Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Jolay, 2017

29 Jolay 2017

Tsingerintaonan'ny Rivopanovàna Silamo sy Ireo Iraniana Bilaogera

''Voalaza fa natao hanomezam-boninahitra ny vahoaka Iraniana ilay rivopanovàna saingy mihamaro ny vahoaka mijaly mafy noho ny olana ara-toekarena sy ny fahantrana'', hoy i Maryam Shabani.

28 Jolay 2017

Ejipta: Sazy EFA-TAONA Am-ponja Ho Anà Bilaogera

i Kareem Nabil Sulaiman no Ejipsiana voalohany indrindra nahiditra am-ponja noho ireo lahatsoratra nosoratany tao amin'ny bilaoginy manokana, voalaza ho naniratsira ny finoana Silamo sy ny filoha Ejipsiana, Hosni Mubarak.

25 Jolay 2017

Sodana Miady Amin'ny VIH/SIDA Aorian'ny Vanim-Potoana Islamista

Na dia eo aza ny fanamby maro isorohana ny fielezan'ny VIH ao amin'ny fiarahamonina mifikitra lalina amin'ny fomban-tany, dia mahita fisokafana bebe kokoa hatrany amin'io zavatra fady resahana io ny bilaogera toniziana iray miasa amin'ny programa iadiana amin'ny SIDA.

24 Jolay 2017

Bilaogy Bangla: Famahana Fady Sy Adihevitra

Manan-jo hanoratra ny mpanoratra rehetra, sy fahalalahana haneho ny hevtr'izy ireo. Saingy tsy midika izany fahalalahana izany fa afaka manoratra na inona na inona izy ireo. Misy fetrany ny fahalalahana. Mino manokana aho fa lohahevitra afaka hiadian-kevitra ny fivavahana. Saingy tokony hifanaja, marina ny adihevitra ary tsy mandratra ny hafa.

Manopy Fijery Any Pôlônina: Fotoana Fanamboarana Pączki

Ary mba ahoana no fomba fankalazan'ny firenenareo ny fotoana farany mialoha ny Karemy?

23 Jolay 2017

Iran: Kandidà Reformista Voaràra Tsy Hirotsaka Hofidiana

Nampihena ny fanantenan'izy ireo amin'ny fifidianana parlemantera amin'ny volana ambony ny Iraniana Reformista rehefa nesorin'ny manampahefana ny ankamaroan'ny kandidàn'izy ireo, anisan'izany ireo Solombavambahoaka sasany sy ilay "Rain'ny ny Repoblika Islamika", zafikelin'i Ayatollah Khomeini. Ao Iran, tsy maintsy mahazo fankatoavana alohan'ny hifidianan'ny vahoaka azy ny kandidà.

Karnavaly: Lahatsary Avy Amin'izao tontolo Izao

Ny fomba iray ahafantarana ny kolontsaina, dia ny mahita ny fomba fankalazana sy ny antony hankalazana izany. Maro ny firenena manana fety iraisana, dia ny Karnavaly, ary samy manana ny fankalazany izany ny firenena tsirairay.

20 Jolay 2017

Sodàna: Tsipaho Izay Rehetra Danoà

"Adala tanteraka", hoy ilay Mpihevitra Sodaney rehefa nandidy ny vahoaka ny filoha Sodaney mba hitsipaka izay rehetra entana Danoà :

Sakafo An-dalambe Avy Ao Panamà, Mandoo Avy Any Korea, Ary ny Lahatsary Hot Pot Avy Any Shanghai

[...] Ny Semla, tany ampiandohany, dia sakafo fihinana fotsiny rehefa Talata Matavy, ho toy ny fety fisakafoanana mialoha ny Karemy. Kanefa, niaraka tamin'ny Protestantisma, natsahatr'ireo Soedoà ny fanajàna ny Karemy...[...]

19 Jolay 2017

Ejypta: Hetsi-bahoaka Avotsory Kareem Sy Izay Nosoratan'i Kareem

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Martsa 2007 ity adika eto ity) Nisy ny antso ho amin'ny famoriam-bahoaka fanindroany mba hanery ny governemanta Ejypsiana hamotsotra ilay bilaogera nogadraina Abdulkareem Nabeel Sulaiman, 22 taona, mpianatry ny Oniversite Al Azhar taloha, izay voaheloka higadra efa-taona noho ny lahatsoratra navoakany tamin'ny aterineto. Tamin'ny 22 Febroary, nomelohin'ny...