ireo fitsipika tsy maintsy arahina izay notakian'ny tompona bilaogy, tranonkala, ary sehatra fifanakalozan-kevitra :

We refuse any suggestion or writings including a sectarian concept or an incitement to hatred, an abuse of the freedom of religion, doctrine or belief.

Mandà ny sosokevitra sy ny fanoratana rehetra izay ahitana ny hafatra manavakavaka ara-pivavahana na fandrisihana fankahalana, na fanararaotana amin'ny fahalalahana ara-pivavahana, ara-poto-pampianarana na ara-pinoana izahay.

Azo jerena amin'ny teny Arabo sy teny Anglisy ato ny lahatsoratra manontolo..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.