Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Aogositra, 2014
Tsy Maintsy Kristiana Ve Ianao Vao Ho Jamaikana?
Nampirongatra adihevitra ny fanambaràna nataonà Jamaikana iray mpanao politika, tamin'ny fanehoan-keviny hoe "niala lavitra loatra an'Andriamanitra ny firenena, ka lasa nitsahatra tsy nahafinaritra an'Andriamanitra intsony."
Noraràn'ny Governemanta Shinoa Any Anatin'ny Fitateram-bahoaka Ny Hijabs, Volom-bava Lavabe Sy Ireo “Fitafy Tsy Araka Ny Tokony Ho Izy”
Nanambara ny fandraràna ny fitafy sy endriky ny volo "tsy araka ny tokony izy (mivaona)" mifandraika amin'ny Miozolomana any anatin'ny fitateram-bahoaka ny governemantan'ny tanànan'i Karamay ao Shina, mba hisorohana izay mety ho fihetsika mpampihorohoro mandritra ny Lalao Xinjyang faha-13 nanomboka tamin'ny 8 hatramin'ny 20 Aogositra 2014
Niteraka Adihevitra Ny Fiara Kelin'ny Papa Fransoà Tao Korea Atsimo
Nofaranan'ny Papa Fransoà tao Korea Atsimo ny fitsidiham-pitokanana ataony, izay niteraka resabe tamin'ny fampahalalam-baovao ny fomba fisehoan'ity lehiben'ny Katolika ity imasom-bahoaka, anisan'izany ny hoe eveka mandeha amin'ny fiara kely tsotsotra, fa tsy amin'ny fiara berline maharo amin'ny bala.