Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2008

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Septambra, 2008

27 Septambra 2008

Ejipta: Jiolahin-tserasera manao Jihad (na sovoka anaovana jihad)

Mihanaka avy eny an-tokontany hiditra amin'ny tontolo viritoaly ve ny Jihad ? Soratan'ny mpamaham-bolongana Ejipsiana Marwa Rakha eto (sy eto) ny fahatongavan'ny adihevitra mandeha eo amin'ny vondrona lahika sy Isilamika ao Ejipta amin'izao fotoana izao. Manoratra ary izy: It is no big secret that the number of Egyptians who believe...

26 Septambra 2008

Pakistana: “Fa maninona Rakoto no tsy raharahan'ny Google izahay?”

Ampiasain'ny Karana ho sehatra itarainana ny bolongana rehefa niresaka manodidina ny fitongilanan'ny haitaon'ilay goavana Google ry zareo. Ny miteraka adihevitra eto dia ny Google Doodles (soritsoritra google) ho an'i Pakistan. Google Doodles moa no anaran'ireny kisarisary asehon'i Google tsindraindray rehefa amin'ny fotoan-dehibe ireny. Mankalaza sy manome voninahitra ny ankamaroan'ireny fety...

07 Septambra 2008

Oman:Ramadany hafa kely

Hisaina angamba ianao hoe ny tontolon’ny fitorahana bolongana avy aty Oman tao ho ato dia nifantoka betsaka tamin’ny resa-pivavahana sy ny iray volana masin’ny Ramadany, nefa somary mahazendana ihany fa betsaka amin’ireo hafatra no tsy misy ifandraisany velively amin’ny Ramadany. I Muscat Confidential mpitoraka blaogy mpandranitra [amin’ny teny anglisy] dia...

05 Septambra 2008

Ezypta : Miarahaba tonga soa ny volana masin’ny Ramadany

Ny volana masin’ny Ramadany, nanomboka ny Alatsinainy teo, dia manana ny tsirony manokana any Azypta, ka noravàhana hifanaraka amin’izany ny lalàm-be rehetra.Mpitoraka blaogy iray no maneho ny lokony sy mitondra antsika eo anivon’izany fankalazàna izany Vehivavy ezyptiana iray mpitoraka blaogy SaSa no mitanisa ao amin’ny blaoginy Stories from the Past...

03 Septambra 2008

Moyen-Orient : Momba sy manohitra ny fandaharana amin'ny fahitalavitra mandritry ny Ramadany

Vao manomboka ny volan'ny Ramadany izao ary ireo mpijery fahitalavitra miteny arabo dia samy efa tsindrian-daona miandry izay fandaharana haroson'ny fahitalavitra voaomana ho amin'izany ny hariva. Ireo mpitoraka blaogy jordaniana, saodiana sy ny avy any Barheïn dia mifanpizara ny fomba fijeriny manodidina ireo fandaharana be mpanaraka mandritry ny Ramadany. Avy...