(Marihina fa tamin'ny 15 Jolay 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
Fetim-pivavahana fahiny any Venezoela ny alakamisy miisa sivy aorian'ny Alakamisy Masina ny Devoly mandihy an'i Yare sady vakoka ara-javakanto sy ara-kolotsaina miavaka amin'ny fivavahana ao amin'i faritr'i Miranda. Azonao atao ny mitsidika ny lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia Dancing Devils of Yare izay ahitana ny rohy mankany amin'ireo lahatsoratra an-gazety raha mila fanazavana fanampiny momba ity hetsika ity ianao:
Les diables dansants de Yare (Diablos Danzantes del Yare) est le nom d'une fête religieuse célébrée à San Francisco de Yare, dans l'Etat de Miranda, au Vénézuela, le jour du Corpus Christi. Les Sociedades del Santísimo (Sociétés du Très Saint) sont chargées de l'organisation de cette manifestation. Leurs origines remontent au XVIIIe siècle, et il s'agit des plus anciennes fraternités du continent américain.
Chaque Corpus Christi (neuf jeudis après le Jeudi Saint), les “Diables dansants” dansent une danse rituelle. Ils portent des vêtements aux couleurs vives (généralement rouge), différentes couches de tissus rayés, des masques grotesques, et des accessoires tels que des croix, des scapulaires, des rosaires, et des amulettes.
La fraternité des diables obéit à une hiérarchie interne, les rangs hiérarchiques sont représentés par les masques.
D'autres versions de ces festivités existent, et elles sont nommées d'après différentes villes, comme les Diables de Naiguatá et les Diables de Chuao.
Ny devoly mandihy an'i Yare (Diablos Danzantes del Yare) no anaran'ny fety ara-pivavahana ankalazaina ao San Francisco de Yare, ao amin'ny fanjakana Miranda, Venezoela, amin'ny andron'ny Corpus Christi. Ny Sociedades del Santísimo (Fiarahamonin'ny Masina Indrindra) no miandraikitra ny fikarakarana io hetsika io. Tany amin'ny taonjato faha-18 no niandohany , ary izy no fetim-pirahalahiana zokiny indrindra any amin'ny kaontinanta amerikana.
Amin'ny Corpus Christi (alakamisy miisa sivy aorian'ny Alakamisy Masina), mandihy ny dihy ara-pomba ireo “Devoly mandihy”. Mitafy akanjo miloko marevaka izy ireo (matetika mena), karazana lamba mitsorandriaka matevina , saron-tava mampatahotra ary fitaovana toy ny lakoroa, firavaka eo an-tsoroka, rozery ary rojo fiarovana.
Manaja ny antanatohatra anatiny ny firahalahian'ny devoly, aseho amin'ny alàlan'ny saron-tava ny filaharan'ny antanatohatra.
Misy ny fanehoana ity fety ity amin'ny endriny hafa , ary omena anarana arakarak'ireo tanàndehibe samihafa izany, toy ny Devolin'i Naiguatá sy ny Devolin'i Chuao.
Manome fampahalalana bebe kokoa momba ity fomba amam-panao ity ny bilaogy Talento Venezolano :
Le “Diablos Danzantes de Yare” es, sin duda, un orgullo mirandino para toda Venezuela(…) Su origen nos viene desde la colonia y su verdadero nacimiento gira en torno a decenas de versiones. Lo importante es que los “diablos” hacen su devoción o promesa por razones de salud o por tradición. Se puede danzar por un tiempo determinado o por vida, una vez entrado en el “clan” el incumplimiento acarrea severas sanciones.
Tsy isalasalana fa loharanom-pireharehana ho an'i Miranda sy ho an'i Venezoelà rehetra ny Devoly Mandihin'i Yare… Tamin'ny andron'ny fanjanahantany Espaniôla no niandohan'ity hetsika ity ary misy ny tantara am-polony maro no re mikasika ny tena fiavian'ilay fetibe. Ny tena malaza indrindra dia ny hoe manao ny fanoloran-tenany na ny faniriany ho an'ny fahasalamana, na ho an'ny fomban-drazana “ilay devoly” . Azo atao ny mandihy [miaraka amin'ny Devoly] mandritra ny fotoana voafetra na mandritra ny androm-piainana: mety hahazo sazy mafy ianao rehefa tafiditra ao anatin'ny fikambanana, raha tsy manaja ny fitsipika.
Manoritsoritra ny akanjo entin'ireo mpandihy ny Las Cosas de Rosa :
La fraternidad de Diablos de este pequeño pueblo colonial es la más vieja del continente americano y tal vez la más organizada. Camisa, pantalón y medias rojas, máscara y alpargatas, es el vestuario de Diablo. Llevan una cruz de palma bendita, el rosario y la medalla del Santísimo, que por ser difícil de conseguir se sustituye por otra medalla de una imagen religiosa cristiana. Llevan en una mano una maraca en forma de diablo y en la otra un látigo.
Ny firahalahian'ireo devoly ao amin'ity tanàna kelin'ny fanjanahantany ity no zokiny indrindra ao amin'ny kaontinanta Amerikana ary angamba ilay tsara homana indrindra ihany koa. Ahitana lobaka, pataloha, kiraro mena ary kapa ny fanamian'ny devoly. Mihazona ny lakroa fitahiana, rozery ary ny medalin'ny Fanahy Masina eo am-pelatanany ihany koa izy ireo fahiny, satria sarotra ny manolo ny medaly misy sary kristiana hafa. Mitondra zavamaneno maraca miendrika devoly eo amin'ny tanana iray sy karavasy amin'ny ilany ihany koa izy ireo.
Azonao atao ihany koa ny mijery ny lahatsary izay manazava mikasika ity fomba amam-panao ity. Manolotra ny tatitra an-tsary ao amin'ny kaontiny Flickr i Hector Rattia. Misy andian-tsary tsara tarehy antserasera ihany koa hita ao amin'ny tranokala Behind the Mask.